EDITO 16 Oktobra – Izay namorona ny fandaharanasa voalohany ihany no tena izy

Sôh’son

Mihamitombo miandalana ny hafanana ara-politika raha somary nalefadefaka izany tany am-piandohana, miditra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fampielezankevitra izao. Niaraha-nahita izany, ohatra,  ny zava-nitranga teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Vao miditra amin’ny herinandro faharoa anefa isika ity, ary mbola haharitra hatramin’ny faha-5 volana Novambra amin’ny 12 ora alina izany. Tsy misy afaka haminavina izay ho avy ary tsy misy maniry ny ratsy koa fa mba hizotra tsara ny fampielezankevitra sy ny fifidianana. Ho an’ny mpandinika, dia misy ny mahazo tombontsoa amin’ny fikorontanana eto amin’ny firenena, matoa misy miketrika an’izany araka izay hambara sy feo mandeha etsy sy eroa; ary misy ihany koa anefa ny mahazo tombontsoa amin’ny fitoniana ary miezaka manao izay anjakanizany mandrakariva. Mila mandanjalanja tsara izany ny vahoaka Malagasy ary mandinika lalina satria azy ny firenena ary izy no tompon’ny fahefana izay ampindraminy ireo hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena eto. Misy ny mahay manao teny manodoka azy amin’izany na amin’ny fanambazana zavatra maro samihafa, kanefa izao indrindra no ilàna ny fahamatoran’ny vahoaka ara-politika. Be izay efa hitany izay, teo amin’ny lafiny fitantanana ny firenena, tato anatin’izay 10 taona farany izay. Raha indray mandeha no voafitaka, mety tsy nahy; raha indroa efa fanahy iniana, ary fahatelo efa hadalana, hoy ny mpandinika. Misy manao teny feno fihatsarambelatsihy ireo kandida, ary misy aza, hoy ny sasany, “mangalatra ny programan’ny kandida “  hafa. Dia izy no miseho nidehaka ho nanao ilay programa sy fandaharan’asa ao anaty fampielezan-keviny. Hafa ihany anefa, hoy ny mpandinika, ny “original”: loharano nipoiran’ireny programa ho entina manasoa ny vahoaka sy ny firenena ireny. Iray lehibe amin’izany programa izany, ohatra, ny MAP, ary fantatra tsara ny tompon’izany programa izany, fa ny filoha Ravalomanana Marc. Iray ao anatin’izany ny lalana, eo koa ny fampianarana sy ny fitsinjovana ny mpianatra, ny fanjakana tan-dalàna, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Misy hafa anefa miseho hanao izany sy nahavita izany, hono, ho an’ny efa teo amin’ny fitondrana. Iaraha-mahita anefa ny lalana vitany teo hatramin’izay. Ary mbola tohizana hatrany ihany koa ity fanaovana ronono an-tavy sy fampiesonana vahoaka ity. “Vary mora e”, “trano mora”; “ataoko mora ny vidin’ny menaka e”, “ ato anaty telo volana dia ho foana ny delestazy”; izao indray lazaina, fa “afaka roa taona dia hahaleotena ara-bary i Madagasikara”. Mety hahaleotena tokoa, fa amin’ny vidin’ny lafo, 3 arivo mahery ny kilao angambany, dia hojerem-potsiny tsy hisy hahavidy? Tsy ho mora manadino akory ny vahoaka ary efa manana ny safidiny izy na eo aza ny zavatra manodoka entina handrebirebena azy ao anatin’izao fotoanan’ny fampielezankevitra izao.