00:30 > 11 Janoary 2019 – Guy Rivo Randrianarisoa

Guy Rivo Randrianarisoa

Marobe ireo lalana niarahana. Nampianatra ianao. Nanoro ianao. Nanitsy ianao. Nibedy ianao.

Azoko lazaina fa noho ianao no nampiova ahy hijery akaiky kokoa ny mpiarabelona. Noho ianao no nahatonga ahy hahay hanetry tena. Noho ianao no nahatonga ahy hanakaiky kokoa an’Andriamanitra.

Tia tanindrazana isika ka nanaiky ny didy nivoaka.

Olombelona isika ka mbola manantena fa tsy maintsy ho takatry ny maro anisa marina ny hevitra hentintsika.

Mbola hijoro eo akaikinao foana hiasa ho an’ny tanindrazana sy hanasoa ny vahoaka Malagasy.

Tsy mivadika isika fa mbola maro ny adidy sy andraikitra miandry ny TIM tarihinao Andriamatoa filoha Marc Ravalomanana.

Ny soatoavina Malagasy kosa dia andraikitra ny mirary soa ny filohan’ny repoblika lany tamin’ny fanambarana nataony HCC.