Tsy noraharahian’Antananarivo ilay mpanakanto vahiny nampandikaina lalàna

Ny Valosoa

Raha toa ka nahavory vahoaka tany Sambava sy Toamasina ary Mahajanga ilay mpihiravavy Afrikana tatsimo, mpihira ilay hira malaza amin’izao fotona: Jerusalema dia tsy izay no niseho teto Antananarivo, fa tsy tonga namaly ny antso ny zanak’Iarivo, fa dia navelany ho hitan’ny havany teo ity vahiny, iza moa ny havany lazaina eto fa tsy ny fitondrana nanafatra azy ihany.

Nampandikaina lalàna ilay mpanakanto, satria ny didy navoakan’ny fitondrana dia Nosy-Be no mahazo mandray vahiny, saingy ireo vahiny tonga ao dia tsy mahazo miditra aty amin’ny Tanibe, ampitan’ny Nosy Manitra. Tao Nosy-Be no niditra ireo mpihira vahiny, afaka nivoaka soa amantsara tao, sady nahazo alalana nanao fampisehoana namory vahoaka tao Sambava, dia mbola nihoatra faritany roa hafa dia i Toamasina sy Mahajanga ary farany dia tafanika an’Iarivo.

Nomena alalana hisehatra eto Antananarivo ny vahiny, raha toa ka tsy navela hanao ny mpanakanto teratany, kinanjo tsy araka ny noeritretin’ireo mpanafatra an’ity vahiny ity ny zava-nitranga, fa zara raha nisy nijery ilay vahiny, betsaka ny mety ho antony tsy nahatonga ny mpijery, ao aloha ny mbola fitandremana amin’ny aretina, kanefa dia tsy azo amaivanina koa ny hatezeram-bahoaka tamin’ny fanaovana tsinontsinona ny mpihira malagasy nataon’ny tompon’andraikitra eto amintsika, ka ny tsy fahatongavana mijery dia midika ho fanehoana ankitsirano ny tsy fankasitrahana ny mpitondra mampandika lalàna sy manambany ny mpanakanto mpiray tanindrazana. Tokony hahalala menatra ny mpitondra satria efa manao ny tsy fanao kanefa mbola aotra ny vokatra. Antony hafa koa, sahirana ny olona amin’izao fotoana, ka maro ny tsy te-handany vola tamin’ilay artista vahiny, fa naleo hanaovana zavatra hafa iatrehana ny fiainana sarotra ny vola eo am-pelatanana.

Fa raha hitafa momba ny koronaviriosy indray dia matoa misy ireo fepetra tanisaina, dia midika fa mbola tsy voafehy ny aretina, vao nisy iray namoy ny ainy, ary misy ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina miisa 31. Ny azo lazaina dia mampisalasala ireo tarehimarika mivoaka momba ny aretina, satria ireo toerana nanaovana famoriambahoka toa vitsy no tratra, miohatra amin’ireo tanàna tsy nisy lanonana, raha mandray ohatra ny amin’ny faritanin’Antsiranana, ny tao amin’ny faritra Diana nisy maty iray ary mitondra ny otrikaretina 5, raha 1 monja no mitondra ny otrikaretina tao amin’ny faritra Sava nanaovana fampisehoana nampifanitsakitro ireo mpijery, ny faritra Analamanga nahitana olona 6 mitondra ny otrikaretina, 3 ny tao amin’ny faritra Antsinanana, fa tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony nahatratra 13 ireo mitondra ny otrikaretina, toa ohatry ny mampieritreritra ilay fisehoan-javatra, koa tsy aleo ve asiana fijerem-baolina ankalamanjana any Fianarantsoa na fampisehona goavana amin’izay dia mihena ny tarehimarika.

Fa raha hiverenana ny mikasika ilay fampisehoana teny Antsonjombe dia aleo tsorina fa fandavana tsotra izao ny mpitondra no dikan’ny kianja babangoana, tokony ho natao maimaimpoana koa ny lanonana dia nasiana fizarana t-shirt, sy mofo sy akondro ary fiara nitatitra bôjy, toy ireny nataon’ny mpitondra tamin’ny fampielezankevitra ireny. Diso kajy tanteraka ny fitondrana satria ny fanafarana mpanakanto vahiny dia noheverin’izy ireo hampitombo ny fitiavam-bahoaka, kanefa ny mifanohitra amin’izany no miseho.

Eto ampamaranana dia tsotra ny hafatra ampitaina amin’ny mpitondra, aleo mpanakanto vahiny hatrany no hafarana, satria ireny tsy mahazaka olona, ka azo antoka ny fanajana ny elanelana iray metatra. Ataovy anjorom-bala ihany ny artista Malagasy dia ho hitanareo ny ho vokany ry mpitondra mpanavakavaka a!