29 C
Antananarivo
Wed 25 Nov 2020 16:55

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
few clouds
29 ° C
29 °
29 °
30 %
5.1kmh
20 %
Wed
26 °
Thu
27 °
Fri
30 °
Sat
31 °
Sun
33 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

🔍AMBOVOMBE ANDROY: NY MAHAFINARITRA ALOHA VAO NY MAHASOA NY VAHOAKA.⁉️

✅Solom-bavan'ny vahoaka ve ity Siteny ity sa solom-bavan'ny mpitondra fanjakana ❓

✅Fa toa izay mahafinaritra ny mpitondra indray no tenteriny fa ny fahorian'ny mponina ao aminy tsy asiny resaka.

❌Fandatsana ireo olona tratran'ny KERE ny fananganana izany dobo filomanosana olympique sy gymnase lehibe indrindra aty afrika izany.

❌Mba mieritreritra sy nandinika ve ianareo mpitondra amin'ny fanganana io zavatra io ❓

❌Tena izany fotodrafitr'asa izany mihitsy ve no laharam-pahamehana ho an'ny mponina any amin'izany faritra izany❓

❌Tsara indrindra aty afrika ary Top 50 amin'ny dobo filomanosana tsara indrindra maneran-tany, kanefa ilay firenena faha telo mahantra indrindra manerana an'izao tontolo izao.

❌Ny gymnase any Mahajanga izay nopotehina teo aloha hatramin'izao tsy vita ny hafa enjehina ihany.

FB Malagasy Mijoro
www.facebook.com/845024309218015/posts/1227599510960491
... TohinyFintinina

18 ora lasa

🔍AMBOVOMBE ANDROY: NY MAHAFINARITRA ALOHA VAO NY MAHASOA NY VAHOAKA.⁉️

✅Solom-bavanny vahoaka ve ity Siteny ity sa solom-bavanny mpitondra fanjakana ❓

✅Fa toa izay mahafinaritra ny mpitondra indray no tenteriny fa ny fahorianny mponina ao aminy tsy asiny resaka. 

❌Fandatsana ireo olona tratranny KERE ny fananganana izany dobo filomanosana olympique sy gymnase lehibe indrindra aty afrika izany.

❌Mba mieritreritra sy nandinika ve ianareo mpitondra aminny fanganana io zavatra io ❓

❌Tena izany fotodrafitrasa izany mihitsy ve no laharam-pahamehana ho anny mponina any aminizany faritra izany❓ 

❌Tsara indrindra aty afrika ary Top 50 aminny dobo filomanosana tsara indrindra maneran-tany, kanefa ilay firenena faha telo mahantra indrindra manerana anizao tontolo izao.

❌Ny gymnase any Mahajanga izay nopotehina teo aloha  hatraminizao tsy vita ny hafa enjehina ihany.

FB Malagasy Mijoro
https://www.facebook.com/845024309218015/posts/1227599510960491

Comment on Facebook 1764140243706142_3520281228092026

Misy zavatra tena tsy mitombona mihitsy ny ataon’ity fitondrana ity.

Ataony aloha izay mahafinaritra fa efa haintsika hoe izay mahasoa ataon'Andriamanitra

Aiza ianao ry Vazahabe @ izao fako izao sa tianao ho fatin’ny pesta ny olona izay tsy matin’ny COVID-19? ... TohinyFintinina

20 ora lasa

Aiza ianao ry Vazahabe @ izao fako izao sa tianao ho fatin’ny pesta ny olona izay tsy matin’ny COVID-19?

Comment on Facebook Aiza ianao ry ...

Mbola miandry an' i Neny izy e

voretra ka.

Ministeran’ny serasera sy ORTM – Tsy mangarahara ny fitantanana

Ny Valosoa

Araka ny vaovao nampitaina mpiasa ao anivon’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny sersera, sy ny ORTM, na ny Ofisin’ny Radio sy ny Televiziona eto Madagasikara, izay mpiahy ny Radio Madagasikara (RNM) sy ny Televiziona Malagasy (TVM) ary ny fitaleavan’ny fotodrafitrasa teknika amin’ny haino aman-jerim-panjakana (DIT), tsy mangaraharaha ny fitantanana ao anivon’izy ireo.

Nandritra ny fitondran’ireo tale jeneraly nifandimby, tao amin’ny ORTM hoy ny fanambarana, nisy ny mangarahara tamin’ny fitantanana tao anivon’izany ofisy izany, misy hatrany ny tatitra sy ny fanaovana peta-drindrina ny vola miditra sy mivoaka isam-bolana nataon’ireo mpitantana, amin’izao fotoana, tsy misy intsony izany. Mba hahafahan’ireo mpitantana ao amin’ny ministera sy ny ao amin’ity ofisy ity mandidy dia homana, nofoanana ny Filankevi-pitantanana, na ny CA ny ORTM, nefa misy solontenan’ny mpiasa sy ny mpihaino ary ny mpijery ny radio sy ny televizionam-panjakana tao anivon’izany CA izany.

Raha ny fanazavana tamin’izany fotoana dia hoe niova ny rafi-pitantanana (organigramme) no nahatonga ny fandravana ny CA ny ORTM, nefa raha tena nalalinina hoy ireo mpiasa dia mba hahafahana mandidy dia homana no tena anton’ny fandravana, satria tokony hahazo ny fankatoavan’ny CA avokoa ny fanapahan-kevitra raisina. Ny zava-misy ihany koa, mijaly ireo mpiasa ankehitriny amin’ny fanatanterahana ny asany, efa mandidy dia homana ireo mpitantana nefa tsy ao ny fitantanany, fiara iray ihany no hany ampiasain’ny mpiasan’ny RNM sy ny TVM eo amin’ny fanatanterahana ny asan’izy ireo, hany ka sahirana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny amin’ny maha-haino aman-jerim-panjakana, na haino aman-jerim-bahoaka azy.

Araka ny voalazan’ireo mpiasa nampita vaovao, mbola misy ireo olana samy hafa ao anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina sy ny ORTM, fa havoakan’izy ireo amin’ny maha-mety azy avokoa izany rehetra izany.

(Sary: Ny tranoben’ny ORTM etsy Anosy)

www.gvalosoa.net/2020/11/24/ministeranny-serasera-sy-ortm-tsy-mangarahara-ny-fitantanana/
... TohinyFintinina

1 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2020/11/24/ministeranny-serasera-sy-ortm-tsy-mangarahara-ny-fitantanana/

Fikambanan’ny Zanaka Antagnala Miray – Any Vatovavy ihany no tokony hisy an’Ikongo sy Ifanadiana

Isambilo

Mbola resabe hatramin’izao ny hananganana ny faritra faha-23 eto amintsika, sy ny hamindrana ny distrikan’Ikongo hiaraka amin’ny faritra Fitovinany.

Nanao fanambarana ny FIZAMI, na ny Fikambanana Zanaka Antagnala Miray ny faran’ny herinandro teo, fa tokony ho any Vatovavy ihany no hisy an’Ikongo sy Ifanadiana. Araka ny fanambarana, aoka tsy ataonareo zavatra mahagaga raha ohatra, ka izao vao nanao fanambarana ny FIZAMI hoy izy ireo.

Araka io anarany io, ity fikambanana ity dia fikambanan’ny Zanaka Antagnala manontolo, izany hoe ny ao anatin’ny Distrika IKONGO sy IFANADIANA. Noho izany àry dia voatery tsy maintsy niandry fotoana malalaka tsara ho an’ny rehetra vao afaka nivory ny mpikambana, ka manao ny fanambarana manaraka izao : mbola mitazona ny hevitra tamin’ny Razanay izahay, fa Ikongo sy Ifanadiana dia tsy azo zaraina, ary tsy hanaiky hozaraina mihitsy na oviana na oviana. Izahay rehetra dia miara-manambara etoana, fa tsy ho any Fitovinany mihitsy, hoy ny filoha lefitry ny fikambanana, MANANTSARA Benoit.

www.gvalosoa.net/2020/11/24/fikambananny-zanaka-antagnala-miray-any-vatovavy-ihany-no-tokony-hisy...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/24/fikambananny-zanaka-antagnala-miray-any-vatovavy-ihany-no-tokony-hisy-anikongo-sy-ifanadiana/

Tsy vitan’ny CUA sy ny Samva ny adidiny – Voaravaka fako miavosa Antananarivo

Ny Valosoa

Tsy vitan’ny CUA: kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Samva mihitsy amin’izao fotoana ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra. Misy ihany ny fanalana izany fako miavosa izany ataon’izy ireo, saingy amin’ny faritra talakilaky maso ihany izany, fa any ambadika rehetra any dia tena voaravaka fako ny Renivohitra.

