EDITO 28 Aogositra – Tsy tokony havela hampijaly vahoaka ny mpitatitra

Sôh’son

Tsy misy intsony izay tompon’andraikitra azon’ny vahoaka ianteherana sy ilany vonjy amin’ny fijaliana ataon’ny mpitatitra azy.

Mba niova tompon’andraikitra ihany ny teo anivon’ny ATT izay misahana ny fitaterana an-tanety volana vitsivitsy izao kanefa toa ny teo ihany no teo amin’ny manjo ny vahoaka. Tsy misy zavatra miova ho amin’ny fihatsarana na kely aza miseho eo amin’ny kalitaon’ny servisy ataon’ireo mpitatitra ary vao mainka aza miha-ratsy hatrany ny hita. Ohatra iray amin’ny fampijaliana vahoaka tato ho ato izao ny ataon’ny fiara fitateram-bahoaka taxibe G ao anatin’ny kaoperativa KOFITAMA misahana ny zotra Cité itaosy sy Cnaps Ampefiloha. Vao maraina amin’ny 7 ora latsaka dia efa mametra ny diany ny taxibe amin’io kaoperativa io fa hatreo amin’ny fitohanana eo amin’ny fasan’ny karana no farany, izany hoe Cité Itaosy ka hatreo amin’ny fasan’ny karana na mbola tsy eo akory aza fa mbola aty aoriana vao misy fitohanana. Tsy izany ve no tena gaboraraka tanteraka ary manao izay tiany atao ny taxibe toy ny tsy misy kaoperativa miandraikitra azy? Ary saika isan’andro no manao izay tiany atao toy izany ny mpitatitra amin’io kaoperativa io na miainga eo amin’ny Cité Itaosy na avy any Ampefiloha. Tsy manao afa-tsy tapa-dalana kely kanefa ny saran-dalana tsy miova.

Ka avela hanao izay tiany atao toy izany ve ireo mpitatitra ireo? Izao indray dia mandrahona ny hitokona telo andro sy ny hampakatra saran-dalana ny sasany amin’izy ireo. Ireo anefa no tena mpanao izay ratsy kalitaona servisy izay. Toy ny tsy misy ny kaoperativa miandraikitra azy ireo na koa miray tsikombakomba ratsy amin’ireo mpitatitra tanteraka manao kopaka isasahana amin’ny fanararaotana ka mitazam-potsiny ny fampijaliana vahoaka. Toy ny tsy misy koa ny fanjakana fa kely endaka tsy mahafehy ny mpitatitra na koa miray tsikombakomba amin’ireo mpaninjara solika sy kaompanian-tsolika lehibe eto amintsika ka tsy mahavaha olana amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Toy ny tsy misy ilàna azy akory ny ATT izay miseho ho tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny mpitatitra kanefa tsy misy hafitsoka hatreto.

Efa tsy rariny intsony ny manjo ny vahoaka fa efa ela izay nijaliany amin’ny fitaterana izay. Efa ela izay nampijalian’ny taxibe azy izay. Mila olom-baovao mihitsy ny vahoaka ho tompon’andraikitra hisahana ity fitateram-bahoaka eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ity fa ny nisy hatramin’izay nandritry ny tetezamita sy ny fitondrana Rajaonarimampianina dia tsy nahavaha olona na kely aza. Ny volam-bahoaka fotsiny no lanin’ireo, fa ny asa tsy manjary.