Andranomanelatra – Olona voakarama saika anakorontana ny orinasa Tiko

Lezama

Nahatsikaiky ny tranga niseho tany Andranomanelatra Antsirabe ny zoma lasa teo. Nisy olona notaomina tamin’ny fiara bus laharana faha-11 avy any Antsirabe mantsy nokaramaina 4.000 Ar isan’olona mba hitaky ny fanakatonana ny Orinasa Tiko Andranomanelatra, fa mambotry vahoaka hono, ary nitaky ny hamerenana ny tanin’izy ireo izay nambara ho nalain’ny filoha Ravalomanana Marc. Olona avy tany Antsirabe ireto notaterina ireto ary nofitahina fa hanao fampielezan-kevitra sy Carnaval ao Andranomanelatra no niantsoana azy ireo. Izany fikambanana TMH, manohana an’i Andry Rajoelina izany no tompo-marika tamin’ny hetsika satria olona avy ao no nitady ireo olona. Nisy tompon’andraikitra iray koa voarohirohy tamin’ity resaka ity izay nilaza fa tsy fantany ny nitadiavana ireo olona, fa nitady olona avy any an-toerana ho karamain’ireo olona TMH ireo, ka olona 22 avy ao Tsaravavaka no hitany, ka nalefany tany Andranomanelatra, saingy nambarany fa tsy fantany izay ilàn’ireo olona azy. Izy kosa dia nametrahan’ireo olona vola 120.000 Ariary ho karaman’ireo olona, izay samy manana 4.000 Ar avy. Rehefa vita ny asa dia niteny ireo olona fa vita ny natao ary dia tonga an-kitsimpo izy nanome ny vola tsy tamin’ahiahy na dia somary nihataka kely ny be sy ny maro ihany aza. Fandotoana sy fanaramana olona sisa herin’ny kandidà sasany fa tsy manana hevitra hafa intsony angamba!