Araka ny fanehoan-kevitra olom-pirenena iray tsy nitonona anarana: natao ihany ny tsy hiteny hoy izy, fa vaky vava ihany amin’ny farany. Tena efa voaravaky ny fako ny Renivohitr’i Madagasikara Antananarivo hoy ny fanehoan-keviny. Fako etsy, fako eroa. Tsy laharam-pahamehana ve sa mbola tsy misy fiara sy solika hakàna azy ireo? Ny lalana be lavadavaka moa efa tsy lazaina intsony toy ny eny amin’ny 67ha, sy ny manodidina azy. Andrasana hisy accident na loza indray angamba vao asiana fanamboarana.

Mahamenatra ilay Renivohitra tokony ho fitaratra ny zava-misy, ka tena manalabaraka. Tsy misy mpitantanana ve sa ahoana? Ny tsapa aloha hatreto dia tena tsy vitan’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ekipany ny fitantanana an’Antananarivo, aiza tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nanao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ireo delegen’ny boriboritany miisa 6 tamin’izany sy ny ekipany raha izay resaka fandiovana izay, ny resaka fampandrosoana sy ny sosialin’ny mponina koa tsy ambanin-javatra tamin’izany.

(Sary Fako be miavosa etsy Ampefiloha Ambodirano)

www.facebook.com/100007558149800/posts/2667859170142662

www.gvalosoa.net/2020/11/24/tsy-vitanny-cua-sy-ny-samva-ny-adidiny-voaravaka-fako-miavosa-antanan...
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Tsy vitan’ny CUA sy ny Samva ny adidiny – Voaravaka fako miavosa Antananarivo

Ny Valosoa

Tsy vitan’ny CUA: kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Samva mihitsy amin’izao fotoana ny fanalana ny fako eto an-drenivohitra. Misy ihany ny fanalana izany fako miavosa izany ataon’izy ireo, saingy amin’ny faritra talakilaky maso ihany izany, fa any ambadika rehetra any dia tena voaravaka fako ny Renivohitra.

Araka ny fanehoan-kevitra olom-pirenena iray tsy nitonona anarana: natao ihany ny tsy hiteny hoy izy, fa vaky vava ihany amin’ny farany. Tena efa voaravaky ny fako ny Renivohitr’i Madagasikara Antananarivo hoy ny fanehoan-keviny. Fako etsy, fako eroa. Tsy laharam-pahamehana ve sa mbola tsy misy fiara sy solika hakàna azy ireo? Ny lalana be lavadavaka moa efa tsy lazaina intsony toy ny eny amin’ny 67ha, sy ny manodidina azy. Andrasana hisy accident na loza indray angamba vao asiana fanamboarana.

Mahamenatra ilay Renivohitra tokony ho fitaratra ny zava-misy, ka tena manalabaraka. Tsy misy mpitantanana ve sa ahoana? Ny tsapa aloha hatreto dia tena tsy vitan’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ekipany ny fitantanana an’Antananarivo, aiza tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nanao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ireo delegen’ny boriboritany miisa 6 tamin’izany sy ny ekipany raha izay resaka fandiovana izay, ny resaka fampandrosoana sy ny sosialin’ny mponina koa tsy ambanin-javatra tamin’izany.

(Sary  Fako be miavosa etsy Ampefiloha Ambodirano)

https://www.facebook.com/100007558149800/posts/2667859170142662

http://www.gvalosoa.net/2020/11/24/tsy-vitanny-cua-sy-ny-samva-ny-adidiny-voaravaka-fako-miavosa-antananarivo/

Matanjaka ny antoko TIM matoa

Samira Alida : zah mino fa mbola matajaka ny antoko Tim matoa atahorana andriamatoa Andry Nirina Rajoelina. Mba mahalalà menatra, fa filoham- pirenena zao lasa manenjika indray fa tsy enjehina!fa ahoana marina é!zah maka an’i Dada sy Rina hatramin’ny farany! Ho ela velona anie ny antoko Tim!

Pie Bavarde Pretty : ZANY MIHITSY, HO ELA VELONA ANIE NY TIM EEEE, sady Dada mbola ao tsara mihitsy, na efa manan-jafikely aza an, mbola vao mainka aza miha-tanora! bravo Dada !!bravo Rina! Bravo Tim!!!!

Sylv Mtsu : zah maka anareo foana ! Président national sy SG ny antoko TIM.

Tiana Ralaihaja : fa za mbola tsy niova, mbola TIM, mbol Dada foana!

Mitia Jenny : Tim anie matanjaka, fa niniana kosehina fa tsy mety voakosoka e. satria lehilahy mahery ilay lohany mpitarika azy e!

Marie Bernadette Raharisoa : TIM Forever, team dynamic !

Mamaline Nenifara : OK DADA hiany e! ok TIM ihany e!

Hanitra Randria : ok Dada ihany, Dada hatrany.

Harintsoa Annah : Dada ihany e, TIM ihany miaraka amin’ny RMDM koa!

Felaniaina Tantelisoa : aleo Dada ihany e !

Tinarivo Rafetraniaina : OK, TIM vonona haka fahefana miaraka amin’ny RMDM sy ny Vondrona Panorama ary ny mpanohitra hafa…

Norotiana Rakotobary : ok TIM forever, TIM foana foana e !

Didine Fine : le dada ka !

Clarisse Jean : tsika tsy miala @ Dada zany. Mbola vonona hiverina amin’ny fitondrana izy sy ny mpiara-dia aminy.

Hari'njaka Fana : tena latsaka an-katerena ny firenena, fa tsy mahalala ny mahasoa ny vahoaka ny mpitondra am zao, variana manao bizna Cvo nefa ny firenena mitontongana, tsy mahalala akory ahoana no hanarenana ny firenena fa variana am Building sy Tanamasoandro, nefa ny vahoaka tsy hisitraka an’ireny akory.

Andry Lalaina Randrianantoanina : ok mlay Dada sy Rina, mlay avoko nareo mpitarika rehetra e!

Velain Velo : OK Dada, roso ny dia.

Tahiry Andriamamonjy : zay Tim forever, TIM foana na voky na noana e !

Anthony Hanta : mazava be! Anakaramàna olona mintsy hanaratsy an-dRa8 isan'andro isan'andro vaky izao ato @ fb.

Marcel Randriamaromisaina : Dada foana, izy ihany no tena manana vina tena hanarenana haingana an’i Madagasikara.

Nicole Andriamarosoa : ny tahotra no b indrindra ho an-dRajoelina sy ny forongony.

Randrianatoandro Jean Claude : ny tahotra koa no tsy ahasahiany mitroatra.

Yvane Sanders Rabesandry : mbola henjana ny TIM eh, Dada koa mbola henjana... Efa manomboka misandratra amin’ny politika koa Rina: SG.

Barthelemy Ravoavison: tahotra ny TIM sy ny filoha Ravalomanana vokoa ny fanakatonana ny orinasa AAA, ny fandrodanana ny orinasa Tiko tany Toamasina, ny fikasana hanakatona ny haino aman-jery MBS eny Anosipatrana,…

Carl Tsisandaina: Ravalo sy ny TIM avao tena hitondra développement eto Madagasikara, hi-appliquer ny tena decentralisation effective. Tamin’ny fitondrany no efa nitsinjarana ny Province 6 ho 22 Régions.

Hassim Abdou: le pouvoir Rajoelina a peur du TIM, de l’opposition en générale. Matahotsy an-dRavalomanana Rajoelina, hita mibaribary amin’ny raha maro zany.

Juslain Raharimanantsoa: tsy ny fitiavana fa ny tahotra no lehibe indrindra, ho an-dRajoelina mpanongam-panjakana sy ny namany, mpanongam-panjakana izy ireo dia tena matahotra mafy koa ny haongan’ny olona.

Roberto Rasamy: tany Afrika Atsimo aza ny filoha Marc Ravalomanana natahoran-dRajoelina sy ny forongony fatratra, koa mainka fa izy eto an-tanindrazana izao. Tena mifori-drambo aminy mihitsy izao fitondrana misy izao.

Tongalaza Ratsitohaina: marina mihitsy izany, tena mifori-drambo amin’i Dada sy ny mpanohitra mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao.

Pascal Rasedisaona: tokony hivonona handray hatrany ny fitondrana ny TIM sy ny mpanohitra, fa hivadika tsy ho ela io rasa io.
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Matanjaka ny antoko TIM matoa 

Samira Alida : zah mino fa mbola matajaka ny antoko Tim matoa atahorana andriamatoa Andry Nirina Rajoelina. Mba mahalalà menatra, fa filoham- pirenena zao lasa manenjika indray fa tsy enjehina!fa ahoana marina é!zah maka an’i Dada sy Rina hatramin’ny farany! Ho ela velona anie ny antoko Tim!

