Filoha nasionaly TIM Marc Ravalomanana – Fanambarana manoloana ny fibaboan’ny CENI

Nivory teny Faravohitra omaly hariva ny mpitarika ny antoko TIM, manoloanany fanambarana nataon’ny avy amin’ny CENI ny herinandro lasa teo.

Nisy ny fanambarana nivoaka nandritra izany, miantso ny fanafoanana ny fifidianana natao teto amintsika nanomboka tamin’ny taona 2018, ka hatramin’ny taona 2019 teo.

Izany hoe takian’ny antoko TIM, tarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana, ny fanafoananany fifidianana Filohampirenena teto amintsika, ny fanafoanana ny fifidianana depiole ary ny fifidianana teny anivon’ny kaominina dia ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina monisipaly ary ny fifidianana mpanolotsain’ny kaominina.