• ☗
  • Rohy
    • Tahiry gazety
    • Pejy talohan’ny 9 Janoary 2019
    • Marc Ravalomanana
    • Fifidiana depiote 27Mey2019
    • Arphine
  • Alefa Rina a! Fidio n°2
  • Tononkalo
Search
20 C
Antananarivo
Mon 8 Mar 2021 00:28
Ny Valosoa Vaovao NY VALOSOA VAOVAO
Ny Valosoa Vaovao
  • ☗
  • Rohy
    • Tahiry gazety
    • Pejy talohan’ny 9 Janoary 2019
    • Marc Ravalomanana
    • Fifidiana depiote 27Mey2019
    • Arphine
  • Alefa Rina a! Fidio n°2
  • Tononkalo
Home Lohateny Sabotsy 24 Oktobra
  • Lohateny
  • Tahiry

Sabotsy 24 Oktobra

24/10/2020

Hamaky ny tohiny:

Pejy 1 – PDF
Pejy 2 – PDF
Pejy 3 – PDF
Pejy 4 – PDF
Pejy 5 – PDF
Pejy 6 – PDF
Pejy 7 – PDF
Pejy 8 – PDF
Pejy rehetra – Ny-Valosoa-Vaovao-24-Oktobra-2020

< Aloha EDITO 24 Oktobra – Fampandrosoam-pirenena – Tsy hita soritra mazava ny fomba fiasa mahomby
Afara >Fitondrana Rajoelina – Mangoron-karena eo ambonin’ny fahoriam-bahoaka
user

LAHATSORATRA FARANY

MPANONGAM-PANJAKANA ?

07/03/2021

Tanora RMDM sy Union des Jeunes pour la Révolution – Mitaky ny famoahana ireo gadra politika 12 mianadahy

07/03/2021

Faminaniana ho an’ny firenena

07/03/2021

EDITO 6 Marsa – Mpitondra miovaova hevitra, midika tsy fahaizan’asa

07/03/2021

SABOTSY MIFANKAHITA

04/03/2021

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
light rain
20 ° C
20 °
20 °
83 %
2.6kmh
40 %
Sun
18 °
Mon
25 °
Tue
25 °
Wed
24 °
Thu
25 °

NY VALOSOA VAOVAO FB

Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

Mitohy ny tolona. ... TohinyFintinina

3 ora lasa

PlaySongadina Real News Ny Vaovao Marina 06 Martsa 2021
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 3
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook 3788847237902089

MPANONGAM-PANJAKANA ?

Mihovitrovitry ny tahotra ry zareo ery ambony,
Ka ny ataony sy ny saininy, tsy voalanjany intsony!
‘Reo izay mihetsika rehetra, n’iza n’iza eto an-tanàna,
Dia heveriny daholo fa mpanongam-panjakana.

Olona miakanjo mena, tazana mizotra tsara,
Tampoka eo dia nobataina sy nalefa anaty fiara.
Tonga dia nosokajiana fa mpanongam-panjakana,
Ka nogiazana avy hatrany sy nalefa am-pigadrana.

Mpianatra mitaky vatsy f’efa noana tsisy hatokona,
Dia nanaovana herisetra sady nitondrana “bokona”.
Tena nisy nosamborina ka handalo fitsarana,
Fa hoe manam-pikasana ny hanongam-panjakana.

Solombava miomankomana hanao tatitra mazava,
Dia niharan-tsakantsakana ary dia voaenji-dava.
Manan-jo ny ho amin’izany, izay tondroin’ny lalàna,
Saingy kosa voakilasy fa mpanongam-panjakana.

Tondromolotra no miasa ka ‘reo olo-manakiana,
Dia anaovana antsojay fa hoe mpitari-pikomiana.
Didy jadona no eto, foana ny fahalalahana,
Ary hevitr’olon-tokana no tadiavina hibahana.

…Lalitra mihetsika aza, angamba koa dia ho voatana,
Fa tsy maintsy hokilasiana ho mpanongam-panjakana!
Ny antony dia tsotra ihany: efa tena “tsy ao intsony”,
F’efa manonofy ratsy ireo rehetra ery ambony!

TSIMIMALO (05-03-21)

www.gvalosoa.net/2021/03/07/mpanongam-panjakana/
... TohinyFintinina

7 ora lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/03/07/mpanongam-panjakana/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 39
  • Shares: 2
  • Comments: 2

Comment on Facebook MPANONGAM-PANJAKANA ...