Pie Bavarde Pretty : ZANY MIHITSY, HO ELA VELONA ANIE NY TIM EEEE, sady Dada mbola ao tsara mihitsy, na efa manan-jafikely aza an, mbola vao mainka aza miha-tanora! bravo Dada !!bravo Rina! Bravo Tim!!!!

Sylv Mtsu : zah maka anareo foana ! Président national sy SG ny antoko TIM.
 
Tiana Ralaihaja : fa za mbola tsy niova, mbola TIM, mbol Dada foana!
 
Mitia Jenny : Tim anie matanjaka, fa niniana kosehina fa tsy mety voakosoka e. satria lehilahy mahery ilay lohany mpitarika azy e!
 
Marie Bernadette Raharisoa : TIM Forever, team dynamic !
 
Mamaline Nenifara : OK DADA hiany e! ok TIM ihany e!
 
Hanitra Randria : ok Dada ihany, Dada hatrany.
 
Harintsoa Annah : Dada ihany e, TIM ihany miaraka amin’ny RMDM koa!
 
Felaniaina Tantelisoa : aleo Dada ihany e !

Tinarivo Rafetraniaina : OK, TIM vonona haka fahefana miaraka amin’ny RMDM sy ny Vondrona Panorama ary ny mpanohitra hafa…
 
Norotiana Rakotobary : ok TIM forever, TIM foana foana e !
 
Didine Fine : le dada ka !
 
Clarisse Jean : tsika tsy miala @ Dada zany. Mbola vonona hiverina amin’ny fitondrana izy sy ny mpiara-dia aminy.
 
Harinjaka Fana : tena latsaka an-katerena ny firenena, fa tsy mahalala ny mahasoa ny vahoaka ny mpitondra am zao, variana manao bizna Cvo nefa ny firenena mitontongana, tsy mahalala akory ahoana no hanarenana ny firenena fa variana am Building sy Tanamasoandro, nefa ny vahoaka tsy hisitraka an’ireny akory.
 
Andry Lalaina Randrianantoanina : ok mlay Dada sy Rina, mlay avoko nareo mpitarika rehetra e!
 
Velain Velo : OK Dada, roso ny dia.
 
Tahiry Andriamamonjy : zay Tim forever, TIM foana na voky na noana e !
 
Anthony Hanta : mazava be! Anakaramàna olona mintsy hanaratsy an-dRa8 isanandro isanandro vaky izao ato @ fb.
 
Marcel Randriamaromisaina : Dada foana, izy ihany no tena manana vina tena hanarenana haingana an’i Madagasikara.
 
Nicole Andriamarosoa : ny tahotra no b indrindra ho an-dRajoelina sy ny forongony.
 
Randrianatoandro Jean Claude : ny tahotra koa no tsy ahasahiany mitroatra.

Yvane Sanders Rabesandry : mbola henjana ny TIM eh, Dada koa mbola henjana... Efa manomboka misandratra amin’ny politika koa Rina: SG.

Barthelemy Ravoavison: tahotra ny TIM sy ny filoha Ravalomanana vokoa ny fanakatonana ny orinasa AAA, ny fandrodanana ny orinasa Tiko tany Toamasina, ny fikasana hanakatona ny haino aman-jery MBS eny Anosipatrana,…

Carl Tsisandaina: Ravalo sy ny TIM avao tena hitondra développement eto Madagasikara, hi-appliquer ny tena decentralisation effective. Tamin’ny fitondrany no efa nitsinjarana ny Province 6 ho 22 Régions.

Hassim Abdou: le pouvoir Rajoelina a peur du TIM, de l’opposition en générale. Matahotsy an-dRavalomanana Rajoelina, hita mibaribary amin’ny raha maro zany.

Juslain Raharimanantsoa: tsy ny fitiavana fa ny tahotra no lehibe indrindra, ho an-dRajoelina mpanongam-panjakana sy ny namany, mpanongam-panjakana izy ireo dia tena matahotra mafy koa ny haongan’ny olona.

Roberto Rasamy: tany Afrika Atsimo aza ny filoha Marc Ravalomanana natahoran-dRajoelina sy ny forongony fatratra, koa mainka fa izy eto an-tanindrazana izao. Tena mifori-drambo aminy mihitsy izao fitondrana misy izao.

Tongalaza Ratsitohaina: marina mihitsy izany, tena mifori-drambo amin’i Dada sy ny mpanohitra mihitsy izao fitondrana Rajoelina izao.

Pascal Rasedisaona: tokony hivonona handray hatrany ny fitondrana ny TIM sy ny mpanohitra, fa hivadika tsy ho ela io rasa io.

Comment on Facebook Matanjaka ny antoko ...

DADA IHANY NO MANANA VAHAOLANA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO . LEHILAHY MATAN-TSAINA ARY MANANA TRAIKEFA INDRINDRA MOA FA AO KOA RINA DIA TENA ATAHORAN- DREO TOKOA. HO ELA VELONA NY TIM.

Tim forever!!!

Efa komborona hatram ny ela ireo fa namono biby tsy nahafaty matahotra ny hifoterany rambony

IZAY MIHITSY NO TENA MARINA

View more comments

Filoha Marc Ravalomanana – Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha tany Soavinandriana

Helisoa

Taorian’ny tsy nisian’ny hamehana ara-pahasalamana intsony teto amin’ny firenena dia voalohany ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sady filohan’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara (RMDM), Marc Ravalomanana no nandeha nitety faritra ary nihaona mivantana tamin’ny tantsaha. Nomeny lanja manokana tamin’izany ireo tantsaha mpamboly, ka nitsidika ireto farany tany Soavinadriana, faritra Itasy ny tenany omaly.

Nofidiany manokana Soavinandriana, noho ny habetsahan’ireo tantsaha mivelona amin’ny fambolena amin’iny faritra iny. Ny tantsaha mantsy no anisan’ny nahatsiaro nangirifiry indrindra ihany koa tamin’ireny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena ireny. Ny mahagaga dia tsy nataon’ity fitondràna TGV ity ao anatin’ny laharam-pahamehany ny resaka fambolena sy fiompiana, fa any amin’ny zavatra hafa no mahamaika azy.

Toy izany no nitranga teny Ambohitrimanjaka. Soa ny mpamboly teny amin’iny lemaka iny fa nandà tamin’ny heriny rehetra ny hanotofana ny tanimbary teny an-toerana, izay efa ho 1000ha. Ny 80 % ny Malagasy dia mpamboly sy mpiompy avokoa, nefa lasa farahidiny eto amin’ny firenena ny fijeren’ny fitondrana azy ireo amin’izao fotoana.

www.gvalosoa.net/2020/11/24/filoha-marc-ravalomanana-nitafa-mivantana-taminireo-tantsaha-tany-soa...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/24/filoha-marc-ravalomanana-nitafa-mivantana-taminireo-tantsaha-tany-soavinandriana/

Tsy noraharahian’Antananarivo ilay mpanakanto vahiny nampandikaina lalàna

Ny Valosoa

Raha toa ka nahavory vahoaka tany Sambava sy Toamasina ary Mahajanga ilay mpihiravavy Afrikana tatsimo, mpihira ilay hira malaza amin’izao fotona: Jerusalema dia tsy izay no niseho teto Antananarivo, fa tsy tonga namaly ny antso ny zanak’Iarivo, fa dia navelany ho hitan’ny havany teo ity vahiny, iza moa ny havany lazaina eto fa tsy ny fitondrana nanafatra azy ihany.

Nampandikaina lalàna ilay mpanakanto, satria ny didy navoakan’ny fitondrana dia Nosy-Be no mahazo mandray vahiny, saingy ireo vahiny tonga ao dia tsy mahazo miditra aty amin’ny Tanibe, ampitan’ny Nosy Manitra. Tao Nosy-Be no niditra ireo mpihira vahiny, afaka nivoaka soa amantsara tao, sady nahazo alalana nanao fampisehoana namory vahoaka tao Sambava, dia mbola nihoatra faritany roa hafa dia i Toamasina sy Mahajanga ary farany dia tafanika an’Iarivo.

