Fort Dauphin – Fampielezan-kevitra maloto no ataon’ny Mapar

Mangarahara

Fanaratsiana kandida mpifaninana, io no paika sy tetika ataon’ny Mapar sy ny forongony manao ny fampielezan-kevitra aty amin’ny faritra Anôsy. Saika fanaratsiana  ranoray no hita. Ny kandida heverina fa manelingelina no lasibatra amin’izany. Ny Kandida MarcRavalomanana no tena lasibatrizy ireoamin’izany. Ny ekipan’ny Mapar efa nampiofanina notezaina amin’izay fanaratsiana izay. Tsy vitan’ny hoe manompa ihany fa manao izay fomba hanapotehana ireo mpifaninana, mirary loza. Fihodinana voalohany hono dia vita, io no tsy afaka ambavanireto Zanaka Mapar ireto. Tsikaritra fa  raha ao anatin’ny filaminana no anaovana izany tsy maninona fa izy mitady hanakorontana no  ao an-tsaina aty; nyKandidan’ny antoko Tiako i Madagadasikara(TIM) no kendrena amin’izany na eo aza ireo mpifaninana hafa. Politika maloto. Tsy mbola afaka ao an-tsain’ny vahoaka malagasy ny rotaka nanimba zavatra maro ny taona 2009,taminny fitondrana tetezamitani Andry Rajoelina, dradradradrainy fa izy hono no hampandresy an’i Madagasikara. Efa mahafantatra ny zava-kobonin’Andry Rajoelina i Faradofay.  Fehiny fanitsakitsahana ny lalam-pifidianana no ataon’ireo Mapar ireto mandritra ny fampielezan-kevitra ary mandeha ny resaka fa tsy maintsy ataony izay hanakorontanana ny fifidianana.