EDITO 17 Novambra – Ho an’ny ekipan’i Andry Rajoelina, 2018 isika izao fa tsy 2009 intsony

Rina Rabemanjara

Fa inona ary ity ataon’ny sasany hoy ny fanontanian’ny maro. Nandritra ny fanombohan’ny famoahana ny valim-pifidianana dia tsy nitabataba ny sasany satria nahazo salan’isa ambony, tsy nanome tsiny ny Ceni. Rehefa niha-feno anefa ny vokatra voarain’izany Ceni izany dia niakatra ny feo teo amin’ny mpomba ny kandida iray izay fantatry ny maro tamin’ny tetezamita dia i Andry Rajoelina filohan’ny mpanongam-panjakana izany,  fa tsy mety hono ny fomba fiasan’ny Ceni, tsy azo antoka hono ny valim-pifidianana avoakan’ny Ceni, feno hosoka sy ny sisa… Dia hoy isika manao hoe: rehefa inona no mety ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni, dia rehefa inona no tsy mety?

Rehefa jerena amin’ny fomba mahitsy ny raharaha dia mitady hanao hitsin-dalana indray ny sasany ka mitady ny fomba hanaovana amboletra. Diso hevitra anefa izy ireo satria 2018 isika izao fa tsy 2009 intsony. Lazaina daholo ity atsanga tsy aman’orana rehetra ity ho entina manamarin-tena. Tsy izany tompoko ny fomba fanaovana Politika. Nandefitra hatrany ny mpomba ny kandida Marc Ravalomanana ary miezaka manaraka ny lalàna , fa ny sasany kosa efa zatra ny tany amin’ny 10 taona lasa.

Ny tokony ho fantatry ny maro dia tsy fotoanan’ny fanaovana be loha intsony amin’izao fotoana izao satria henjana ny kanota, indrindra ny sehatra iraisam-pirenena, izay efa miandry fotsiny izay manao fihetsika tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Raha toa izany ka hitrifana ny sasany dia karazan’ny mamato-tena ary mety ho vita hatreo ny ho avy politikany. Izay no marina, sa ahoana hoy ianao ?