Nomena alalana hisehatra eto Antananarivo ny vahiny, raha toa ka tsy navela hanao ny mpanakanto teratany, kinanjo tsy araka ny noeritretin’ireo mpanafatra an’ity vahiny ity ny zava-nitranga, fa zara raha nisy nijery ilay vahiny, betsaka ny mety ho antony tsy nahatonga ny mpijery, ao aloha ny mbola fitandremana amin’ny aretina, kanefa dia tsy azo amaivanina koa ny hatezeram-bahoaka tamin’ny fanaovana tsinontsinona ny mpihira malagasy nataon’ny tompon’andraikitra eto amintsika, ka ny tsy fahatongavana mijery dia midika ho fanehoana ankitsirano ny tsy fankasitrahana ny mpitondra mampandika lalàna sy manambany ny mpanakanto mpiray tanindrazana. Tokony hahalala menatra ny mpitondra satria efa manao ny tsy fanao kanefa mbola aotra ny vokatra. Antony hafa koa, sahirana ny olona amin’izao fotoana, ka maro ny tsy te-handany vola tamin’ilay artista vahiny, fa naleo hanaovana zavatra hafa iatrehana ny fiainana sarotra ny vola eo am-pelatanana.

Fa raha hitafa momba ny koronaviriosy indray dia matoa misy ireo fepetra tanisaina, dia midika fa mbola tsy voafehy ny aretina, vao nisy iray namoy ny ainy, ary misy ireo olona vaovao mitondra ny tsimokaretina miisa 31. Ny azo lazaina dia mampisalasala ireo tarehimarika mivoaka momba ny aretina, satria ireo toerana nanaovana famoriambahoka toa vitsy no tratra, miohatra amin’ireo tanàna tsy nisy lanonana, raha mandray ohatra ny amin’ny faritanin’Antsiranana, ny tao amin’ny faritra Diana nisy maty iray ary mitondra ny otrikaretina 5, raha 1 monja no mitondra ny otrikaretina tao amin’ny faritra Sava nanaovana fampisehoana nampifanitsakitro ireo mpijery, ny faritra Analamanga nahitana olona 6 mitondra ny otrikaretina, 3 ny tao amin’ny faritra Antsinanana, fa tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony nahatratra 13 ireo mitondra ny otrikaretina, toa ohatry ny mampieritreritra ilay fisehoan-javatra, koa tsy aleo ve asiana fijerem-baolina ankalamanjana any Fianarantsoa na fampisehona goavana amin’izay dia mihena ny tarehimarika.

Fa raha hiverenana ny mikasika ilay fampisehoana teny Antsonjombe dia aleo tsorina fa fandavana tsotra izao ny mpitondra no dikan’ny kianja babangoana, tokony ho natao maimaimpoana koa ny lanonana dia nasiana fizarana t-shirt, sy mofo sy akondro ary fiara nitatitra bôjy, toy ireny nataon’ny mpitondra tamin’ny fampielezankevitra ireny. Diso kajy tanteraka ny fitondrana satria ny fanafarana mpanakanto vahiny dia noheverin’izy ireo hampitombo ny fitiavam-bahoaka, kanefa ny mifanohitra amin’izany no miseho.

Eto ampamaranana dia tsotra ny hafatra ampitaina amin’ny mpitondra, aleo mpanakanto vahiny hatrany no hafarana, satria ireny tsy mahazaka olona, ka azo antoka ny fanajana ny elanelana iray metatra. Ataovy anjorom-bala ihany ny artista Malagasy dia ho hitanareo ny ho vokany ry mpitondra mpanavakavaka a!

www.gvalosoa.net/2020/11/24/tsy-noraharahianantananarivo-ilay-mpanakanto-vahiny-nampandikaina-lal...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/24/tsy-noraharahianantananarivo-ilay-mpanakanto-vahiny-nampandikaina-lalana/

Comment on Facebook Tsy ...

Sendran'ny taolana izany ny vahiny.

Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. Raha mpitondra hendry dia mahatsapa an'izany.

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 24 Novambra 2020.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 24 Novambra 2020.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Mila fanohanana ny tantsaha. ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Mila fanohanana ny tantsaha.

Filazana hafanana mihoa-papana. ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Filazana hafanana mihoa-papana.

Nosazian’ny federasiona iraisampirenan’ny boalina kitra (FIFA) ny filohan’ny CAF, Ahmad Ahmad, izay nisahana ny baolina kitra afrikanina nanomboka tamin’ny marsa 2017.

Nivoaka ny didy fa tsy mahazo mandray anjara amina raharaha mikasika ny baolina kitra intsony i Ahmad Ahmad, na eo anivon’i Madagasikara, na eo anivon’ny sehatra iraisampirenena, mandritra ny dimy taona, ary voasazy handoa onitra mitentina 185.000 euros.

Ny vesatra niampangan’ny FIFA azy dia ny fanararaotany ny andraikitra notanany sy ny fitantanambola gaboraraka. Hivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny FIFA ny didy feno mikasika izao raharaha izao afaka 60 andro.

Araka izany dia rava teo ny tetik’i Ahmad Ahamd hilatsaka indray amin’ny fifidianana ho filohan’ny CAF amin’ny fe-potoana manaraka, izay manomboka amin’ny marsa 2021.

Ny Valosoa

www.letelegramme.fr/football/le-president-de-la-confederation-africaine-suspendu-5-ans-par-la-fif...
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Nosazian’ny federasiona iraisampirenan’ny boalina kitra (FIFA) ny filohan’ny CAF, Ahmad Ahmad, izay nisahana ny baolina kitra afrikanina nanomboka tamin’ny marsa 2017.

Nivoaka ny didy fa tsy mahazo mandray anjara amina raharaha mikasika ny baolina kitra intsony i Ahmad Ahmad, na eo anivon’i Madagasikara, na eo anivon’ny sehatra iraisampirenena, mandritra ny dimy taona, ary voasazy handoa onitra mitentina 185.000 euros.

Ny vesatra niampangan’ny FIFA azy dia ny fanararaotany ny andraikitra notanany sy ny fitantanambola gaboraraka. Hivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny FIFA ny didy feno mikasika izao raharaha izao afaka 60 andro.

Araka izany dia rava teo ny tetik’i Ahmad Ahamd hilatsaka indray amin’ny fifidianana ho filohan’ny CAF amin’ny fe-potoana manaraka, izay manomboka amin’ny marsa 2021.

Ny Valosoa

https://www.letelegramme.fr/football/le-president-de-la-confederation-africaine-suspendu-5-ans-par-la-fifa-23-11-2020-12660883.php

Comment on Facebook Nosazian’ny ...

Mety tsara. Sazio rehefa manao ny tsy mety.

Efa matavy kosa izy fa aleo mba ho an'ny sasany nd1 e!! Modia @zay fa maniry avobe loatra ny bozaka ao an-tanàna Amborovy ngamba zay!!

Mahatsara ny Barea ny maha filohan'ny CAF azy e

Ary manao herisetra ara-nofo koa ingahy an!... Mitodika any aminy ny mason’izao tontolo izao, ha, ha... financement d’un pèlerinage à La Mecque, accointances avec l’entreprise d’équipement sportif Tactical Steel et d’autres activités ... corruption - paiement de pots-de-vin à plusieurs dirigeants, usage personnel de fonds de la CAF - et de harcèlement sexuel à l’encontre de plusieurs salariées de la Confédération.

Akorinao zay!!!!!!!!Efa zatra nanao rapadango teto @ firenena loatra kah. Tsar ho anazy ny dubonnet hoy ny fitenenana

io nge oah ilay izy e!!vo miakatra kely le malagasy dia misy misitona miverina eee

Tsy Baraka afaka intsony ity fa Loha nahito marina (Loha tapaka)

Bravo

Gravy be zany raha tena marina a

Fa nieritreritra ary ve ngah rainy fa ôtran'ny fitantanana ny FMF ihany izy ty e

Alefa baria .....alefa ahmad ahmad......

Aty amitsika ny mason'izao tontolo izao

Tsara izany e

Mety efa tanana zatra nitsora taty dago zany de tsy afa nivonkina intsony an, raha tena marina

tena gravy indray izany a!

Zatra ny tsy maty manota ao Dago ao ka mandraky ny international no sahanina dia mitady hanohy ny tànana zatra mitsotra

Tanana zatra mitsotra e .zany no aleany ...manalabaraka ny Firenena

Malaza ratsy mihintsy ny gasy nohon afitsok ireto olona ireto

Rehefa manao ny tsy mety dia mendrika ny ho saziana.

Ye sazio

View more comments

TIKO - Vita Malagasy - Tsara sady mahasalama !

Azo jifaina ao amin’ny La Boutique Behoririka.

www.facebook.com/La-boutique-105154198068305/
... TohinyFintinina

3 andro lasa

TIKO - Vita Malagasy - Tsara sady mahasalama !

