Ny Gazety Valosoa

Faha-arivo ny laharana eny an-tananao androany
Ry mpamaky sy sakaizan’ny gazety valosoa.
Fifaliana lehibe ny fahatrarana an’izany,
Koa isaorana ianareo, isaorana tokoa tokoa.

Be dia be ny fitsapana teny an-dalana nizorana.
Tao ny rivotra mahery sy hafanana nahatorana.
Saingy ireny tsy nampihemotra ireo mpilanja ny fanilo,
Fa niroso i Helisoa, tsy nanan-tahotra Isambilo.

Dia nanampy ihany koa, vao mainka tsy nihafihafy
Na ry Zoky Tsiavalona na ny namana Radafy.
Ny hampisandratra ny marina, izay no tena nimasoany,
Ka na inom-pisedrana, tsy nivena ny finoany.

Dia nijoro ihany koa na tsy niseho niharihary
Ilay sakaiza iray “mpanontsana”, tsy iza fa Rajaonary.
Tsy nitsitsitsitsy teny fa nahitsy sy tsy niolaka,
Ka dia nisy tezitezitra noho ny “lakileny folaka”!

Be ny namana eto an-toerana sy mpanohana any ampita,
Ry Beharo sy Soh’son, Naina, Aly sy ry Lita.
Na toa miparitaka aza dia mitovy ny fijeriny,
Hany ka tsy mahagaga raha mafonjabe ny heriny !

Ry gazety valosoa sy ny mpamiliny mavitrika,
Mijoroa hatrany hatrany f’aoka tsy hisitritsitrika.
Eny, raiso indray ny penina, manorata f’aza miahotra,
‘Ndeha borahy, lazao ny marina, ary aoka tsy hatahotra.

SEDERA RAVALISON (06-01-2020)