"ny VAHOAKA no ANDRIAMANJAKA" Manongam-panjakàna foana ny tarika Rajoelina: 2009:Naka fahefàna anKERINY,TSY SAFIDIMBAHOAKA! 2018:Naka fahefàna amPITAKA,HALABATO,TSY SAFIDIMBAHOAK! 2018-2021:Mifikitra @ fahefàna anKERINY,MAMORITRA VAHOAKA!

Nanomboka teto dia voavidy vola avokoa na ny tafika , fitsarana , ny vahoaka madinika natao sorona teny ambotsiroitra . D aveo lasa firenena mahantra fadiranovana . Mbl ho tsarainy tantara eto daholo f n aina no mahatezaha

Tanora RMDM sy Union des Jeunes pour la Révolution – Mitaky ny famoahana ireo gadra politika 12 mianadahy

Nangonin’i Stefa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny antoko TIM, sy ny RMDM, tetsy Bel’Air Ampandrana afak’omaly, ny tanora RMDM, sy ny Union des Jeunes pour la Révolution. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’izany mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

« Izahay tanora ato amin’ny vondrona RMDM sy ny Union des jeunes pour la révolution dia manao izao fanambaràna izao : tsapanay ankehitriny ny fangirifirian’ny Tanora Malagasy satria :
. Tsy hita taratra ny ho avin’ny tanora.
. Maro ireo nahita fianarana , nefa firy amin’izy ireny no mba mahita asa .
. Ao koa ireo izay tsy afaka manohy izany noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny ray amandreny.
. Miakatra isan’andro ny vidim-piainana eto Madagasikara ; maro amin’izy ireny no very fanahy mbola velona , ka lasa mivarilavo : eo ny olan’ny JIRO sy RANO ; eo ny tsy fandriampahalemana.

Hita ankehitriny ny fanapenam-bava amin’ny endriny maro . Anisan’izany ny tsy fahafahana maneho hevitra , ny tsy fahafahana mivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblika. Ka noho ireo antony voalaza ireo dia mijoro izahay tanora hiady amin’ny jadona. Miantso antsika tanora rehetra, fa tompon’andraikitra amin’ny ho avin’ny firenentsika isika. Ny fijoroanao androany no antoky ny fiainanao rahampitso ka tsy tokony ho lalaovina ny ho avintsika tanora. Mitaky ny famoahana azy 12 mianadahy voafonja koa izahay ».

www.gvalosoa.net/2021/03/07/tanora-rmdm-sy-union-des-jeunes-pour-la-revolution-mitaky-ny-famoahan...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/07/tanora-rmdm-sy-union-des-jeunes-pour-la-revolution-mitaky-ny-famoahana-ireo-gadra-politika-12-mianadahy/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 43
  • Shares: 3
  • Comments: 2

Comment on Facebook Tanora RMDM sy Union...

misaotra e

Dia ahoana tsara moa izany ? mitaky dia ahoana avy eo ? dia misy tohiny sa vita eo ilay resaka ?

Faminaniana ho an’ny firenena

Nangonin’Isambilo

Hiova endrika kely ny Hadihady eto amin’ny gazetinao androany. Fanehoan-kevitry ny HMF, na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana mahakasika ny raharaham-pirenena no ho eo amin’ny toerany androany. Manadihady sy mamakafaka ny raharaham-pirenena izay koa ny HMF ireto ary ampifandraisiny amin’ny Soratra Masina izany.

« Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona » (Ohabolana 14,34), izay no hitondran’ny HMF ny FAMINANIANA HO AN’NY FIRENENA.

Manan-kolazaina amin’ny firenentsika Andriamanitra anio fa isika Malagasy dia azo sokajiana ho vahoakany ; tsy vitsy amintsika no Kristianina vita batisa na batemy , mpandray ny Fanasan’ny Tompo na vita Kominio na koa finoana hafa miantso ny Anaran’Andriamanitra. .. Rehefa natahotra an’Andriamanitra ny Mpitondra sy ny vahoaka dia « miadana » ny firenena (2 TANTARA 20,30).

