COVID-19 – Kaominina Ivato – Olona marefo 350 nisitraka fanampiana

Manodidina ny 350 ireo olona marefo nisitraka fanampiana tao amin’ny kaominina Ivato nandritra ny hetsika izay notanterahin’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy ireo mpiara-miasa aminy, androany faha-20 aprily. Tao ny mpiasa antselika toy ny mpanera, mpampianatra FRAM, mpitarika posy sy sarety, ary olona tena sahirana.

Ankoatra ny vary, savony, sira sy voamaina, dia nisy ny legioma telo karazany, ovy, karaoty ary arikaovera, izay nojifaina tamin’ireo tantsaha avy ao amin’ny kaominina ihany, tantsaha izay fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra amin’ny famarotana ny entany, toy izay ohatra mividy paty any amina orinasa any ivelany.

Olona marobe no tsy nahazo ny « vatsy tsinjo », ka dia nahatonga ny kaominina hanatanteraka izao hetsika faha-enina hatramin’ny fihibohana izao, hetsika izay mbola hitohy ao aoriana ho an’ireo izay mbola tsy nahazo. Nisy koa ny fanolorana aro vava.

Vaovo nangonin’i Lanzelo