EDITO 30 Oktobra – Fidio Dada N°25 Hadisoana ny tsy mandeha mifidy

Radafy

Fifidianana tsy maintsy hirosoana fa io no manaraka ny lalampanorenana. Efa tsy nekena sy notoherina hatrany amin’ny taona 2009 ny tsy fanarahan-dalàna sy fikasan’ireo olom-bitsy hihoa-pefy. Mbola mitàna izay firehana izay hatrany ireo mpanohana ny filoha voafidim-bahoaka nohetraketrahana tamin’izany.

Fotoana iray lehibe eto amin’ny firenena ny figadonan’ny fotoana hanatanterahana fifidianana ho filoham-pirenena. Ny hita hatramin’izao dia samy manentana ireo olona iadidiany avy ireo fikambanana na sokajin’olona mba handeha hifidy handatsaka ny vatony ao anaty vata hametrahany ny safidiny. Tena adidy masina amin’ny firenena ny fandehanana mifidy, ary ny mpino kristiana eo anivon’ny fiangonan-dehibe iray ao anaty FFKM mihitsy dia nilaza, fa fahotana eo anatrehan’Andramanitra ny tsy fanehoan-kevitra momba ny fiainam-pirenena. Ireo kristiana rehetra eto amin’ny firenena izany dia tokony handeha hifidy avokoa, fa hadisoana ny tsy manao izany. Manahy tanteraka avokoa izy ireo na dia tsy hiteny mahitsy aza, fa misy amin’ireo kandidà no tena mifamatotra amin’ilay ratsy hanapotika ity firenena ity sy hampahory ny vahoaka eto amin’ny firenena na hivarotra ity firenena ity mihitsy aza. Asa izany raha mba fantatr’ireo vahoaka mirohotra any amin’ireo fampielezan-kevitra hamoriam-bahoaka ireo? Efa nampitandrina mafy ireo raiamandrenim-piangonana eo anivon’ny FFKM, ka anjaran’ny vahoaka Malagasy ny mahay misafidy mba tsy hanenenana aorina sy handritra ny 5 taona indray. Mandehana mifidy fa adidy masina ho an’ny tanindrazanao izany sy anjara birikinao ho amin’ny fananganana indray ity firenena niniana nopotehina sy noravana ity. Noho izany, hadisoana ny tsy mifidy ary raha hifidy dia ny kandidà laharana faha-25 Marc Ravalomanana no hofidiana, efa ela niandrasana azy ny rehetra nandritra izay 9 taona izay, ka tonga izao ilay fotoana.

Noverezina hasina ny firenena Malagasy, nisy izany, ohatra, tamin’ny nandroahan’ireo filoham-pirenena na filoham-panjakana mpikambana teo anivon’ny Firenena Mikambana ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry tamin’ny taona 2010, fa “sans qualité”. Fanalam-baraka azy sy ny vahoaka Malagasy ireny, ary izy aza tsy nifona akory tamin’ny vahoaka momba izany. Hamerina izany indray ny filoha Ravalomanana Marc amin’izao fotoana izao. Koa mahaiza mifidy ry vahoaka Malagasy fa hafa ihany ilay nahavita be teto amin’ny firenena tamin’ny lafiny rehetra na 7 taona ihany aza no nitondrany ny 2002 ka hatramin’ny 2009.