ANDRY RAJOELINA – Nibaribary ny fizarany vola tao Antsirabe

Lezama

Nampametram-panontaniana ny maro ny hetsika nataon’ny filohan’ny tetezamita teo aloha tao andrenivohitri Vakinankaratra ny sabotsy lasa teo.

Nahavory olona tokoa moa ny tenany raha nampahafantatra ny IEM izay hambabony ny fon’ny Malagasy. Roboka tokoa ny vahoakan’Antsirabe satria dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpitatitra tao Antsirabe, izay nanofàna ny fiara mpitatitra ka maimaimpoana ny fandehanan’ny Bus nankeo amin’ny Gara. Ankoatra izay dia efa notaterina teto ihany fa nisy ny fanambazana ireo sefo fokontany 60 mandrafitra an’Antsirabe mba hanomana olona 100 isam-pokontany hanotrona an-dRajoelina ka nanomboka tamin’ny 10 ora teo ka hatramin’ny 2 ora tolakandro no nitaterana ireo olona maimaimpoana. Tsy nahagaga araka izany raha toa ka nahavory vahoaka ny hetsika satria nisy rahateo ny fampisehoana maimaimpoana niarahana tamin’ny mpanakanto malaza toa an-dry Raboussa sy Jerry Marcos sy ry Bastà sy ny maro hafa.

Nialoha an’io  dia nisy ny fampanantenana ny fanorenana ilay fiangonana goavambe an’ny katolika ao Miaramasoandro-Vatofotsy, izay mahazaka olona hatrany amin’ny 3.000 any ho any raha vita ary mitetim-bidy hatrany amin’ny 2 miliara Ariary any ho any. Nampanantena araka izany ny filohan’ny Tetezamita teo aloha fa ho vitainy manontolo ity fiangonana katolika vao haorina ity ary noteneniny ireo mpitantana mba hanomboka izany faran’izay haingana fa izy no hiantoka manontolo io volabe io.

Io no mampametra-panontaniana ny maro amin’ny volabe ampiasain-dRajoelina amin’izao mialoha ny fifidianana izao, sa dia ho fampanantenana poak’aty sahady indray izany. Raha tombanana tsinona dia azo antoka fa tsy hahavory vahoaka izany ny tenany raha toa ka tsy nisy mpanankanto sy mpihira hitaomana olona fa raha olona 100 isam-pokontany izay notaominy niaraka tamin’ireo lehiben’ny fokontany izay nobaikon-dRazanakolona Paul dia tsy ahafeno velively ny kianjan’ny fahaleovantena akory. Araka ny vaovao voaray ihany koa dia nahazo 5000 Ar ny mpitarika posy, izy ireo izay nilaza fa raisinay ihany aloha ny volany fa adala tompo, efa fantatray ny hofidianay amin’ny 7 novambra izao hoy ireo mpitarika posy nomena vola ireo. Mibaribary arak’izany fa dia fafikatrana tokoa ny fizaram-bola nataon’ny filohan’ny mpanongam-panjakana tao Antsirabe ny sabotsy teo.

Ankoatra izay dia mampametra-panontaniana ny maro sy ny mpanara-baovao ihany koa ny fihetsiky ny fanjakana amin’izao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana izao satria toa mangina fotsiny ny mpitondra ka mahatonga ny maro hihevitra fa raikitra indray ny vazaha mody miady eo amin-dRajoelina sy Rajaonarimampianina ve? Andrasana ny tohin’ny fihetsiketsehana satria mbola vao Rajoelina aloha no mampidera vola aloha hatreto fa ho hita eo indray ny ataon’ny sasany. Ny tsikaritra dia efa hita sy tazana miparitaka eran’Antsirabe ihany koa ny sarin’ingahy Omer Beriziky, izay efa nisy nanambara fa kandidàn-dRajoelina mba hanaparitahana vato ihany koa ity Praminisitra azy teo aloha ity.