35, 29%. Io no vokatra vonjimaika ho an’ny kandida Numero 25 Marc Ravalomanana

35, 29%. Io no vokatra vonjimaika ho an’ny kandida Numero 25 Marc Ravalomanana navoakan’ny Ceni Madagascar.

Isaorana isika vahoaka nametraka fitokisana tamin’i Dada.

Na maro be aza ny lesoka tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany tamin’ny 7 novambra lasa teo iny, dia ankasitrahana feno ny fitoniana sy ny fihetsika feno fahamendrehana nasehontsika vahoaka Malagasy. Indrindra tamin’ny fijoroana tamin’ny fiarovana ny safidintsika.

Dingana manaraka ny fiomanana amin’ny fihodinana faharoa ka dia alao hery ry vahoaka Malagasy tia fandrosoana.

Mpanangana isika fa tsy mpandrava.

Marc Ravalomanana