EDITO 14 Aogositra – Fifidianana : mandinika sy mandanjalanja ny Malagasy ka tsy ho voafitaka

Rina Rabemananjara

Raha ny fahitana ny raharaha amin’izao fotoana izao dia tena misy ve izany atao hoe: mpanao Politika niova fo izanyNy dahalo miova fo no nisy saingy anarana fotsiny no nipoapoaka nandritra ny andro vitsivitsy fa ny tena  fahamarinany tsy hita.

Rehefa tonga toy izao ny fifidianana dia toa lasa anjely daholo ny mpanao politika satria hitetika ny vaton’ny olona, rehefa tonga eo amin’ny fitondrana anefa ireny olona ireny dia modiany tsy fantatra ilay vahoaka nakana vato.

Fa ny tiana hambara dia tsy maintsy mandinika tsara ny rehetra satria izay mandrotsaka ny taratasim-pilatsahana dia samy toa raitra avokoa raha jerena ety ivelany, samy mahay miresaka, samy mampiasa mpanao gazety sy haino aman-jery sy ny sisa

Hatramin’izao ora anoratana izao ka hatramin’ny 21 Aogositra 2018 amin’ny 5 ora hariva, azo antoka fa tsy maintsy mbola hitombo. Mandritra izany dia mandinika ny Malagasy, mamakafaka ny Malagasy, misaina ny Malagasy, mandanjalanja ny Malagasy ka tsy ho voafitak’ireo akanga tsara soratra sy efa hita fa mpamotika firenena.

Fa ankoatra izay dia misy amin’ireo kandida no efa diso fantatra ny zavatra nataony teto amin’ny firenena ka ny fahafantarana izany dia manampy betsaka ny mpifidy amin’ny fanapahankevitra ho raisina rehefa mandatsa-bato, sa ahoana hoy ianao ?