Ahmad filohan’ny CAF – Nosazian’ny CAF tsy hikitika baolina kitra mandritra ny 5 taona

Ahmad Ahmad, filoha am-perinasanr’ny CAF misedra olana

Lita

Araka ny vaovao farany avy any anivon’ny FIFA, na ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny baolina kitra, nosazian’izy ireo tsy hahazo hikitika baolina kitra mandritra ny 5 taona ny filohan’ny CAF (kaonfederasiona Afrikana momba ny baolina kitra), Ahmad Ahmad, na eto Madagasikara izany, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nosazian’ny Federasionina Iraisam-pirenena momba ny baolina kitra tsy ho afaka hisehatra amin’ny tontolon’ny baolina kitra mandritra ny 5 taona tokoa ny Filohan’ny CAF, Ahmad Ahmad, teratany Malagasy, izay nitantana io rafitra io nanomboka ny volana martsa 2017. Miampy onitra 185 000 Euros ny saziny, araka ny tapaky ny Komitin’ny etika eo anivon’ny FIFA. Voalaza fa nanao fanodinkodinam-bola, tsy nanao ny asany am-pahitsiana, nizara fanomezana sy tombontsoa tsy ara-drariny, nanararao-pahefana,… i Ahmad Ahmad arak’izany fanapahan-kevitry ny FIFA izany. Kandida amin’ny Fifidianana Filohan’ny CAF tokony hatao ny martsa 2021 anefa i Ahmad Ahmad, ary Federasionina 46 amin’ny 54 aty Afrika no efa nanao fanambarana fanohanana azy.

Tsy ho afaka hirotsaka ho filohan’ny CAF izy noho izany raha ity fanapahan-kevitra nivoaka ity. Mbola afaka mampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana misahana ny fanatanjahantena na “Tribunal arbitral du sport” anefa izy. Hivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny FIFA ny didy feno mikasika izao raharaha izao afaka 60 andro, ka ho hita eo ihany ny ho tohin’izao raharaha izao.