17:30 > ANTSO – Vono olona La Gastronomie by-pass

Miondrika manoloana ny vata mangatsiakan’izy roalahy mpiara miasa amiko, novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana teto amin’ny “La Gastronomie by pass” alina ny tenako, ary mankahery ny fianakaviana rehetra manamanjo.
Misaotra ny olona rehetra nifanampy andrakalina, misaotra manokana ny gendarmerie Andoharanofotsy sy ny polisy Tanjombato , ny Brigade Criminelle, ny Police Scientifique, sy ny manamboninahitra maro nifanotrona teny izay tonga dia nandray ny andraikiny avokoa.
Tena mba mangataka fiaraha-miasa amintsika rehetra. Izay mety manana vaovao momba izao vono olona mahatsiravina sy halatra izao tompoko. Nentin ireo jiolahy any ny DVR caméra, ny bouton panique G4S. Ka mba iangaviana izay mety mahita ireo zavatra ireo latsadatsaka eny mba hampilaza anay. Hisy valisoa lehibe homenay izay olona manome vaovao mety ahitana ny mpanao ratsy.
Misaotra mialoha tompoko.
Ity ny laharana ahafahana mifandray tsy tapaka : 032 07 350 26
Misaotra mialoha amin’ny mety ho fiaraha miasa tompoko.

MIONDRIKA MANOLOANA NY VATA MANGATSIAKAN IZY ROALAHY MPIARA MIASA AMIKO , NOVONOIN NY JIOLAHY TAMIN NY FOMBA FENO…

Publiée par Randrianaivo Ambinintsoa Arson Chefmbinina sur Lundi 27 août 2018