Koa manoloana ny zava-misy eto amin ‘ny firenena dia tery am-panahy tanteraka izahay , hitondra izao hafatra izao ho an’ny firenena , indrindra ho an’ny Mpitondra , ny Mpanao politika , ny miaramila , ny Mpitsara , ny fiaraha-monim-pirenena , ny vahoaka rehetra mahalala an’Andriamanitra :

1.« … Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho nyolona. » (Asan’ny Apostoly 5,29). Koa manainga antsika Kristiana manam-panahy rehetra na inona na inona andraikitrao mba tsy hamono ny feon’ny fieritreretana ka handika ny didin’Andriamanitra ny amin’ny fanajana ny aina sy ny fahafahana ary ny fihavanana fa hanome Hasina sy Hijoro amin’ny maha-vita Batisa sy maha-Mpandray Fanasan’ny Tompo na Kominio, hijoro amin’ny maha-Kristianina sy olom-pirenena vanona ka tsy hananteraka asa mifanohitra amin’ny Sitrapon’Andriamanitra na hanitsaka ny rariny ka hampitondra alahelo ny vahoakany izay efa sahirana rahateo, fa :« Izao no lazain’i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra tena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ity fitoerana ity. » (Jeremia 22,3).

2.« Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. »

Manao antso avo ho an’ny Kristianina sy ny olona matahotra an’Andriamanitra rehetra na inona na inona firehany mba ho mpandray anjara amin’ny fampanjariana ny fahamarinana, dia ny rariny sy ny hitsiny ho tonga fiainan’ny firenentsika . Izany dia mba ho fanarenana ny firenena izay efa rotiky ny Krizy niverimberina . Isika no nolazain’i Jesoa hoe « Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5,14). Isika no antenaina hitondra fahazavana eto amin’ny firenena fa tsy ny mifanohitra amin’izany . Isika no antenaina hiala sy handao ny kolikoly amin’ny endriny rehetra ; isika no antenaina hampakatra avo ny hasin’ny fihavanana ka hikolo sy hitandro ny “fihavanan’ny mpiray tanindrazana tsy ho rava” na dia ekena fa tsy maintsy misy ny hevitra tsy mitovy . Ny vanim-potoanan’ny Karemy toy izao dia mampahatsiahy antsika fa MPANAFAKA isika: « Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefany ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? » (Isaia 58,6). Fotoana famitranam-pihavanana amin’Andriamanitra sy ny namana ny Karemy koa aoka hahay manararotra izany isika.

3.« Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; nymahitsy no hahita ny tavany*.» (Salamo 11,7). Manainga antsika ho sahy hijoro vavolombelon’ny Tompo amin’ny fahamarinana iainana fa tsy am-bava na vola na ny tenda ihany . Aoka tsy resin’ny fiandaniana isika fa hanana maso mijery marina ary sofina mihaino tsara ny tena zava-misy ka hivavaka ho an’ny firenentsika mba hanjakan’ny fihavanana sy ny fiadanana. Aoka izay mahalala an’Andriamanitra rehetra hanao asa mifanaraka amin’ny maha-Kristianina sy maha-mpino azy fa tsy ho voatarika amin’ny asan’ny devoly izay mahatonga antsika hifandramatra sy hifandrafy ary hifamono sanatria!. Andrasan’ny vahoaka avy aminareo Mpitondra sy Mpanao politika isan-tokony ary mitonona ho Kristianina ny mba hitandro mandrakariva ny “fahamarinana “ ka hilaza izay tena marina amin’ny vahoaka ary hahazaka fifanitsiana sy fanakianana ary hanaiky fa tsy misy ny tonga lafatra ka hanitsy hatrany ny dia , anisan’izany ny fanehoana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny harem-pirenena. Fa ireto dia zavatra halan’Andriamanitra « Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy. » (Ohabolana 6, 17 – 19).

4.« Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandana oAho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra; » (Isaia 62:6) : Niandany tamin’ny vahoaka nijaly sy nampahoriana hatrany ny mpaminany na dia nenjehina sy nampijaliana, noho izany aza ( Jeremia,) . Izy ireny no Raiamandreny nananatra sy nanoro hevitra tamin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fireneny , nampihavana sy namitram-pihavanana tamin’Andriamanitra ary nampianatra ny vahoaka iaina amin’ny rariny sy ny hitsiny mba tsy hisy “hanisy ratsy ny namany”. Tsy nangina raha niseho ny fanaparam-pahefana nataon’i Davida Mpanjaka fa niteny sy nananatra tamin’ny fahasahiana (Natana Mpaminany : 2 Samoela 12,7) . Ekena fa mila fahasahiana sy fahendrena ny miteny sy mananatra ; koa manaitra antsika Mpitondra fivavahana namana rehetra mba tsy hitazam-potsiny manoloana izao fahasahiranana izao ka ho “toy ny ondry tsy misy mpiandry” sanatria , ny vahoaka.

