FITONIANA SA FAHAMEHANA ?

Rehefa iarovana ireo olona ao anaty fitondrana,
Dia dradraina fa ilaina ilay atao hoe “fitoniana”?
Amboamboarina daholo hatramin’ny didy aman-dalàna,
Ho fanavotana ny akama izay misedra fitoriana?

Aoka hilamina, hono, mantsy fa ao anaty “fahamehana”,
Ka aleo hangina kely ny adiady sy ny sisa.
Dia novoizina ny hoe : tsy ilaina ny fifanenjehana,
Kanjo, indrisy, teny ihany, miharo fampandriana adrisa!

Fomba ratsy toy izany no itondrana firenena?
Ny fiarovana ny ratsy, izay no tena ifotorana?
Mbà misaina vetivety dia meteza handini-tena,
Sao dia ‘zao ilay kilasiana ho “fitondrana fozaorana”!

Rehefa entina handavo ny olona tsy tiana kosa,
Dia dradraina, arangaranga ilay atao hoe “fahamehana”?
Ka na mafy ny “krizy”, ny orinasa mihaosa,
Dia tsy misy fiantrana fa atao ny fanenjehana?

Mpiasa maro no hiato, tsy afaka hanohy intsony,
Fa ny atao hoe “maha olona” dia odiana tsy jerena?
Sao i Dada no tsy tiana sy halanao mpitondra ambony,
Ka ny mpiasa efa mahantra no hizaka ny hagegena?

“Fitoniana”, “fahamehana”, ampiasaina fahatany
Mba hiarovana ny seza sy hanaovana hadalana?
Anao angamba “ny omaly”, mety mbola anao “ny androany”,
Saingy raha “ny ampitso” kosa dia tsy anao fa miomàna!

Raha mitsiry mantsy ny hazo ka mitombo, mihalava,
Dia mihevitra ny maro fa ho tratrany ny lanitra.
Saingy nofinofy ihany ny an’ireo izay avo vava
Fa ny tompon-teny farany dia tsy iza fa Andriamanitra!

TSIMIMALO (02-09-20)