10:00 > Fanapotehana nataon-dRajoelina – Naseho ny vahoakan’Ilakaka ireo horonan-tsary momba izany

Anisan’ny mitarika ny fampielezan-kevitry ny K25, any amin’ny kaominina Ilakaka distrikan’Ihosy ny mpanao gazety, Fernand Cello. Araka ny vaovao nampitainy, nijery ireo K25 isaky ny fokontany no nataon’izy ireo omaly maraina sy ny tolakandro, ary tokony ho tamin’ny 7 ora hariva dia naseho ankalamanjana tamin´ny alalan´ny “Video Projecteur” ho hitan’ny vahoakanIlakaka ny zavanisy marina teto amin‘ny Firenena tamin’ny fanonganam-panjakana, fanapotehana firenena nataon’I Andry Rajoelina sy ny forongony ny 26 janoray 2009, ny 7 Febroary 2009,17 Martsa 2009,…

Fantatry ny vahoaka any an-toerana amin’izay araka izany ny fanapotehana, ny fandravana, ny fandorana,… ny firenena nataon’ny tarik’i Andry Rajoelina tamin’izany fotoana izany.

Ankoatra izany, noanterin’ny K25 Ilakaka ny hoe: “miasa mafy, miasa tsara.

Fidio Marc Ravalomanana , Kandida laharana faha 25 ny 19 desambra ho avy izao ».