Hoy ny Hafatry ny Mpaminany Isaia ho an’Ilay firenena mpanota sy mavesa-keloka:« Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; Fa raha mbola mandà sy mihodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ny sabatra: Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny. » (Isaia 1,19 – 20). TSY OZONA NA FIANTSOANA LOZA HO AN’NY TANINDRAZANA SANATRIA FA “FAMINANIANA HO AN’NY FIRENENA” !

« Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. » (Isaia 62,1).

www.gvalosoa.net/2021/03/07/faminaniana-ho-anny-firenena/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/07/faminaniana-ho-anny-firenena/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 11
  • Shares: 1
  • Comments: 0

Comment on Facebook Faminaniana ho ...

EDITO 6 Marsa – Mpitondra miovaova hevitra, midika tsy fahaizan’asa

Sôh’son

Amin’ny fomba ahoana no azo ieritreretana, fa ny tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity dia hafa ny teniny androany, dia miova iny tsy tazoniny intsony afaka andro vitsy? Ahoana no andraisan’ny vahoaka azy sy itokisany azy amin’ny manaraka? Ary tsy midika ho tsy fahaizan’asa tsotra izao ve izany? Niseho izany tamin’ity herinandro ity, ary sakodiavatra ny maro nandre ny teny nambarany. Ny prefet-an’Analamanga io. Na iza na iza ihany koa no mikasa hanao hetsika, tsy misy afaka mandà fa vahoaka Malagasy ireo. Ireo anefa no miantoka ny karaman’ireto olom-panjakana mifehifehy azy sy miovaova hevitra lava ireto. N’inona n’inona adihevitra na fanazavana, tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny fientanam-pon’ny olona eo amin’ny fampandrosoana ity firenena ity izany. Asa, hatraiza ny fandehanan’alavitry ny sain’ny manam-pahefana isan-tokony avy eto amin’ity firenena ity rehefa miatrika fipoirana faniriam-bahoaka toy izao? Toy ny ankehitriny ihany no ifanotofona “tsentsemana” sao “handoro lamba”? Miantehitra amin’ny hazo boboka ve ity vahoaka Malagasy ity?

Ary tsy izy ihany, fa misy ihany koa ny tomponandraikitra tsy mitana ny teniny io, fa ny zavatra notoheriny fatratra tamin’izy tsy mbola teo amin’ny fitondrana, vavabe no nataony tamin’izany, ankehitriny toa iniana adinoina. Tsy hita ho izy no mitarika amin’izany ho amin’ny fanatanterahana azy eo anivon’ny fitondrana rehefa ao anatiny izy. Tsy nisy fiovàna ny fomba fiasan’ny fitondrana na tany amin’ny tetezamita, na ankehitriny. Mazava loatra, tsy niezaka nanatanteraka ny fitakiana nataony taloha izy, fa raha nataon’izy ireo izany, efa hita taratra ny fiovàna amin’izao fotoana izao. Porofo akaiky amin’izany, ny fampidirana am-ponja avy hatrany ny olona vao alaina am-bavany voalohany (miakatra parquet) amina raharaha mafampana eto amin’ny firenena, toa ireo nahazo ireo olona 12 nosamborina teny Analakely tamin’ny fotoana saika nanaovan’ireo dépiote Tim tatitra teo Ambohijatovo. Tranga maro niseho tamin’ny fotoan’andro tamin’ny tetezamita izany ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao, tsy misy fiovàna.