Azo jifaina ao amin’ny La Boutique Behoririka.

https://www.facebook.com/La-boutique-105154198068305/

Comment on Facebook 1764140243706142_3514488515337964

Misaotra fa izay vao hitako ilay boutique.

Aiza fa, mbola, misy ve any misaotr e

Efa misy indray angaha?

Hafa ihany ny vita Malagasy.... Tsara ery ❤️❤️❤️

Ny tiko anie misy foana e

Tsara sady miavaka

Efa mis nga le Jus d orange io

Vita Malagasy ihany ny anay.

View more comments

Fa iza marina ity ramatoa ity? ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Fa iza marina ity ramatoa ity?

Comment on Facebook 1764140243706142_3512169372236545

Hitsena mpihira vahiny ve no nifidianana anareo. Manambany tena mihitsy.

Rehefa tonga any Afrique du Sud i Tence na i Nadia dia tsenain ny governera?

Fa de olon iza loatra io olon io hira ray ve kkkkkkkkkkk

Olona voakarama hanary dia ireo mitady tsy hahatoky intsony ny fitondrana. Omena mahafinaritra kely aloha mba hanadinoana ny rehetra nampanantenaina tsy vita. Mora verezina dia loatra ny vahoaka hany ka hadinony ny mitaky ny mahasoa mendrika azy.

Mamangy Norbert dit Jack – Nidina ho 1 hetsy Ar ny vidin’ny lavanila tato anatin’ny 3 andro

Franck Razakambelo

Nidina ho 100.000 Ar isaky ny 1 Kilao ny vidin’ny lavanila any amin’ny Distrikan’i Sambava, faritra Sava tao anatin’ny 3 andro, raha toa ka 200.000 Ar izany teo aloha.

Nilaza ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert dit “Jack”, fa mijaly sy sahirana ny vahoakan’i Sambava amin’izao fotoana izao ary tokony hisy fepetra ho raisin’ny fitondram-panjakana amin’ny fampiakarana ny vidin’ny vokatra lavanila any an-toerana. Nanamafy ity Solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’ i Sambava ity, fa tsy misy resaka politika izao lakolosy fanairana ho an’ny fitondram-panjakana izao ary tsy misy resaka fanoherana ihany koa, fa filazana ny hetahetam-bahoaka any amin’ny faritra nahalany an’ireto olom-boafidy ireto: ao anatin’izany ireo mpamboly, ny mpamokatra, ny mpandraharaha ny vokatra lavanila.

Nilaza ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert, fa efa betsaka ireo dingana efa natao ho fanairana ny tompon’andraiki-panjakana, anisan’izany ny fihaonana amin’ny fahefana mpanatanteraka teny anivon’ny Antenimierampirenena, ny fihaonana tamin’ny Ministera mpiahy, ny fiakarana tamin’ny haino vaky jery, kanefa mbola tsy nahitam-bahaolana izany rehetra izany hatreto.

Mandroso vahaolana ity Solombavambahoaka voafidy tany amin’ny renivohitry ny faritra Sava ity, fa tokony ho foanana ny « Prix planché » mitentina 250 Dollar eo ami’ny tsenan’ny Lavanila eto Madagasikara, fa mampihemotra an’ireo Mpandraharaha vahiny hividy ny vokatra eto an-toerana izany ary mandrisika an’ireto farany hanjifa Lavanila any amin’ny firenen-kafa. Tokony homena sehatra koa ireo mpandrahara any amin’ireo distrika mpamokatra Lavanila, satria ireto farany no mahafantatra ny aty vilany mikasika an’ity sehatr’asa ity ary mampalahelo ny mahita an’ireo olona tsy mpanao Lavanila kanefa manao izay danin’ny kibony amin’ny fandraharahana an’ity vokatra ity. Miantso fifampidinihina an-databatra boribory ireo olom-boafidy sy ny mpandrahara ary ny fitondram-panjakana, mba hijery vahaolana hamahana malaky an’ity vidin’ny Lavanila ity.

Nanohy fanazavana ny Solombavambahoaka Mamangy Norbert, fa niezaka niantso an’ireo namana olom-boafidy any amin’ny tany mpamokatra Lavanila, mba hiara-hientana amin’izao fitakiana izao koa izy, kanefa tsy nisy nanohina ny antso.

Tsiahivina, fa fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fampielezan-kevitra ny fampikarana ny vidin’ny Lavanila ho 3 avo heny. Aiza anefa izany ankehitriny? Efa 1.400.000 Ar na 7.000.000 Fmg ny kilaon’ity vokatra ity tamin’ny taona 2018, nitontongana ho 100.000 Ar anefa izany amin’izao fotoana.

fb.watch/1WemLxj_CQ/

www.gvalosoa.net/2020/11/21/mamangy-norbert-dit-jack-nidina-ho-1-hetsy-ar-ny-vidinny-lavanila-tat...

https://fb.watch/1WemLxj_CQ/

http://www.gvalosoa.net/2020/11/21/mamangy-norbert-dit-jack-nidina-ho-1-hetsy-ar-ny-vidinny-lavanila-tato-anatinny-3-andro/

Comment on Facebook Mamangy Norbert dit ...

Tsisy resaka politika, tsisy fanoherana ny fanjakana ... fa mampahatsiahy fotsiny hoe tokony ho jerena satria tany @ tany mpamokatra lavanila no nahazoan’ity fitondrana ity vato be indrindra ka nahatonga azy ho @ io toerana io ... Ahoana re izany e? Ary ny depiote avy @ distrika hafa hono tsy mihetsika ... dia ahoana izany? manao politika ve? Atambaro ny hery ary aza milaza hoe tsy manao politika izany. Dia rehefa manaiky ny fitondrana dia ereto, ary rehefa tsy manaiky dia tohero fa aza manao sadasada manaitaitra fotsiny izany?

Fanakatonana sisintany – Mifanipaka be ihany ny fanapahan-kevitra misy

Fanakatonana ny sisintanin’i Madagasikara, mifanipaka be ihany amin’izao fotoana ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra.

Raha araka ny fanambarana navoakan’ny Ambasady Malagasy any Paris Frantsa omaly, miato hatrany ny sidina fampodiana (vols de rapatriement) sy ny fahazoan-dàlana miditra ny sisintanin’i Madagasikara hoa an’ ireo teratany Malagasy na vahiny, afa tsy ireo mpizahantany tonga ao Nosy-Be ary ireo mpizahantany tonga ao dia tokony tsy hahazo hivoaka an’ity distrika ity.

Ny mifanohitra amin’izany anefa no zava-misy momba ilay mpihira malaza avy atsy Afrika Atsimo, mihira ilay hira malaza hoe: “Jerusalem”, inona izany no sata azon’ity mpihira ity nahafahany nivoaka an’i Nosy-Be, ka nankany Sambava sy Toamasina ary mbola ho eto Antananarivo izy.

Tena misy fanapahan-kevitra tsy milamina mihitsy ao ambony ao, mila ny Bianco hanao fanadihadiana koa mahakasika izany, satria misy kolikoly avo lenta ao matoa ity mpihira Afrikana Tatsimo ity tafiditra aty amin’ny “Tanibe”, ivelan’i Nosy-Be.

Ankoatra izany, araka ny fanambarana nataon’ny Masoivoho Malagasy any Paris ihany, tsy misy fahazoan-dalana azo omena ho an’ireo Malagasy any ivelany ka te hody, sy ireo vahiny monina sy miasa eto amintsika ka te hiverina eto, na any Nosy-Be izany, na aty Antananarivo.

Ireo diplaomaty voatendry hiasa eto amintsika kosa dia voalaza, fa afaka miditra an’i Madagasikara hamonjy ny Masoivohony eto, izay toerana hiasany. Ireo olona maromaro nanaovana fanadihadiana mahakasika ity fanidiana, sy tsy fanidiana sisintany ataon’ny fitondrana Rajoelina ity dia samy nanambara avokoa fa tsy matotra mihitsy ny fitondrana misy ankehitriny.

www.gvalosoa.net/2020/11/21/fanakatonana-sisintany-mifanipaka-be-ihany-ny-fanapahan-kevitra-misy/

http://www.gvalosoa.net/2020/11/21/fanakatonana-sisintany-mifanipaka-be-ihany-ny-fanapahan-kevitra-misy/

Olan’ny rano amin’izao fotoana – Mandrora mitsilany Rajoelina sy ny forongony

Ny Valosoa

Mahakasika ny olan’ny rano amin’izao fotoana dia azo lazaina fa mandrora mitsilany ihany ny filoha Andry Rajoelina sy ny forongony, izay nanongam-panjakana tamin’ny taona 2009.

