Rina Randriamasinoro – Tsy handroso ny firenena raha mbola manjaka ny tsy fahamarinana

Helisoa

Manoloana ny fanambaràna miezinezina nataon’ny CENI tamin’ny nisian’ny karapanondro mitovy laharana miisa 1 tapitrisa mahery, tamin’ny lisi-pifidianana nampiasaina hatramin’izay, sy nikitihana ny lisi-pifidianana dia manamafy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sady kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra, Rina Randriamasinoro, fa mitombina tanteraka ny fitakiana nataon’ny vahoaka, ny hivoahan’ny marina tamin’ny fifidianana teto amin’ny firenena. Mazava izao hoy ity farany, fa tsy vokatry ny safidim-bahoaka ny valim-pifidianana nivoaka teto. Aminay hoy i Rina Randriamasinoro dia tsy zava-baovao ireny fanambarana izay nataon’ny CENI ireny, ary efa ela izahay no niteny sy nitaky, ka nametraka fitoriana teny anivon’ireo fitsarana mahefa tamin’izany. Nitaky ny hivoahan’ny fahamarinana hatrany, nitolona, saingy tsy nisy nihaino.

Ny mahagaga anefa ankehitriny dia tsy ny Vahoaka, na ny antoko TIM no nanao ireny fanambarana ireny, fa ny tomponandraikitra mihitsy.

Fanontaniana mipetraka dia ny hoe, fa naninona efa vita ny fifidianana nifandimby rehetra izay vao nivoaka ny fahamarinana? Iza no nanana tombontsoa tamin’ny fitazonana izany fahamarinana izany? Manana zo hahalala ny marina ny vahoaka satria fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ny tsy fahamarinan’ny fifidianana. Ary hamafisiko hoy Rina Randriamasinoro, fa tsy hisy firenena handroso izany eto raha mbola manjaka ny tsy fahamarinana eto Madagasikara .