Inona no antenain’ny vahoaka Malagasy amin’izao fitondrana izao raha toy izany no zava-mitranga. Tsy misy ny fiovàna, fa vao mainka aza tranga mampanahy lalina no miseho amin’izato toetran’ny tomponandraikitra mivadibadika. Ny irariana mafy dia tsy ho lasa leson-dratsy ho an’ny taranaka any aoriana toy ny efa naseho tao anatin’ny tetezamita izany.

www.gvalosoa.net/2021/03/07/edito-6-marsa-mpitondra-miovaova-hevitra-midika-tsy-fahaizanasa/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/07/edito-6-marsa-mpitondra-miovaova-hevitra-midika-tsy-fahaizanasa/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 7
  • Shares: 3
  • Comments: 0

Comment on Facebook EDITO 6 Marsa – ...

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 6 marsa 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

8 ora lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 6 marsa 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 9
  • Shares: 0
  • Comments: 0

Comment on Facebook Vidio ny ...

Photos de la publication de Le Jité ... TohinyFintinina

2 andro lasa

Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 24
  • Shares: 2
  • Comments: 3

Comment on Facebook 1764140243706142_3785201028266710

Ny sisin-tany no mila ambenana. Ny dahalo no mila enjehina. Ny mpanodikondina sy mangalatra ny harem-pirenena no mila gadraina sy saziana. Ny mpamono olona, ny mpandoro tanety, ny mpamolaka zaza amam-behivavy...izany no mila saziana sy tsy avela hanao ny tiany atao.

Izy ty moa zany le niantefan ny aza mihatsaravelatsihy fa tonga dia izay lazaina lazaina,ohatrany mbola tsy noraisiny ilay hafatra an

ny olon kendry ange mahatakadavitra e! tsy adala akory ny vahoaka! manao ny asany izy de avelao o eo!

Tsara e! ... TohinyFintinina

2 andro lasa

Tsara e!
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 64
  • Shares: 2
  • Comments: 1

Comment on Facebook 1764140243706142_3785163088270504

Mankasitraka anareo rehetra manohana ny atao e

Tandremo prezidà fa tsy vendrana daholo ny Malagasy! ... TohinyFintinina

2 andro lasa

PlayAsa mitentina 315 tapitrisa euros no tadiavin-dRajoelina atao kitranoantrano
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 21
  • Shares: 7
  • Comments: 1

Comment on Facebook 3783907908396022

mba ny tombontsoan ny vahoaka malagasy banjinina fa tena efa trop mihitsy ny zava mitranga! Malagasy misaina

Hanaiky ihany moa koa nandaginina foana hatramin’izay.

Tsara rehefa nahare ny tabataban’ny 6%.

Mankasitraka ireo rehetra nisalahy nahatafitàna @ izao dingana izao.

Alefa depiote TIM. Alefa Miara-manonja.

@ sabotsy izany no mifankahita.
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Hanaiky ihany moa koa nandaginina foana hatramin’izay.

Tsara rehefa nahare ny tabataban’ny 6%.

Mankasitraka ireo rehetra nisalahy nahatafitàna @ izao dingana izao.

Alefa depiote TIM. Alefa Miara-manonja.

@ sabotsy izany no mifankahita.
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 110
  • Shares: 3
  • Comments: 1

Comment on Facebook RAIKITRA FA EO MAGRO...

raha mande atongotra dia milahara tsara maka sisiny mba tsy hamoronany sasany indray hoe mamorona embouteillage dia makà àdroite tsara hendry ny Mpanohana ny Miaramanonja

MAGRO TANJOMBATO indray izany rehefa tsy omeny ny taniny e!... Ampitapitao any amin’ny namana e!

fb.watch/41xZGIzlYp/
... TohinyFintinina

3 andro lasa

MAGRO TANJOMBATO indray izany rehefa tsy omeny ny taniny e!... Ampitapitao any amin’ny namana e!

https://fb.watch/41xZGIzlYp/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 39
  • Shares: 14
  • Comments: 0

Comment on Facebook MAGRO TANJOMBATO ...

Tongava maro. Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina

3 andro lasa

Tongava maro. Ny firaisankina no hery.
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 84
  • Shares: 3
  • Comments: 1

Comment on Facebook Eny amin'ny MAGRO ...

D aiz ndray ntenen @zoma 😂😂😂😂

SABOTSY MIFANKAHITA

Saika ahitana hetsika amin’ny faritany enina,
Noho ny ataon’ireo mpitondra jamba sady bemarenina.
Ao ny fitakiana vola, ao ny hetsi-panoherana,
Mihovitrovitra ny ngeza f’efa tena ratsy toerana!

