EDITO 24 Oktobra – Fampandrosoam-pirenena – Tsy hita soritra mazava ny fomba fiasa mahomby

Sôh’son

Maherihery ny tenin’ny Amnesty international momba ny filohan’ny Repoblika, izay nambarany fa tsy mitana ny teny nomeny momba ny fampihenana ny isan’ireo voafonja eto Madagasikara. Ho an’ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena, na ny mpanara-baovao maro, dia efa toetra sy fomba fiasa hita eo amin’ny filohan’ny Repoblika izany. Be ny fampanantenana natao izay, fa be koa ny tsy tanteraka hatramin’izao. Lasa resaka nanidina fotsiny izao, ohatra, ilay fampanantenana ho an’ny sefo fokontany momba ny hametrahana solosaina isam-pokontany izay nidedahana nambara teny Ivandry volana maro lasa izay. Eo ny momba ny Nosy Malagasy izay nambara fa tsy maintsy tafaverina alohan’ny 26 Jona, izay tsy re intsony ny tohiny ankehitriny, sy ny maro hafa nambara.

Tsy hita mazava izay fandaharan’asa apetrak’izao fitondrana izao, eo amin’ny lafiny fanarenana sy fampandrosoam-pirenena. Zary mirirotra atsy mirirotra aroa ny zotra atao itantanana ny firenena amin’izao fotoana izao. Ary iaraha-mahita fa miseho hahavita irery ny fampandrosoana ny firenena ity fitondrana ity, indrindra tao anaty hasarotana amin’ny hamehana ara-pahasalamana. Hafa ihany anefa ny fiaraha-mientan’ny rehetra, satria (n)iaraha-mahita tsara ny tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny maro tamin’ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19 sy ny fitsinjovana ara-tsosialy ny vahoaka. Ity farany ity dia niniana nikimpiana fotsiny izao ny lesoka be, ary noezahina notakontakonana mafy amin’ny fizarana natao. Tsy fahaiza-mitantana ny dikan’ireny rehetra ireny ka tokony hahatsapa tena fa nanao fahadisoana ny fitondrana. Fahadisoana natao tamin’ny vahoaka Malagasy satria noho ny fepetra nataon’ny fitondrana ihany no nahatafidiran’ny valanaretina teto amin’ny firenena sy ny fahavoazana mafy nanjo ny vahoaka vokatr’izany. Tsy misy resaka fanonerana anefa izany fahadisoana bevava nataony tamin’ny vahoaka izany, tsy nisy resaka fialan-tsiny.

Ho raharaha hanahirana ny tontolon’ny fitsarana, raha ireny zava-misy niaraha-nahita sy nandre ireny. Hatrany amin’ny fara-tampony no manahirana ny olom-pirenena ny mijery azy noho ny teny na didy ambarany. Miezaka handoko ranoray ny andrim-panjakana sy fahefana misy izao fitondrana izao sy ireo mpiara-dia aminy. Hampanahy ny hoavin’ny firenena, raha araka ny mpamakafaka. Ho sahy ho tomponandraikitra amin’izay mitranga ve izy ireo? Tsy maka lesona amin’ny zava-nisy tany aloha rahateo izao fitondrana izao. Mbola ho sarotra ny hisiam-panantenana ho amin’izay hahasoa ny firenena ho an’ny maro.