EDITO 5 Septambra – Lazoin’ny ”aretina” maro samihafa ny vahoaka malagasy

Sôh’son

Tsy mbola afa-bela amin’ny valanaretina covid-19 ity ny firenena, ary mbola miaina ao anatin’ny “ aretin’ny” olana ara-tsosialy sy toekarena ny vahoaka malagasy, dia mipoitra indray koa ity ny “aretina” hafahafa. “Aretina”, izay nipoitra avy eo anivon’ny andrim-panjakana sy ny fitondrana, ary mampanahy ny olom-pirenena eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Eo ny fihetsika ataon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny mpanolotsaina vitsivitsy, izay mandika ny lalàna fotsiny izao, ka nahatonga ireo mpahay lalàna vitsivitsy nitsangana nanakiana mafy izany. Eo koa ny zava-mitranga eny anivon’ny parlemanta izay nandrenesana toe-javatra tsy araka ny lalàna ; ary manampy ireo ny ataon’ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, izay toy ny “mpitari-bato vilam-bava ihany, ny ataon’ny tànana hafa, ny lazain’ny vava hafa ”. Natao litania nakadilo sofiny ny fanentanana ny amin’ny fandraràna ny famoriam-bahoaka nanomboka tany amin’ny volana martsa nidirana amin’ny hamehana ara-pahasalamana, sy indrindra ny niverenana fanindroany tamin’ny fihibohana. Iaraha-mahita ny zava-misy amin’izany andro maro izao tamin’ny fizarana fanampiana samihafa sy ny any amin’ireo toerana rehetra alehan’ny filohan’ny Repoblika. Santionany ihany izany.

Olana miteraka olana no hita, fa tsy olana nahitam-bahaolana ka tapitra eo. Manao fizaram-bary sy menaka mbamin’ny vola atao ho vahaolana ara-tsosialy ny fitondrana kanefa olana hafa indray no mitranga ary mampanahy tokoa eny anivom-piarahamonina amin’izao fotoana izao. “Aretina” iray lehibe amin’izany ny fahapotehan’ny firaisankinan’ny mponina, satria misy natao zanak’Ikalahafa, ary tsy nitovy tantana ny fitsinjovana ny mponina isam-pokontany sy kaominina. Aretina sarotra sitranina io, na dia ataon’ny fitondrana ambany maso tsy hita aza na hanaovana teny mampandry adrisa.

Niantso ny parlemanta hanao vaomiera manokana handinika sy handany lalàna ny governemanta, kanefa olana hafa indray no mitranga ary mbola ho tantara mitohy. Niseho handray fepetra ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo kanefa olana goavana no mitranga dia ny fahapotehan’ny orinasa Malagasy sy famonoana ny fiveloman’ireo mpiasa Malagasy sy ny fianakaviany mbamin’ireo mpiara-miasa samihafa toy ny tantsaha mivelona amin’ny vokatra entiny. Mampitombo isa ny tokantrano sy fianakaviana sahirana sy mahantra ny zava-misy. Tsy misy fivoarany sy fihatsaràny ny fiainam-bahoaka hatreto na dia mitety faritra maro samihafa aza ny fitondrana tato ho ato ary miseho hahavita zavatra amin’ny fampanantenana isan-karazany.

Manan-jo hanana fahasalamana ny olom-pirenena tsirairay avy sy ny vahoaka Malagasy. Ny aretina mamely azy anefa tsy afaka dia mipoitra indray ny tranga hafa manaraka. Midika izany, fa vahoaka “farofy lava”, ity vahoaka Malagasy ity ankehitriny, satria mamely azy avokoa izao karazana “aretina” isan-karazany rehetra izao, ary misy amin’ireo aza foronina hipoitra hamparefo azy.