00:00 > 10 Janoary 2019 – Fanambarana – Eliane Bezaza

Eliane Bezaza – Fiarahabana ny Filoha Andry Rajoelina

Andriamatoa Filoha,

Miarahaba anao filoha Andry Rajoelina ny tenanay sy ny antoko PSD izay tarihinay nohon’ny fahalanianao amin’ny fomba ofisialy ho filohan’i Madagasikara sy ny malagasy.

Ny tenanay sy ny antoko PSD dia tsy nampandany anao ary anisan’ireo nitaky ny fahamarinana teo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nefa ankehitriny, satria ny Fitsarana Avo Momban’ny Làlam-panorenana no namoaka ny didy, dia amin’ny maha mpiandany ny demokrasia anay, amin’ny maha mpanaja ny Repoblika sy ny andrim-panjakana anay ary amin’ny maha mpitsinjo ny vahoaka anay, dia manaiky ny valim-pifidianana izahay.

Mazava ho azy fa mitoetra ato amin’ny fanoherana izahay. Tsy hanao fanoherana bontolo kosa anefa fa hanara-maso ny fiainam-pirenena sy ny fanatanterahana ireo velirano, ary tsy hangina raha misy ny tsy rariny. Koa miangavy anareo izahay mba hanome lanja ny demokrasia satria antoky ny fampandrosoana ny fahaizana mifampihaino.

Filohan’ny malagasy rehetra ianao ankehitriny, ka nohon’izany dia andraindrainay ny fitandrovanao ny firaisam-pirenena sy ny fihavanam-pirenena izay tandindomindoza. Mavesatra ny asa miandry anao, raha tsy hilaza afa-tsy ny ady amin’ny tsy fahandriampahalemana sy ny famaliana ireo fitakiana sendikaly isan-karazany. Koa mirary anao mba ho mpitari-bahoaka matsilo saina, mitsinjo ny tena ahasoa ny vahoaka izay tompoinao, ho ray aman-dreny mpanambatra, tsy hanavakavaka ny marefo, tsy hanilikilika ny mahantra ary hametraka ho ambony foana ny tombotsoan’ny malagasy isan’isany, n’aiza n’aiza faritra sy foko iaviany, n’inona na inona saranga ananany.

Zay no foto-kevitra hijoroanay Andriamatoa Filoha, koa raha izay no tanteraka dia hotazomin’ny tantaran’i Madagasikara ho filoha tena mamy, nanasoa sy nampandroso ny firenena ianao, ary izay no firariantsoa ataonay aminao ankatok’izao fandraisanao ny fitondrana amin’ity firenena iaraha-manana ity.

Ho ela velona ianao Andriamatoa Filoha,
Ho afaka amin’ny aizina anie ny vahoaka malagasy,
Ho ela velona anie Madagasikara.

Eliana Bezaza
Sekretera Nasionalin’ny Antoko PSD

(Source 24h Mada)