Talohan’ny taona 2008 nandritra ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, nahazo famatsiam-bola 47 tapitrisa Euros avy amin’ny Eoropeana isika teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny BEI, na ny Banky Eoropeana momba ny famatsiam-bola, tokony ho nanavaozana sy nanatsarana ny famatsian-drano teto Antananarivo sy ny manodidina. Noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 anefa, tapaka izany famatsiam-bola izany dia tsy vita izay tokony ho fanatsarana sy fanavaozana ny famatsian-drano teto an-drenivohitra sy ny manodidina izay. Efa saika nilamina io famatsian-drano io tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina saingy nosomparan-dRajoelina sy ny ekipany indray.

Ankoatra izany, isan-taona dia manao mise à jour schéma directeur, na manavao ny drafitra ny orinasa JIRAMA, anisan’izany ny planina amin’ny resaka rano, na ny planification d’équipement Eau, ny planificateur, na ny tompon’andraikitra ao amin’ny JIRAMA ny amin’ny: fanatsarana ny réseau de distribution na fitsinjarana, ny conduite lehibe na fitarihin-drano lehibe, ny fampitomboana ny production any vokatra rano, izany dia manaraka ny fitomboan’ny isan’ny mpanjifa sy izay grand projet, na tetikasa lehibe mety mila rano betsaka, sns… Ny taona 2008 no natolotra ny fanjakana io dossier io nitadiavana financement, ary io efa voalaza fa nahazo famatsiana tamin’ny BEI teo io. 10 taona na 11 taona aty aoriana, tsy mahagaga velively io olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina io. Mitombo hatrany ny filàna, ny tokony natsaraina folo taona lasa tsy vita, miampy sy miha-mavesatra ny olana sy ny vokadratsin’iny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina iny.

Nanampy trotraka koa ny fanidiana fantsona lehibe sasany ny taona 2018, nentina nanomezana endrika ratsy ny fitondrana HVM kinanjo… Rehefa nalefa na nosokafana anefa ilay fantsona dia nivoaka teny amin’ny “robinet” ny mpanjifa ny endrika ranompotaka satria rehefa tsy andefasana rano mandritra ny fotoana maharitra ireny fantsona lehibe ireny dia misy dépôt na colmaté ilay conduite lehibe. Iny no anisan’ny nitarika ny fisian’ny rano maloto sy ranompotaka nampisahotaka ny mpanjifa ireny.

Ny saika zava-doza tamin’ity resaka rano ity dia: saika notsoahan’ny mpanongam-panjakana tamin’izany tamin’ny Jirama ny rano. Ekena fa tokony ho an’ny kaominina ny rano fa ny Jirama kosa no misahana ny fitrandrahana izany na concessionaire. Satria hoy ny fitondrana tetezamita tamin’izany, tsy manam-bola anaovana fanitarana sy fanatsarana, ary fampitomboina ny vokatry ny Jirama dia aleo homena vahiny. Saika namidy tamin’ny Veolia na Compagnie Lyonnaise des Eaux ny ranon’ny Jirama Antananarivo. 32 tapitrisa Euros anefa no saika nandefasana azy. Ny fitadiavana vola saika nanaovana fanatsarana goavana nefa efa hita fa 47 tapitrisa Euros, sady be lavitra noho ny saika nivarotan’ny fitondrana tetezamita azy. Ka raha izay tokoa no tanteraka, mba vao mainka olana lavitra no ho ny misy hatramin’izao ity olan’ny rano ity, olana izay tsy mbola voavahan’ny fitondrana hatramin’izao, fa vahaolana peta-toko ihany no mbola misy, ny rehetra amin’izao fotoana dia efa lasa matsaka amin’ny lavadrano eto Antananarivo sy ny manodidina.

Fehiny: mbola mitoetra ny olan’ny rano satria fitondrana tsy mahay mijery lavitra no misy!

www.gvalosoa.net/2020/11/21/olanny-rano-aminizao-fotoana-mandrora-mitsilany-rajoelina-sy-ny-foron...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/21/olanny-rano-aminizao-fotoana-mandrora-mitsilany-rajoelina-sy-ny-forongony/

EISY E RY VOLOMBOASARY!

Mba mieritrereta ry volomboasary,
Satria efa tena ampangain’ny sary
Ireo olonareo, tsisy henatra intsony
Fa dia miady lava, mifanao lonjony!

Tsy menatra ny mifanala baraka.
Mifanasa vangy, mifamely daka.
Mba olom-boafidy, mba olom-boatendry
Nahita fianarana, saingy tsy hendry!

Mba lohany nefa tsy mety ho modely,
Fa dia miady lava tahaka ny angely.
Tsy vavy tsy lahy fa indreo mifamely.
(Tsy menatra ve ianareo ry boaikely ?)

Mba mieritrereta ianareo ao an-dapa,
Raha toa efa jamba ka tsy mahatsapa
Fa loko mandoza sy efa fanary,
Ity loko marevaka, volomboasary!

Tsy hoe tsy fitiavana na fanenjehana,
F’io ilay hoe “lokon’ny fanapotehana”.
Izay mba natsangany, ‘ndeha re tazano
Fa tena nampiditra loza sy angano!

DADAN’i ZINA (20-11-20)

www.gvalosoa.net/2020/11/21/eisy-e-ry-volomboasary/
... TohinyFintinina

4 andro lasa

EISY E RY VOLOMBOASARY!

Mba mieritrereta ry volomboasary,
Satria efa tena ampangain’ny sary
Ireo olonareo, tsisy henatra intsony
Fa dia miady lava, mifanao lonjony!

Tsy menatra ny mifanala baraka.
Mifanasa vangy, mifamely daka.
Mba olom-boafidy, mba olom-boatendry
Nahita fianarana, saingy tsy hendry!

Mba lohany nefa tsy mety ho modely,
Fa dia miady lava tahaka ny angely.
Tsy vavy tsy lahy fa indreo mifamely.
(Tsy menatra ve ianareo ry boaikely ?)

Mba mieritrereta ianareo ao an-dapa,
Raha toa efa jamba ka tsy mahatsapa
Fa loko mandoza sy efa fanary,
Ity loko marevaka, volomboasary!

Tsy hoe tsy fitiavana na fanenjehana,
F’io ilay hoe “lokon’ny fanapotehana”.
Izay mba natsangany, ‘ndeha re tazano
Fa tena nampiditra loza sy angano!

            DADAN’i ZINA (20-11-20)

http://www.gvalosoa.net/2020/11/21/eisy-e-ry-volomboasary/

Comment on Facebook EISY E RY ...

Misaotra dadan’i Zina. Tsara be!

Filoha Rajoelina, filoha manaonao foana indrindra nandritra izay 60 taona izay

Mahery Lanto Manandafy : Président manao ny tsy natao rehetra nandritry ny 60 taona:
- aza mamboly vary intsony ouzy fa mambole Artemisia.

- esorina daholo ny hetra amin’ny varimbazaha importé avy any ivelany.

Fa tena fanahiniana ve ilay izy sa tsy fahalalana e?

Fanapotehina ny tanindrazana anie izany e!

Aina Charlie : ndri !ontsa ny foko, reraka ialah mitady sujet lava eto! Krkrkr!

Mahery Lanto Manandafy: fampahafantarana, filazana, fanairana, ahasoa ny firenena izany, fa tsy fanoherana bontolo. Mahagaga fa isika Malagasy ihany matetika no mamela ny mpitondra antsika hanao izay tiany.

Christian Nathan : kanefa izy tsy loza manambana akory!krkrkr.

Stephan Willyad : za vao saika hanontany ilay artemezia io.

Myssa Nambinina : zay ary no mba takan'izy ireo ka akory atao!

Soniah Soniah : fa ny katsaka vokarina sady amidy eto an-tanindrazana zany sisa mandoa hetra?

Tojo Fetra : werawerologie nahavita 3eme cycle fa mangina tuuu.

Landrie Harroun : fanapotehina zany amiko. Mety tsy Malagasy ngamba izy. Mampalahelo.

Anna Anna : teny atsipy hoan’ny manan-tsaina ty e!

Jacquot Zarabe : fitiavantena !

Papy Raïssa Chen Chao : kozy an, teo ange io kozy io sa averina halefa NY kabary t@ izany vé, kkkkkkkkkkk!
Livarijaona Tafita Toussaints : sûr aloha fa décisions politiques ilay izy.

Livarijaona Tafita Toussaints : politique anti-economique. Aiza no misy an’izany eto an-tany? F'iza no tena mpampiasa katsaka eto , tsy ny mpanao provandy ? Teneno ahy hoe inona no ifandraisan'ilay mpanao provandy lehibe etsy Soavimasoandro sy ilay usine LMOI dia fantatrao ny valiny.

