Raharaham-pirenena – Préfet de Police mpanampatra fahefana sy ny momba azy

Ny Valosoa

Manoloana ny zavamitranga eto Antananarivo Renivohitra dia zava-dehibe ny tokony hahafantarana ny endrik’ireo rafitra nitondrana ny Tanànan’Antananarivo nandritra ny repoblika nifandimby.

Tamin’ny Repoblika voalohany :
Nofidian’ny vahoaka mivantana ny mpanolotsainan’ny tanàna , ary ireo mpanolotsainan’ny tanàna no mifidy ny ben’ny tanàna, ny Pasitera Andriamanjato Richard no ben’ny tanàna voafidy hatrany tamin’ny repoblika voalohany.
Fa ankoatran’ny olomboafidy dia nisy ny antsoina hoe (DGG) na «Délégué Géneral du Gouvenement », solontenan’ny fitondrana mitovy laharana amin’ny ben’ny tanàna, Raveloson Clément no anaran’ny DGG farany ary nisy koa ny Préfet na Lehiben’ny Fileovana, izay mbola notendren’ny fitondrana ihany koa.
Marihina fa tamin’ny repoblika voalohany dia boriborintany dimy no nisy teto Antananarivo, fa Ambohimanarina dia kaominina ivelan’Antananarivo Renivohitra.
Nony nitranga ny 13 Mey 1972 , niova ny rafitra satria Governora miaramila no nitondra ny tanàna, tsy iza io fa ny Komandà Rabetrano, izy no nisahana ny andraikitry ny ben’ny tanàna , Andriamatoa Ratrimo Emile no Lehiben’ny fileovana.

Tamin’ny Repoblika faharoa :
Nalevina ny voambolana hoe ben’ny tanàna, mpanolotsainan’ny tanàna, boriborintany, fileovana sns… fa nosoloina sampanteny avy amin’ny fokontany.
Mitovy amin’ny fomba nifidianana ny teo aloha ihany no niseho, nifidy mivantana ny mpikambana ao amin’ny komitin’ny firaisampokontany ny vahoaka tany amin’ny fokontany, dia ireo komity voafidy no mifidy ny Lehiben’ny firaisampokontany, izay mifehy mivantana ny firaisampokontany, na ireo boriborintany teo aloha , nisy ihany koa ny Delegen’ny firaisampokontany izay notendren’ny fitondrana, ary ny Lehiben’ny fivondronampokontany izay mitovy laharana amin’ny Ben’ny tanàna ankehitriny dia fidian’ireo komitin’ny fivondronampokontany, izay nofidian’ireo komitin’ny firaisampokontany, fa ankoatr’ireo dia mbola nisy ny Delegen’ny fivondronana notendren’ny fitondrana ihany koa.

Randriananja Charles sy Rakotovao Andriantiana samy olon’ny Akfm-Kdrsm no nifandimby nitondra ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra tamin’ny fiandohan’ny repoblika faharoa , fa taorian’ny fivakisana teo amin’ny Akfm ny taona 1989 dia lasan’ny Arema ny fitantanana ny tanàna na ny tany amin’ny firaisana na ny fivondronana, ka Razanamasy Guy Willy avy amin’ny Fikambanana Iarivo Mandroso no natolotry ny Arema hitondra ny renivohitra.

Notendren’ny Filoha Ratsiraka Didier ho Praimnisitra Andriamatoa Razanamasy Guy Willy tamin’ny fitondrana tetezamita ny taona 1991, nohamafisin’ny « Fifanarahanana 31 Oktobra » teny amin’ny Panorama izany fahefana izany, ka Andriamatoa Andrianjafy Desirè Lalao no notendrena ho Lehiben’ny Delegasiona Manokan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Marihina fa nanomboka tamin’ny repoblika faharoa dia nikambana tamin’Antananarivo Renivohitra ny Kaomina Ambohimanarina, ka nantsoina hoe firaisampokontany fahaenina.

Tamin’ny Repoblika fahatelo :
Natsangana tamin’ny maty indray ireo voambolana efa nalevina tamin’ny repoblika faharoa toy ny hoe; Ben’ny Tanàna, mpanolotsainan’ny tanàna, boriborintany, sns… fa nalevina ny hoe firaisampokontany, fivondronampokontany, ny fokontany sisa notazonina.

Ny nampiavaka ny Repoblika fahatelo dia nofidian’ny vahoaka mivantana ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny Tanàna, nofidiana misaraka tamin’ny taona 1995, 1999, 2OO3 ,2007 , 2019, fa tamin’ny taona 2015 dia nofidiana tamin’ny latsa-bato mikambana ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, ka ny ben’ny tanàna no loha-lisitra , izay no nahatonga ireo kandida ben’ny tanàna lasa mpanolotsainan’ny tanàna.

Fa napetraka ho an’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny sata manokana nanomboka tamin’ny Repoblika fahatelo dia ny fisian’ny « Préfet de police » , tompon’andraikitra tendren’ny fitondrana ary mitovy amin’ny fahefana nananan’ny « DGG » tamin’ny repoblika voalohany, marihana fa tsy mpitandro filaminana ny « préfet de police » fa Administratera sivily teo am-piandohana fa ankehitriny dia manamboninahitra Jeneraly avy ao amin’ny tafika no misahana ny andraikitra.

Nanomboka tamin’ny nitondran-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra no tena niseho ny fanaparampahefana nataon’ny « Préfet de police » ary mbola mitohy izany ankehitriny amin’ny alalan’ny fanaovana antsojay amin’ny MBS, ALMA, sns… sy ny fanomezana rariny ny ben’ny tanàna mpandrava tsena ary indrindra ny fanaovana tsinontsinona ireo mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo avy ao amin’ny antoko Tiako i Madagasakara.

Niniana notaterina teto ny endrik’ireo rafitra nifandimby nitondrana ny tanànan’Antananarivo, nisy hatrany ny olomboafidy ary nisy foana koa ireo olomboatendrin’ny fitondrana, saingy toa afaka niara-niasa ara-dalàna ihany ny tany aloha tany, fa ny amin’izao fotoana izao dia nabaribarin’ny « préfet de police » amperin’asa fa izy dia olona mahatoky ny fitondrana, izay no iraka nampiandraiketina azy.