EDITO 12 Desambra – 9 taona ny Repoblika faha-4 – 9 taona koa no nisian’ny fifidianana kitoatoa teto

Ny Valosoa

Taorian’ny fanonganampanjaka niseho ny volana Martsa 2009, dia nisy ireo fifampiresahana nandaminana ny firenena, tamin’ny alalan’ny fihaonana teo ambany fitarihan’ny fianakaviambe iraisampirenena, tany amin’ireo renivohi-pirenena afrikana sy teto an-toerana, natrehin’ireo ankolafy notarihan’ireo Filoha 3 voafidimbahoaka ara-dalàna: Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana,  sy ilay filoha nanandratena , mpanongam-panjakana Andry Rajoelina, nandamoka anefa izany satria niziriziry tsy nanatanteraka ny Satan’i Maputo Ingahy mpanongampanjakana.

Ny vahaolana naroson’Ingahy filoha dia ny fampanaovana fitsapan-kevibahoaka nananganana ny Repoblika faha-4, norafetina ny lalampanorenana natao hifanaraka amin’izay nahamety azy, ka novaina hoe 35 taona ny fe-taona nahafahana mirotsaka ho fidiana filohampirenena, ny 17 Novambra 2010 no notanterahina ny fitsapan-kevibahoaka, tsiahivina fa tamin’io andro io no nihetsika ireo manamboninahitra nanohitra an-dRajoelina teny amin’ny Bani Ivato, izay niafara tamin’ny fampidirana amponja an’ireo Jeneraly sy manamboninahitra ambony maro, izay sahy nijoro, nisy tamin’ireo manamboninahitra ireo avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, nisy ireo niara-nanongampanjakana tamin-dRajoelina koa.

Ilay fitsapan-kevibahoaka dia natao ihany, io no fifidianana kitoatoa voalohany teto amintsika nampiasana voalohany ny biletà tokana, tsizarizary ny lisi-pifidianana, kara-pokontany dia efa nahafahana nifidy, fa ny tena nahatsikaiky, sambany no nisy fifidianana nahemotra ora roa ny fikatonan’ny birao fandatsahambato, ny filohan’ny Ceni amin’izao fotoana izao no filohan’ny Ceni tamin’izany, izay mampanao “eny” sy “tsia” ihany no nahazo nanao fampielezan-kevitra, fa tsy nahazo niteny izay nitaona ny vahoaka tsy hifidy, nisy mihitsy ny fisamborana sy fampidirana am-ponja an’ireo mpitarika avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana: Zafilahy sy Fetison tamin’izany, sy ny avy amin’ny Ankolafy Zafy: Edouard Tsarahame, izay sahy nijoro nanambara fa tsy misy lanjany ilay fitsapankevibahoaka.

Nandresy ny “eny”, ny 11 Desambra 2010 no napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny Repoblika faha-4, kanefa tsy maintsy nirosoana ny fampiharana ny tondrozotra izay nasolo ny Satan’i Maputo, ka voatendry ho Praiministra i Jean Omer Beriziky, io no fitondram-panjakana niara-nitondra tamin-dRajoelina namita ny fifidianana filohan’ny repoblika sy solombavambahoaka.

Nandritra ny 59 taona nambara fa niverenan’ny fahaleovantena dia Repoblika efatra no efa nisy ary ny iainantsika izao dia ilay fahaefatra. Mazava ny dikan’ny hoe repoblika fa fitondrana tsy entin’ny mpanjaka, fa olona voafidimbahoaka no mitondra, indrisy anefa fa tamin’ity repoblika iainantsika ity dia nahamenatra sy nampisitribelona, satria fifidianana feno hosoka hatrany no nisy teto amintsika, ary ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanàna farany teo, dia vao mainka nampisehon’ireo mpamotika firenena ny halozany, fa dia nibaribary ny hosoka tamin’ny alalan’ny fanosihosena ny lalàna, mazava fa tsy afa-miala amin’izany ny Ceni izay tsy iza no filohany fa ilay nikarakara ny fitsapankevibahoaka nampijoroana ny Repoblika faha-4.

Noho ireo voalaza rehetra ireo dia mila mijoro ny vahoaka malagasy miaro ny safidiny hanome lanja ny repoblika.