Manitra Zh Andria : ka rehefa mahazo volabe @ artemisia kosa anie dia afaka mihinana izay tiana e ,sady manafatra madrigal e, hihihiiiiii !

Lova Rabary-Rakotondravony : ny katsaka avy any ivelany ihany no any anaty projet hoe misy TVA ka. Nasiany TVA ny katsaka avy ato anatiny tamin'ny taon-dasa dia nitaraina sy nimenomenona ny mpandraharaha mpanodina katsaka sy mpampiasa katsaka satria niakatra ny vidin'ny provandy…

Lova Rabary-Rakotondravony : katsaka avy any ivelany misy OGM anefa.

Mahery Lanto Manandafy : tsy ny gap 13 milliards ihany anie no impacté amin'io fa ny vidiny miala any amin'ny tantsaha. Firy moa ny malagasy mamboly katsaka ? Sa tsy olona ireo ?

Lova Rabary-Rakotondravony : tsy azoko? Ianao miteny fa hofoanana ny TVA amin'ny katsaka hafarana. Dia mamaly aho fa ny katsaka vidiana eto an-toerana no tsy andoavana TVA intsony. Sa rehefa tsy misy TVA ny katsaka amidy eto an-toerana dia mihena ny vola miditra?
Rabemanambola Herisata : esorina ny TVA am katsaka avy any ivelany dia mi-concurrencer ny production locale, ôtrany mora kely le sary an...

Mi Hary Andr : misy ifandraisany amin’ilay hoe amin’ny taom-pambolena manaraka na atsy ho atsy isika dia ahaleo tena ara-bary ve?hihihiiiii!

Mahery Lanto Manandafy : atsy ho atsy izay efa tamin'ny 1980 no henoko. Horizon 2000 autosuffisance alimentaire isika ouzy Ratsiraka…

Raoelina Andry : izy no mahazo tombontsoa @io, fa tsy hoe tsy fahaizana, fa tsy raharahany ny impact an'io @ firenena.

Narindra Randrianarisoa : …le populisme à l’ etat pur no ataon-dRajoelina.

Zoky Andry Mampifaly : fanapotehana tantsaha. Famelomana vahiny.

Berger Randriamiandrisoa: mbola olana hafa koa na katsaka Ogm io, na mba misy contrôle.

Rakotoarisata Andriambololona : tsy fahalalana ka manjary manaonao foana tokoa ny fitondrana Rajoelina.

Vonitatamo Haingonirainy Razafindrakoto : efa kamo angamba izy hitondra fa ratsy lay ankamaroan’ny namany.

Aro Ratovonomenjanahary : na koa hoe andeha tsapaiko hatraiza ny faharetan'ireto vahoaka ireto dia manao fanahy iniana!

Randriamisaina Donacien : ô ry Malama a! manana bacc+24 ireo ka.
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Filoha Rajoelina, filoha manaonao foana indrindra nandritra izay 60 taona izay
 
Mahery Lanto Manandafy : Président manao ny tsy natao rehetra nandritry ny 60 taona:
- aza mamboly vary intsony ouzy fa mambole Artemisia.

- esorina daholo ny hetra amin’ny varimbazaha importé avy any ivelany.

Fa tena fanahiniana ve ilay izy sa tsy fahalalana e?

Fanapotehina ny tanindrazana anie izany e!

Aina Charlie : ndri !ontsa ny foko, reraka ialah mitady sujet lava eto! Krkrkr!

Mahery Lanto Manandafy: fampahafantarana, filazana, fanairana, ahasoa ny firenena izany, fa tsy fanoherana bontolo. Mahagaga fa isika Malagasy ihany matetika no mamela ny mpitondra antsika hanao izay tiany.

Christian Nathan : kanefa izy tsy loza manambana akory!krkrkr.

Stephan Willyad : za vao saika hanontany ilay artemezia io.

Myssa Nambinina : zay ary no mba takanizy ireo ka akory atao!

Soniah Soniah : fa ny katsaka vokarina sady amidy eto an-tanindrazana zany sisa mandoa hetra?

Tojo Fetra : werawerologie nahavita 3eme cycle fa mangina tuuu.

Landrie Harroun : fanapotehina zany amiko. Mety tsy Malagasy ngamba izy. Mampalahelo.

Anna Anna : teny atsipy hoan’ny manan-tsaina ty e!

Jacquot Zarabe : fitiavantena !

Papy Raïssa Chen Chao : kozy an, teo ange io kozy io sa averina halefa NY kabary t@ izany vé, kkkkkkkkkkk!
Livarijaona Tafita Toussaints : sûr aloha fa décisions politiques ilay izy.

Livarijaona Tafita Toussaints : politique anti-economique. Aiza no misy an’izany eto an-tany? Fiza no tena mpampiasa katsaka eto , tsy ny mpanao provandy ? Teneno ahy hoe inona no ifandraisanilay mpanao provandy lehibe etsy Soavimasoandro sy ilay usine LMOI dia fantatrao ny valiny.

Manitra Zh Andria : ka rehefa mahazo volabe @ artemisia kosa anie dia afaka mihinana izay tiana e ,sady manafatra madrigal e, hihihiiiiii !

Lova Rabary-Rakotondravony : ny katsaka avy any ivelany ihany no any anaty projet hoe misy TVA ka. Nasiany TVA ny katsaka avy ato anatiny taminny taon-dasa dia nitaraina sy nimenomenona ny mpandraharaha mpanodina katsaka sy mpampiasa katsaka satria niakatra ny vidinny provandy…

Lova Rabary-Rakotondravony : katsaka avy any ivelany misy OGM anefa.

Mahery Lanto Manandafy : tsy ny gap 13 milliards ihany anie no impacté aminio fa ny vidiny miala any aminny tantsaha. Firy moa ny malagasy mamboly katsaka ? Sa tsy olona ireo ?

Lova Rabary-Rakotondravony : tsy azoko? Ianao miteny fa hofoanana ny TVA aminny katsaka hafarana. Dia mamaly aho fa ny katsaka vidiana eto an-toerana no tsy andoavana TVA intsony. Sa rehefa tsy misy TVA ny katsaka amidy eto an-toerana dia mihena ny vola miditra?
Rabemanambola Herisata : esorina ny TVA am katsaka avy any ivelany dia mi-concurrencer ny production locale, ôtrany mora kely le sary an...

Mi Hary Andr : misy ifandraisany amin’ilay hoe amin’ny taom-pambolena manaraka na atsy ho atsy isika dia ahaleo tena ara-bary ve?hihihiiiii!

Mahery Lanto Manandafy : atsy ho atsy izay efa taminny 1980 no henoko. Horizon 2000 autosuffisance alimentaire isika ouzy Ratsiraka…

Raoelina Andry : izy no mahazo tombontsoa @io, fa tsy hoe tsy fahaizana, fa tsy raharahany ny impact anio @ firenena.

Narindra Randrianarisoa : …le populisme à l’ etat pur no ataon-dRajoelina.

Zoky Andry Mampifaly : fanapotehana tantsaha. Famelomana vahiny.

Berger Randriamiandrisoa: mbola olana hafa koa na katsaka Ogm io, na mba misy contrôle.

Rakotoarisata Andriambololona : tsy fahalalana ka manjary manaonao foana tokoa ny fitondrana Rajoelina.

Vonitatamo Haingonirainy Razafindrakoto : efa kamo angamba izy hitondra fa ratsy lay ankamaroan’ny namany.

Aro Ratovonomenjanahary : na koa hoe andeha tsapaiko hatraiza ny faharetanireto vahoaka ireto dia manao fanahy iniana!

Randriamisaina Donacien : ô ry Malama a! manana bacc+24 ireo ka.

Comment on Facebook Filoha Rajoelina, ...

Tsy mendrika ho filoha.

Vitany daholo izany izay vitan'ny teo aloha rehetra. Fiovana manarampenitra 😁😁😁😁kkk

Tokony hanomanana toerana ao Anjanamasina ilay boaikely fa tsy lasa intsony.

Fifidianana senatera peta-toko – Tsy fahita eran-tany ny Loholona miisa 18

Ny Valosoa

Ho tanterahina ny 11 Desambra 2020 ny fifidianana ireo “loholona”, mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona, iray amin’ireo fahefana mpanao lalàna. Efa mazava ny fanapahankevitra noraisin’ny Antoko Tiako i Madagasikara sy ireo antoko maro sahy mijoro ho mpanohitra, fa tsy mankasitraka ny fifidianana peta-toko, sady tsy handrotsaka olona ho fidiana ry zareo no tsy handeha hifidy ihany koa ireo olomboafidy lany tamin’ny anaran’ireo antoko manana hazondamosina ireo. Koa inona moa izany fa tsy raharahan’ny samy mpankasitraka ny fitondrana io fifidianana io.

