Antoko MTS – Manamafy ny tsy fanekeny ny voka-pifidianana feno hosoka

Fanaovana hosoka, azon'ny MTS sary tany Toamasina

Nangonin’i Stefa

Manoloana ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjy maika navoakan’ny rantsan’ny CENI isaky ny Faritany dia nanao fanambarana ny antoko MTS sy ny filohany Rolan Ratsiraka. Ny MTS dia manamafy ny tsy fanekeny ny valim-pifidianana feno hosoka, ka hiaro hatramin’ny farany ny safidin’ny vahoakan’i Toamasina.

Nandritra ny 20 taona, ny MTS dia nandray anjara hatrany tamin’ireo fifidianana, fa tsy hary nahita hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna tafahoatra miohatra tamin’ity fifidianana ben’ny tanàna, izay natao teto Toamasina ny 27 novambra 2019 lasa teo.

Ireto avy ireo hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna, varotra sy fividianana ny vatom-pifidianana azonay sy voatahiry, hoy ny fanambarana. Ireo hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna dia nanamarika ny fahombiazan’ny kandida iray sy nampisy fahadisoan’ny voka-pifidianana.

1- izahay dia manana porofo sy fijoroana vavolombelona, sary sy tahirin-tsary mihetsika maro momba ireo biletàm-pifidianana mivalona maromaro miaraka ho iray, izay alatsaka olona iray anaty vatam-pifidianana.

2- manana porofo koa , miaraka amin’ny fijoroana vavolombelona manamafy izany, milaza ny fisian’ireo biletam-pifidianana anaty vatam-pifidianana ireo, fa misy sonia tsy ara-dalàna. Voamarina sy hitanay izany tao anaty biraom-pifidianana telo anatin’ny 10.

3- manana porofo koa izahay ho an’ireo olona nifidy tamin’ny kara-pifidianana fotsiny, fa tsy nisy karapanondrom-pirenena.

4- fividianana vatom-pifidianana: manana fijoroana vavolombelon’ireo filoham-pokotany sy ireo mpikambana ao amin’ireo biraom-pifidianana, izay tsy vitsy no nilaza fa ny mandataire ny kandida iray dia nampikarama vola azy ireo, mba hampiasàna ireo kara-pifidianana tsy nalain’ny tompony eny amin’ny filoham-pokontany. Ireo kara-pifidianana ireo dia ampiasaina tsy misy karapanondro.

5- misy aminay koa ny fijoroana vavolombelon’ireo filoham-pokontany manamarina, fa nisy ny antso nataon’ny mandataire ny kandida iray tamin’ireo filoham-pokontany ary nokaramainy vola izy ireo hangala-batom-pifidianana, mba hampandresena ny kandida tohanany. Nampianarina azy ireo ny fomba atao momba ny fangalaram-bato amin’ny fomba maro:
-fifidianana tsy mitondra kara-pifidianana.
-fandatsahana vatom-pifidianana maro arotsaka indray mandeha anaty vatam-pifidianana.
-fanampiana na fanoratana isa iray alohan’ny tarehi-marika ny kandida tohanany ao anaty procès-verbal.
-maka sary ny bulletin ao anaty isoloir ho porofo ny fifidianana ny kandida iray ary omena vola izay mampiseho sary maneho izany raha vantany vao mivoaka avy mifidy.

6-misy porofo hafa koa izahay momba ny fanerena sy fambaboana ankolaka ny mpifidy, mba hifidy ny kandida. Fehiny hoy ny fanambarana:
– takianay ny fanisana ireo voka-pifidianana ao anaty biraom-pifidianana 31 izay misy ireo bulletin tsy manara-dalàna, ireo isan’ny voka-pifidianana tsy mazava loatra, miaraka amin’ny isan’ny sonia anaty registre ny fifidianana, ny fampitahana ny sonia ao anaty registre ny sonia roa (registre ny ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina)
– takianay ny fanafoanana ny voka-pifidianana rehetra azon’ny kandida anankiray.

Sary MTS: Fanaovana hosoka, azon’ny MTS sary tany Toamasina.