Anorotsangana-Ambanja – Misy mijoro manohitra ny vokatra fifidianana ben’ny tanàna

Niaina

Misy mijoro manohitra ny voka-pidifianana Ben’ny tanàna farany teo amin’izao fotoana, any amin’ny kaominina Anorotsangana, distrikan’Ambanja, faritra Diana. Gaga sy talanjona ny vahoaka tany an-toerana raha nandre ny voka-pifidianana tany amin’ny Kaominina Anorotsangana ditrikan’Ambanja, tamin’ny voka-pifidianana Ben’ny tanàna farany teo, navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana sy ara-bola, any amin’ny Faritanin’Antsiranana.

Ny kandida faharoa, nahazo vato 31,79%, araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI no nambara, fa voafidy ofisialy ho Ben’ny tanàna, fa tsy ny voalohany, nahazo 42,25% ny vato manankery, nefa tsy nisy fitoriana na fitarainana, fa dia nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Nanao hetsika ireo manohitra io voka-pifidianana io, omaly, mitaky ny hamoahana ny marina.