Tsy Iarivo irery ihany fa ny faritany enina,
No hisian’ny fitakiana, ka indreo mipenimpenina,
Miezaka mamono afo ry zareo mpirehareha,
Saingy hatreto dia efa tena tapi-dalana haleha!

Basy sisa arangaranga, herisetra no amparina.
‘Zay no hany fara hevitry ny tsy hendry sy tsy marina.
Mihozongozona ny sezany, hita ny fihilangilany,
Saingy tsy ampy hanavotra azy ny herin’ireo miaramilany!

Matoa mihetsika daholo iretsy faritany enina,
Dia mazava dia mazava f’efa vita ny ala nenina.
Olona tsy azo ahitsy ireo milaza ho andrarezina,
Ary akaiky raha izao ilay “fianjerana miezinezina”!

N’inoninom-pandrarana sy karazan-tsakantsakana,
Ny an’ny “solombava enina”, tongotra efa mby an-dakana.
Efa vonona ny tatitra, fiomanana efa vita.
Amin’ny sabotsy izao, eo indray mifankahita!

TSIMIMALO (02-03-21

www.gvalosoa.net/2021/03/04/sabotsy-mifankahita/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/sabotsy-mifankahita/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 41
  • Shares: 3
  • Comments: 0

Comment on Facebook SABOTSY MIFANKAHITA...

Resaka lisi-pifidianana – Fositra nanovana ny safidim-bahoaka teto hoy ny depiote Rodin

Rajo

Mbola nanao fanavaozana lisi-pifidianana ihany ny Ceni, ary nilaza fa afaka manamarina izany eny anivon’ny fokontany, ireo izay manana olana amin’izany. Nanamafy ny Ceni fa io lisitra io no hahafahana miatrika fifidianana manaraka indray.

Nokianin’ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato io, satria io ihany no niteraka olana teto Madagasikara hoy izy, niainga tamin’io lisitra io ny hala-bato teto amintsika raha tsy hiresaka afa-tsy ireny fifidianana filoham-pirenena ireny fotsiny isika. Tsy iny ihany, fa mbola nitohy tamin’ireo fifidianana nifanesy taty aoriana izany ary efa nisian’ny disadisa teo amin’ny samy mpikamban’ny Ceni, tamin’ny namoahan’ny filoha lefitra teo aloha Thierry Rakotonarivo ny marina tamin’izany. Tsy miaiky ihany ny Ceni, fa izy ireo no fototry ny disadisa pôlitika eto Madagasikara, nefa mbola manohy ny resaka lisi-pifidianana ihany. Ny vahoaka tsy mahalala, fa dia roboka hatrany, satria efa mba te-hifidy angamba satria ireo feno taona tsy mbola nihàran’ny olana no tafiditra amin’izany.

Nanamafy ity solombavambahoaka ity, fa tsy vao izao, fa efa ela no nitaky ny fanoloana ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko mpanohitra, ary fandravana mihitsy aza, nefa dia izao izy mbola sahy mamoaka lisi-pifidianana vaovao izao indray. Hafahafa ohatr’ilay nitsako labozia io.

www.gvalosoa.net/2021/03/04/resaka-lisi-pifidianana-fositra-nanovana-ny-safidim-bahoaka-teto-hoy-...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/resaka-lisi-pifidianana-fositra-nanovana-ny-safidim-bahoaka-teto-hoy-ny-depiote-rodin/
Jereo @ FB
·Zarao

Share on FacebookShare on TwitterShare on Linked InShare by Email

View Comments
  • Likes: 91
  • Shares: 5
  • Comments: 0

Comment on Facebook Resaka ...

Load more
Ny Valosoa Vaovao
Gazetim-baovao miseho in-telo isan-kerinandro (Talata - Alakamisy - Sabotsy) • Fametrahana 79-06-18 • Mailaka: gvalosoa@yahoo.com
  • ☗
  • Rohy
    • Tahiry gazety
    • Pejy talohan’ny 9 Janoary 2019
    • Marc Ravalomanana
    • Fifidiana depiote 27Mey2019
    • Arphine
  • Alefa Rina a! Fidio n°2
  • Tononkalo
© Copyright2021 • All rights reserved http://www.gvalosoa.net
Edit with Live CSS
Save
Write CSS OR LESS and hit save. CTRL + SPACE for auto-complete.