COVID-19 – Fitiliana PCR nandritran’ny iray volana: 2357 – Ampy ve ny fitaoavana ?

Mpiasa matihanina maro eo anivon’ny fahasalamana, ary koa avy ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana, no nanambara fa tsy ampy ny fitaovana fitiliana, na ny amin’ny antsoina hoe PCR (Polymerase chain reaction) na TDR (Test de Détection Rapide).

Efa ho iray volana eo izao no nanombohan’ny fitiliana ny aretina COVID-19, ary 2357 fotsiny no fitiliana (PCR na sérologique) tontosa tamin’olona 2152 hatramin’ny 15 aprily teo, araka ny tatitra nataon’ny Pr Gaëtan Duval Solofomalala, sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamana.

Tokony hiaiky ny fitondràna fa tsy ampy ireo fitaovana fitiliana, hoy ity mpitsabo iray izay mikarakara marary ao amin’ny ivo toerana CCO COVID-19.

Araky ny tatitry ny OMS dia eo anelanelan’ny 150 sy 200 isan’andro no fitiliana PCR zakan’ny Institut Pasteur.

Miteraka ahiahy eo anivon’ny serasera ny tsy fahampian’ny mangarahara na eo amin’ny fampiasana ireo fanampiana voaray avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra, na eo amin’ny fivoaran’ny antontan’isa avoakan’ny ivo toerana COVID-19 izay toa mivohy ny fifehezana ny valan’aretina.

Lanzelo

https://bit.ly/34PWFKN