Fifidianana – Joël Ralaivaohita – Fanehoan-kevitra

Tsy isan’andro aho no manoratra lava be ka mba miangavy ho vakiana hatramin’ny farany, indrindra ho antsika « be politika ». Ninia tsy niresaka teto ny tenako nandritra ny telo volana teo ho eo nohon’ny fotoam-pifidianana natrehantsika rehetra. Tsy ankasitrahako loatra mantsy raha sanatria voatery nifanasa vangy teto amin’ny rindriko ireo namako manohana ny K13 sy ireo namako manohana ny K25 toa ahy, ary ireo namako milaza fa sady tsy 13 no tsy 25. Hoahy manokana tsy hiady amin’ireo namana nohon’ny firehana politika aho, satria ny fihavanana no nisy talohan’ny firehana politika.

Vita ilay fifidianana iny. Hafahafa toa sahafa ilay izy. Miarahaba ireo namako nivoaka « mpandresy » tamin’iny fifidianana iny aho, maro amin’izy ireo angamba no mbola makafoka izao. Mankahery kosa ireo namana niara-nanohana ny kandida Marc Ravalomanana, maro amin’izy ireo koa no mbola makafoka fa tsy nila « jus de papay ». Aoka tsy ho kivy, « never give up ».
Tsetsatsetsa tsy aritra ireto momba ny fifidianana, ary hevitro manokana :

1- Nanaiky ho resy ny kandida notohanako, nanamafy izany izy tamin’ny fanambaràna nataony ny 9 janoary 2019. Tsy fomba malagasy ny manenji-dresy, ny manao tsindrio fa lavo, fa mety sanatria hanody ny fanaovana izany. Raha nahatsikaritra isika, tadiavo ny sary, dia jereo fa nampifamatotra ny sandriny roa (nanao « croiser les bras ») ny kandida Marc Ravalomanana tany amin’ny faramparan’ny fotoam-pitsaràna tao amin’ny HCC. Tokony mahafantatra ny olona nandinika sy nandia fianarana fa amin’ny « langage gestuel » dia fanehoana fa tsy manana fikasàna hiady ary fanekena ny faharesena izany. Gaga anefa aho fa toa kabary nanenji-dresy no reko tany amin’ny faran’ny fotoam-pitsaràna. Averiko etoana fa tena tsy fomba malagasy izany.

2- Mendrika ny filoha « voafidy » noho io antony voalohany io ny 100 andro tsy hisy fanenjehana (état de grâce) na dia resy lahatra aza aho fa maro ny endrika hosoka tamin’iny fifidianana iny saingy tsy nasiana « considération » mihitsy.

3- Resy lahatra koa aho fa mbola tsy ampy amin’ny filoha « voafidy » ny « charisme » sy ny « capacité de leadership » ahafahana tena mampivondrona ireo mpiara-miasa aminy rehetra sy ny mpanara-dia azy ary ny Malagasy maro an’isa ka tokony ahafahany misarika ny firenena handeha amin’ny lalana ho any amin’ny tena fampandrosoana sy ny filaminana.

4- Noho io teboka faha-3 io dia tsy sanatria manao sidim-borotokana hilaza loza aho (oiseau de mauvais augure) fa ireto avy ny zavatra tsinjoko fa hitranga :

– Manomboka eo amin’ny fanendrena Praiministra dia hanomboka hifanaritaka ny mpiara-miasa sy ny mpiara-dia amin’ny filoha vaovao. Hipoitra eo ny « dissidents » voalohany, hipoitra ny « dissidents » manaraka mandritra ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Hitohy izany mandritra ny fampiharana ny politika tiana harahina, mandritra ny fanendrena ireo kandida ho Solombavam-bahoaka, ary hitohy tsy an-kijanona, ka tsy dia azo antoka loatra ny hisian’ny tena « stabilité politique ».

– Hitohy koa ny tsy fandriam-pahalemana, noho ireo antony etsy ambony ireo.

– Tsinjoko eto sahady fa hisy aminareo namako nanohana ny K13 no ho anisan’ireo « dissidents » voalohany, hisy ireo haharitra ela kokoa, saingy ho « tafapitsika » ihany avy eo ka dia hiara-dia ara-politika indray isika.

– Fehiny : Kely finoana aho fa ho tontosa noho izany ny IEM, saingy mankahery anareo namana hanatanteraka izany mba ho tombotsoan’ny firenena , na dia amin’ny ampahany ihany aza.

Mialoha ny farany, manipy teny kely ho an’ireo namana be fisalasalàna lava tamin’ny tokony hisafidianana mazava tamin’ireo kandida tafiakatra fiodinana faharoa aho, hoy Charles Maurras « La neutralité est un mensonge. Il n’y a point d’Etat, sans doctrine d’Etat ».

Farany tena farany, ataovy voankazo an’ala ny voasoratro rehetra. Mankasitraka.

LaChasse-info