25 aogositra 2018: manondro ny fandresen’ny kandidà N°25

Fifidianana filohan'ny repoblika malagasy - 7 novambra 2018 - Marc Ravalomanana, kandidà laharana 25

AndryTsiavalona

Mbola ampahany vitsy amin’ireo kandidà enina ambitelopolo ihany aloha hatramin’izao no mamory vahoaka satria tsy ampy herinandro no nivoahan’ny lisitra ofisialy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ka tsy mbola vonona amin’izany ny ankamaroany. Misy aza anefa efa herinandro vitsivitsy izao no efa nitety faritra tao anatin’ny fampielezankevitra mialohan’ny fotoana. Anisan’ireny, ankoatry ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery izay manararaotra fitokanana fotodrafitrasa, Rajoelina Andry izay toa tsy manazava ny votoatin’ilay « Initiative Emergence Madagascar » (IEM) fa mbola mihaino indray ny fitarainan’ny mponina any amin’ireny faritra nolalovany ireny, kanefa milaza fa efatra taona izay izy no nanao izany ary niainga tamin’izany, hono, ity « vina » hamoahana an’i Madagasikara amin’izao kizo izao. Tsiahivina anefa fa raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana notarihany tamin’ny 2009 sy ny fandrobana sy fandorana orinasa namporisihany mersenera dia tsy ho toy izao ny toerana misy ny Firenena. Very asa ny olona amana hetsiny maro, lasa nody ireo tompona orinasa afaka haba. Toa mahavory olona maro ny fahitàna azy amin’ny haino aman-jery ary toa maty lolo araka ny fitenin’ny olona sasany. Sarotra ho an’ny mpiray firenena amanahetsiny anefa ny manadino ny loza niniana nampidirina taminy ka azo hinoana fa elanelam-bato ambonin’ny ho azon’ny nahongan-dRajoelina Andry izay harotsak’ireo mpifidy amanahetsiny ireo. Ankoatr’izany dia miezaka manampy kaominina sasany, Antsirabe ohatra, ka manamboatra làlana ao antapon-tanàna.
Ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampianina Hery, indray dia fitokanana fotodrafitrasa na fandraisana fitaovana moderina any amin’ny toeram-pitsaboana no hihazakazahany. Tsy misy afaka mitsabo tena amin’ireny toeram-pitsaboana ireny anefa ny valala tsy mandady harona satria vola be no saran’ny fitiliana amin’izy ireny. Tsy ho afaka ao an-tsain’ny ankamaroan’ny Malagasy koa ny fampanantenana poakaty nataony kanefa tsy nisy tanteraka hatramin’izao andro vitsivitsy mialohan’ny tsy maintsy hametrahany fialàna amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy satria kandidà ho filoham-pirenena izy. Ny vahoaka manatrika ireny hetsika ireny dia ny mpianatra no terena hivoaka ny sekoly ary ny mpiasam-panjakana no asaina manatevin-daharana.
Ny mpitondra fivavahana Apokalypsy, ny pasitera Mailhol, koa nahavory olona maro ary nisy tamin’ny mpanolotsainan’ny Praiministra teo aloha izay marihana fa anisan’ny nanakiana izao fitondrana Hvm izao dia manohana azy koa, ka efa manga koa izany ny lanitra ho an’ity Pasitera ity.
Ilay minisitry ny asa vaventy lasa minisitry ny fizahantany ary nesorina tamin’ny toerany ka anisan’ireo kandida dia tsy izy loatra no nahatongavan’ny olona maro teny Antsonjombe, na dia hita fa kingalahy amin’ny dihy aza izy, fa hijery ny sehon’ireo mpanakanto malaza eto amin’ny tanàna satria raha tsy misy ireny seho tsy misy vidim-pidirana ireny dia tsy afaka hijery ny maro tamin’ny olona tonga teny. Fa niavaka kosa ny an’ny kandidà Ravalomanana Marc tetsy Mahamasina ny sabotsy 25 Aogositra 2018 teo. Niala tamin’ny nahazatra satria tsy mba teo amin’ny lampihazo izy no nikabary fa nitety ireo lampihazo napetraka teny amin’ny renivohi-paritany enina tao anatin’ny saritanin’i Madagasikara nofaritana teo amin’ny kianja filalaovam-baolina. Niavaka ihany koa satria fantany avokoa ny toe-javatra manahirana sy mampitaraina ny vahoaka isam-paritra ka nanolotra vahaolana amin’izany izy. Soa fa efa nisy ireo onjampeo niira nanao miara-manonja sy ny fahitalavitra MBS nampita  mivantana nanandefa tamin’ny fandaharana manokana iny lanonana iny ka heverina fa mety hampiverina ao an-tsain’ny maro indray ny fahazavana kely efa hita mialohan’ny fanonganam-panjakana ka hampifoha ny fitiavan-tanindrazan’ny ankamaroan’ny Malagasy.