Fitondrana Rajoelina – Mangoron-karena eo ambonin’ny fahoriam-bahoaka

Andry Tsiavalona

Nifarana nanomboka tamin’ny alatsinainy 19 oktobra 2020 ny hamehana ara-pahasalamana rehefa nihàtra nandritra ny fito volana. Efa roa na telo volana teo no noheverina fa tokony efa nifarana izany. Mazava ho azy anefa fa mbola niandry izay mety ho fanoherana ny fifidianana loholona ny mpitondra. Rehefa namoaka didy tsy azo hivalozana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana vao nanafoana ny hamehana ny fitondrana. Noheverin’ny mpitondra mantsy fa tsy afaka manao na inona na inona ny mpanohitra ity fifidianana ity raha mbola ao anatin’ny hamehana. Afaka nanao izay tiany natao koa ny mpitondra nandritra izay fotoana lavabe izay. Satria mpanara-dalàna ny vondron’ny mpanohitra dia hanaiky lembenana na dia fantatra fa mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana aza ny firosoana amin’ny fifidianana noho ireo antony efa iaraha-mahalala.

Tonga eo amin’ny fotoana aorian’ny hamehana izany ny Firenena amin’izao fotoana izao, ka handrasana izay lamina sy laharampamehana haroson’ny fitondrana hanarenana ny fitotongan’ny lafim-piainana eo amin’ny sehatra rehetra. Raha ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka Malagasy dia tsy ny any Atsimon’ny Nosy ihany no mandala fahasahiranana ara-tsakafo, ka tsy azo hodian-tsy hita ireo very asa tsy fidiny sy ireo mpivarotra izay atao haza-lambo sy roahina amin’ny toerana nanovan’izy ireo izany asa fivelomany izany. Ny maha-maika ny fitondran-dRajoelina Andry dia ny fananganana fotodrafitrasa izay tsy mahavaha ny olana ara-tsosialy mahavaivay amin’izao fotoana izao. Tsy fanipazana sakafo mahavonjy ao anatin’ny fotoana fohy no hanafaka ny fahasahiranan’ny Malagasy. Ny fampiroboroboana haingana sy betsaka ny fambolena (culture intensive) no vahaolana.

Iaraha-mahatadidy fa tamin’ny Repoblika III-3, nitantanan-dRavalomanana Marc ny firenena no nisy fifaninanana tamin’ny famokaram-bary ka nanomezana loka ho an’ireo namokatra amam-polo taonina isaky ny hektara. Tamin’izany fotoana izany iany koa no namadihana ireo tany mena teny Iavoloha ho tanimbary izay nomena ny anarana hoe “vitrine de Madagascar”. Tsy nisy kere izany mihitsy nandritra ny fito taona nitondran’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Nolazaina fa nanao ampihimamba teo amin’ny sehatra famokarana izy tamin’izany fotoana izany satria anisan’ny nanao fanangonam-bokatra ihany koa ny orinasa Tiko kanefa dia nividy ny vokatry ny mpamboly tamin’ny vidiny ara-dalàna tsara.

Porofon’izany dia nitaraina indray ny mpamboly rehefa niverina nanao ny asany indray ireo mpanangom-bokatra izay nanambaka ireo tantsaha satria izy ireo no mametraka ny vidim-bokatra araka izay tiany. Tsy ny teo amin’ny resaka fambolem-bary ihany no nosahanin’ny orinasa Tiko fa teo koa ny resaka rano fanalana hetaheta niparitaka manerana ny Nosy ny vokatra ary nifaninana tamin’ny orinasa Star ka heverina fa anisan’ny antony iray nitarika ny fanonganam-panjakana izany.

Rehefa tena didihana izao toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao momba ny antsojay atao amin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc dia noho ilay fisainana efa raiki-tapisaka ao amin’ny gasy dia ny fihalonana ka rehefa misy mpiray tanindrazana niezaka sy tafavoaka eo amin’ny fiainana dia sintonina hidina. Ny tena manahirana eto amin’ity Firenena ity dia ny mpitondra izay natao ho modely halain-tahaka indray no mampiseho toetra sy fanao mifanohitra amin’ny famporisihana hamokatra sy hampiroborobo ny famokarana. Tokony ho ao an-tsaina mandrakariva anefa fa ny harena ahorina amin’ny fanambakana sy fametsifetsena ny mpiarabelona dia zava-poana ary tsy hitondra soa ho an’ny taranaka mifandimby.