Rugby – Amboaran’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Tontosa ny alahady teo tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ireo lalao ankatoky ny famaranana amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny ben’ny Tanàna eo amin’ny taranjam-panatanjahantena rugby teo amin’ny sokajy A sy sokajy B.

Ny nampalahelo tamin’izao lalao izao dia tsy tonga ny FTManjakaray nefa efa tena nanamafy izy ireo fa handray anjara tamin’izany lalao izany ny zoma lasa teo.

Izany no midika fa tena marary ny rugby Malagasy, voazarazaran’ny olana eo amin’ny federasioana na ny Malagasy Rugby sy ny Ligy.

Tanjon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) anefa amin’ny fanaovana izao fifaninanana iadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna izao dia ny hampivondrona koa ireo mpilalao baolina lavalava.

Na nisy aza izany indro kely izany, nizotra soa aman-tsara ny lalao ny alahady teo. Teo amin’ny lalao ankatoky ny famaranana sokajy A:

  • JSTAmbondrona nampiondrika ny FTAnjanahary tamin’ny isa 31 no ho 10;
  • Matadore-Anosipatrana nandresy ny FTAT Anosibe tamin’ny isa 41 no ho 17.

Hiatrika ny famaranana eo amin’ny sokajy A arak’izany ny 26 aogositra ho avy izao etsy Mahamasina ny JSTAmbondrona sy ny Matadore-Anosipatrana.

Eo amin’ny sokajy B:

  • ny TFMAnkasina nandavo ny TAM Anosibe tamin’ny isa 21 no ho 16,
  • Ny XV Family Manarintsoa tafakatra famaranana satria tsy tonga ny FTManjakaray.

Hiatrika ny famaranana sokajy B arak’izany ny alahady 26 aogositra ho avy izao: ny TFM Ankasina sy ny XV Family Manarintsoa.

Ny alahady 19 aogositra ho avy izao kosa ny lalao ankatoky ny famaranana amin’ireo ekipa avy amin’ny boaty na ireo orinasa.

Ny alahady 26 aogositra avokoa arak’izany ireo famaranana. Hisy koa amin’izany ny fidiana amboara ho an’ireo ekipa mpilalao baolina lavalava vehivavy.

Ny amboara ho zarain’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’io famaranana io dia tena ho an’ny ekipa mpandresy.