EDITO 6 Desambra – Andry Rajoelina – Miverina eto, rehefa avy nigalabona tamin’ny harembe tany an-dafy

Helisoa

Dimy taona: 2009-2013 ny kandida Rajoelina Andry  mpanongam-panjakàna no nitondra ny fanjakàna teto Madagasikara raha nanala tamin’ny alalan’ny herisetra teo amin’ny fitondràna ny   filohampirenena voafidimbahoaka Marc Ravalomanana tamin’izany. Tsy maintsy misy  fahataperana  anefa ny tetezamita dia niakatra teo amin’ny filondràna ny filoha Hery Rajaonarimampianinaizay notohanan’i Andry Rajoelina rehefa nisy ny fifidianana   nifanandrinan’izy sy Jean Louis  Robinson tamin’izany.

Vao niakatra teo amin’ny fitondràna ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny taona 2013 dia nisy ny disadisa niafara tamin’ny fisarahana teo amin’ireo niara-nisaika tamin’ny tetezamita dia i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina, satria lazain’ity mpanongam-panjakàna ity fa nitsipadoha laka nitana hono Hery Rajaonarimampinina, fa  tsy nanaraka ny lohany sy izay nifanarahan’izy ireo talohan’ny naha kandida ity farany. Vokany, lasa tany ampitandranomasina Rajoelina nandritra ny fotoana naha teo amin’ny fitondràna ny HVM, na tsy nisy nanenjika azy azy  teto Madagasikara, fa nilaozany  nigalabona tamin’ny harembe  azony tamin’ny fitondràna  tetezamita. Navelany teto antanindrazana ireo namany ary nangina tsy nahitanteny  ity farany nandritra izay fotoana  izay, ka na nisy aza ny fanenjehana ny namana akaiky   toa an’i Augustin Andriamananoro  nosamborina teny ampandevenana ny rafozany, Lanto Rakotomanga nitondra volabe tamin’ny baoritra nosemporina tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso tao anaty fiara nitondra azy ary ny kolonely senatera Lylison nifampitadiavana sy nogadraina rehefa nitarika olona hanao tanàna maty dia MOANA tanteraka i Andry Rajoelina.

Amin’izao fotoana, mbola fitahiny amin’ny fampanantenana poak’aty ny vahoaka Malagasy MIAMI, Paris , Bulding sns…. , jonoina amin’ny vary  sy menaka mora tsy mahavita taona ny vahoaka madinika. Fitiavana lehibe indrindra ny vahoaka Malagasy trotraky ny  fahantrana  napetrak’i Andry Rajoelina  tamin’ny fanonganam-panjakàna ve ny fandehanana mipetraka any Andafy na tsy nisy NOTAM azaNy filoha Marc Ravalomanana anefa MIFANOHITRA  tamin’izany ny nahazo azy. Noraràna tamin’ny alalan’ny NOTAM izy sy ny fianakaviany tsy hiditra  teto Madagasikara, fa raha vao  miverina izy dia GADRA no miandry azy. Tsy nahoan’i Dada anefa ny fampihorohoroana fa nataony ny fomba rehetra niverenany teto antanindrazana.

Mipetraka eto ny fanontaniana   tsy izany ve no tena fitiavana lehibe indrindra  ny tanindrazana  sy ny vahoaka Malagasy, fa tsy izay tonontononina eo amin’ny vava fotsiny ?