Hadihady – Tsy mahay  hafa-tsy kopi-kole i Andry Rajoelina

Helisoa

Mampiavaka ny filoha Marc Ravalomanana  ny toetra  natoraly  voajanahary tsotra sy mahitsy   eo amin’ny  fomba fiteny sy toetra, izay tsy mahamenatra azy na oviana na oviana na dia hanesoan’ny sasany aza izany indraindray. Mitady haka tahaka izay fomba fisainany izay ny sasany fa tsy afaka, satria hita hoe amboamboarina be ilay izy, tsy  toetra  voajanahary mantsy dia sarotra ihany ny hanaovana ilay hala-tahaka ( kopi-kole).

Fa  nandritra  ny  fampielezan-kevitra dia nisongadina tanteraka ny hala-tahaka nataon’ny  kandida mpifaninana tamin’i Dada, ny tariky ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina  no voalohany tamin’izany. Tsy ampy an’ity farany ny volabe sy ny fitaovana maro nafafiny  sy naparitany manerana an’i Madagasikara nangalàna ny fon’ny vahoaka mpifidy fa nanao kopi-kole izay nataon’ny kandida N°25 Marc Ravalomanana izy. Hita izany tamin’ny resaka  hoe “kandidan’ny Malagasy” Dada, dia avy koa Rajoelina niteny izany tamin’ny fitetezam-paritra nataony. Nangataka tolo-tanana tamin’ny vahoaka Malagasy mipetraka eto an-toerana sy ny any ivelany ny kandida Marc Ravalomanana hiatrehina ny fampielezan-kevitra dia naka tahaka izany indray Rajoelina mpanongam-panjakàna. Nisy ny programan’asa MANIFESTO dina 10 ifanaovan’i Dada amin’ny vahoaka Malagasy fa ho tanterahiny rehefa tonga eo amin’ny fitondràna izy. Nahita izany indray ny mpanao kopi-kole dia mba namoaka ny velirano 13 ifanaovany amin’ny vahoaka koa hono?   efa ho tapitra ny fampielezan-kevitra vao navoakany  io  fandaharan’asany io. Maro ny hala-tahaka nataon’i Andry Rajoelina hambaboana ny fon’ny mpifidy, fa tsy nandaitra tamin’ny vahoaka Malagasy izany, fantany ihany ny hametrahany ny fony sy tsy namitaka azy.

Ny  filoha Marc Ravalomanana efa nivoady fa ny hanokanany ny fiainany manontolo dia ho an’ny vahoaka Malagasy amin’ny andro sisa hiainany. Sarotra ny lalana nodiavina sy ny fangirifiriana nahazo azy sy ny fianakaviany nandritra ny 9 taona fa tsy nahoany izany fa aleony niverina teto Madagasikara. Na tsy nanana olana aza i Dada tany Afrika Atsimo nanaovany sesitany ny tenany dia niverina teto Madagasikara izy na fonja aza no niandry  azy teto, koa sahy manao KOPI-KOLE izany ve Rajoelina e? izany atao raha sahy ianao e!   Ka na nisy aza ny fanaratsiana natao taminy nandritra ny 9 taona dia tsy nampiova ny  fitiavan’ny vahoaka ny kandida N°25 izany, fa vao mainka naka ny toerany ny filoha Marc Ravalomanana na nolazain’ny mpanongam-panjakàna aza fa naloam-bahoaka. Porofo mivaingana amin’izany, nisy ny fanambaràna nataon’ny mpanaramason’ny fifidianana avy amin’ny vondrona Eoropeana fa tsy mba nanaparitaka volabe nividianana ny mpifidy toa  ny kandida sasany ny kandida N°25.

Fehiny, vahoaka resy lahatra tamin’i Dada sy tsy novidim-bola ary tsy voafitaky ny mpanao KOPI-KOLE ireo nifidy ny kandida N°25.