FANAOVAN-GAZETY – N° 1000 androany ny gazetinao Ny Valosoa Vaovao

Raha tsiahivina ny tantara dia nisy ny herisetra nihàtra tamin’ny asa fampahalalam-baovao tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, izay notarihan’i Andry Rajoelina: nodorana sy norobaina ny Radiompirenena sy nyTelevizionampirenena ary ny Radio sy Televiziona Mbs, nogadraina ireo mpanao gazety sahy nijoro tamin’ny fahamarinana toy ireo tao amin’ny Radio Mada sy ny Radio Fahazavana ary norobaina ihany koa ny fitaovan’ireo onjampeo ireo, ka lasa hatramin’ny” moto ”nampiasain’ny mpanao gazety. Nangina tsy nisy niteny ireo fikambananan’ny mpanao gazety marobe, singanina amin’izany ny “AJRP na Association des Journalistes des Radios Privées”, kanefa dia mpanao gazety avy amin’ny radio tsy miankina no nogadraina, tsy nihetsika koa ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy, kanefa dia nisy vehivavy nampidirin’ny fitondrana tetezamita am-ponja.

Noho ireo antony ireo dia nijoro ireo mpanao gazety izay tsorina avy hatrany fa mpanao gazety zanak’i Dada: mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana sy manaja ny ara-dalàna, nikasa nanangana fikambanana hiaro ireo namana tany am-ponja, dia nifanaraka fa hanorina ny fikambanana “VALOSOA” izay halavaina amin’ny hoe Ny VAovao LOharanon’ny SOAtoavina”, saingy nony nivoaka ny fonja ireo namana nogadraina tsy an-drariny dia nifanaraka ireo mpanao gazety vonon-kijoro ireo, fa gazety an-tsoratra no natao fa tsy niroso tamin’ilay fikambanana, ka ny anarana “VALOSOA” no notazonina ho anaran’ilay gazety, ka ireo namana tsy nigadra sy ireo tany am-ponja no niara-nanoratra, sady ireo voafonja koa tsy an’asa vao nivoaka an’Antanimora , ary ny Depiote Zafilahy Stanislas no nanampy teo amin’ny fiaingana.

Vao nanomboka kely ny gazety dia sendra fahasahiranana satria voasambotra ny Depiote Zafilahy dia niato kely aloha ny gazety, taorian’ny nivoahan’ny fonja vao niverina indray. Maro ny olana nosedraina toy ny fatiantoka teo ampanombohana, nisy ireo mpivarotra nandà tsy nandoa ny vidin-gazety, ankoatran’ny varotra tany ivelan’Antananarivo izay nisian’ny mpanararaotra, voalamin’ny mpitantana ihany anefa izany rehetra izany, nisy ihany koa tamin’izay fotoana izay ny fanampiana nataon’ny depiote teo aloha Guy Rivo Randrianarisoa. Ny olana nitranga dia tsy natao nahakivy satria ny antom-pisian’ny ”VALOSOA“ dia gazety nokendrena ivoizana hevitra fa tsy natao ho fitadiavan-karena, ary ny tena mampazoto ny mpitantana sy ireo mpanoratra hatramin’izao dia mitombo ny filan’ny mpamaky ahazo ny gazety, na eto Antananarivo sy ny manodidina, na manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny gazety vita printy an-taratasy, ary amin’ny alalan’ny teknôlôjia vaovao ho an’ny ivelan’i Madagasikara. Isaky ny mivoaka ny gazety, dia misy ny akon’izany any ivelany rehetra any, toy ny any Amerika sy any Etazonia, ny any Eoropa, hatrany Azia any, sy ny maro hafa,…
Ankoatra izany, nisy ihany koa ny rahomainty nolalovan’ny “VALOSOA” dia ny fahafatesan’ireo namana mpiara-miasa toy ny Talen’ny Famoahana Zo Rasoanaivo, ny mpizara gazety mahafatrapo teto an-drenivohitra dia i Papa izany, ary ny mpitsinjara gazety tany Vatomandry faritra Atsinanana dia i Edwige.

Mazava ny lalankevitra nijoroan’ny “VALOSOA”, na “NY VALOSOA VAOVAO” ankehitriny, fa miady sy mijoro hatrany manohitra ny fanonganam-panjakana, sy ny mpanongampanjakana, manohitra ny tsy fahamarinana ary ny fakana fahefana amin’ny alalan’ny hosoka.

Koa amin’ny laharana arivo manaraka eo, manome toky ny mpamaky sy ny vahoaka Malagasy rehetra izahay, fa mbola hijoro ary tsy handefitra mihitsy, fa vao mainka aza ho vonona hanentana ny mpiray firenena sy ho sahy hanome lanja hatrany ny fahamarinana, satria izany no soatoavina mifameno ary tsy afa-misaraka amin’ny fampahalalam-baovao.

Ny Valosoa