Ingahy Filoha ankehitriny fony nifanatrika tamin’ny Filoha Ravalomanana nandritra ny fampielezankevitra tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa dia niedinedina ery nanambara fa ho ravany hono ny Antenimierandoholona raha izy no voafidy, kinanjo tsy tontosa izany satria ny lalàna dia tsy nahafahany nanao izany, hany faraheriny dia ny nampihena ho 18 ny isan’ireo “loholona”, ka ny 12 no ho fidiana, ny 6 izay iray isamparitany dia tendren’Ingahy Filoha.

Voan’ny heviny sady voafatotry ny lelany Ingahy Filoha, satria fatiantoka ho azy ny fihenan’ny “loholona”, raha ny isan’ireo ben’ireo tanàna sy ireo mpanolotsainan’ny tanàna handray anjara amin’ny fifidianana dia azo antoka fa hahazo ny maro an’isa ny antokon’ny fitondrana, kanefa efa nisy ny vava latsaka sady efa nankatoavin’ny Hcc ny isa 18 tsy azo ampitomboina intsony fa dia tsy maintsy miharitra amin’io.

Misy ny tranga tsy fahita erantany raha tsy eto Madagasikara, raha mandinika ny tarehimarika amin’ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana misy eto amintsika. 18 no isan’ny loholona, izay hanana filoha 1, filoha lefitra 1 isamparitany manome ny isa 6 izany, mpampaka teny 2 ary kestora 2, ny fitambaran’ireo amin’ny birao maharitra izany dia mahatratra 11, ny “loholona” tsotra tsy birao maharitra dia 7, izany hoe ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra dia betsaka noho ireo mpikambana tsotra, raha ampitahaina amin’ny andrimpanjakana hafa toy ny fahefana mpitsara na ny Hcc dia antsasaky ny isan’ireo “loholona” ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny Hcc izay 9, ireo “loholona” araka ny voalaza ao amin’ny lalampanorenana no miahy ny fampandrosoam-paritra, ny isan’ireo “loholona” anefa dia vitsy noho ny isan’ny faritra misy eto Madagasikara, izay 22 ary mety hiakatra 23, 2 isamparitany ireo “loholona” fidiana kanefa ny faritany iray dia ahitana faritra 3 farafahakeliny, ary raha ampitahaina amin’ny isan’ny solombavambahoaka, izay samy fahefana mpanao lalàna dia ”loholona” 1 ho an’ny solombavambahoaka 8 na 9, ny antom-pisian’ny fahefana mpanao lalàna 2 samihafa anefa dia ny isian’ny fifandanjankery sy ho arofanina amin’ny fanamparampahefana ataon’ny fahefana mpanantateraka. Ekena tsy azo ifandirana fa tokony ho vitsy noho ny isan’ny solombavambahoaka ny isan’ny “loholona”, fa raha mifanalavitra diso tafahoatra dia efa tsy izy intsony.

F’ity no tena mahatsikaiky, raha ampitahaina amin’ireo rafitra hafa ivelan’ny andrimpanjakana toy ny birao handrafitra ny Holafitry ny Mpanao gazety amin’ny endriny manaraka eo ny isan’ny “loholona” 18 dia tena tsy fahita erantany, satria ny holafitra hitsangana eo dia hisy filoha lefitra 1 isamparitra , 22 ny fitambarany, mpanolotsaina 1 isamparitra 22 ihany koa ny fitambaran’ireo , izay dia efa mahatratra 44, ny isan’ny mpanao gazety any amin’ny faritra sasany anefa zara raha misy 10 na 20.

Eto ampamaranana dia hamafisina fa ny antsoina hoe “loholona” any amin’ny fiangonana dia ireo diakona nahavita be teo amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra, ireo sokajin’olona mendrikaja natao hijoro raha misy ny tsy mandeha amin’ny laoniny, fa sanatria tsy natao ho fitaovana ho mpanamarina ny tsy mety, asa raha ho toy izany ireo ho “loholona” 18 , enga anie ka tsy ho rambon’olona.

www.gvalosoa.net/2020/11/21/fifidianana-senatera-peta-toko-tsy-fahita-eran-tany-ny-loholona-miisa...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/21/fifidianana-senatera-peta-toko-tsy-fahita-eran-tany-ny-loholona-miisa-18/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 21 Novambra 2020.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 21 Novambra 2020.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Angaha tsy voafehin’ny prezidà indray ny COVID-19? ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Angaha tsy voafehin’ny prezidà indray ny COVID-19?

Comment on Facebook Covid 19 Mihevitra ...

Atao inona fotsiny ity Pharmalagasy nanaovana oeraoera be. Angaha tsy efa hoe voafehy ny valanaretina ry boaikely?... Angaha tsy mahavita azy koa ny gélules CVO+?... sa bizina hanodinkodinana vola fanampiana indray?... tena olona alika mihitsy!

Mitady handatsa-dranomaso i jeneraly baomba!

“Hosakananay ny hetsiky ny mpanohitra” hono.

Hoy ny depiote Fetra Razafitsimialona:
“Asaivo porofoin’ny mpanatanteraka raha nanakorontana izahay, ary raha misy an’izany manome alalana azy hisambotra izahay. Ny zandary naka sary tsirairay ny fiara teny amin’ny hotely nitoeranay tany Antsirabe. Inona atahoranareo anay? Rehefa ianareo no tsy mahatanteraka ny zavatra nampanantenainareo sy manao zavatra tsy mety, dia tsy maintsy hiteny izahay”.

www.tiatanindrazana.mg/politique/jeneraly-ravalomanana-hosakananay-ny-hetsiky-ny-mpanohitra-46596...
... TohinyFintinina

5 andro lasa

Mitady handatsa-dranomaso i jeneraly baomba!

“Hosakananay ny hetsiky ny mpanohitra” hono.

Hoy ny depiote Fetra Razafitsimialona:
“Asaivo porofoin’ny mpanatanteraka raha nanakorontana izahay, ary raha misy an’izany manome alalana azy hisambotra izahay. Ny zandary naka sary tsirairay ny fiara teny amin’ny hotely nitoeranay tany Antsirabe. Inona atahoranareo anay? Rehefa ianareo no tsy mahatanteraka ny zavatra nampanantenainareo sy manao zavatra tsy mety, dia tsy maintsy hiteny izahay”.

https://www.tiatanindrazana.mg/politique/jeneraly-ravalomanana-hosakananay-ny-hetsiky-ny-mpanohitra-46596.php

Comment on Facebook Mitady ...

lasa mpanao politika ny foloalindahy! ary niha natavy jeneraly izany! "na Andriamanitra na ny vola", toa efa mazava ny safidy!

teny kely ho an'ry zalàh malagasy mitampiadiana, VONONA HAMONO malagasy tanampolo mananjo: "Voatomban'ny TOMPO tokoa ny olo-marina sy ny olon-dratsy ka HÀLANY ireto mpankamamy herisetra." SALAMO 11;5

Ary avela handeha soamantsara ny spectale eo @ Coliseum izay tsy ho olona 200fotsiny no hivorivory e. Vorivorimpampisehoana

Sakano fa tsy voatana nareo ny vahoaka raha agnano azy fa comme anareo efa zatra mamono olo io de efa tehitifitra dray nareo zao,aza provoquena ny olo avelao mazava tsara ny vahoaka fa Leo aminy jaly zahay,ary anao général mandry ve jery nao aminy alina namadika tanidrazana😡 tsssssss

Tantara mitohy

Ts tana tsony io f ef antenda ny rano

Aleo hanao eo koa

Efa ts afa miala tson refa niray petsapetsa e

View more comments

Fifanintsanana Can 2022.
17 novambra 2020. Ito hazavaina eto ho anareo zatra mpandika lalàna izay notarihin’ny prezidà ny atao hoe « match à huis clos ». Mila mifampitaiza sy mifanoro ny rehetra mba tsy hisian’ny fihemorana.
... TohinyFintinina

5 andro lasa

Fifanintsanana Can 2022. 
17 novambra 2020. Ito hazavaina eto ho anareo zatra mpandika lalàna izay notarihin’ny prezidà ny atao hoe « match à huis clos ». Mila mifampitaiza sy mifanoro ny rehetra mba tsy hisian’ny fihemorana.

NY MAHAMAIKA ANAY VAHOAKA

(Akon’izay niseho tao Arivonimamo)

Nanantena be ‘zahay fa hisy vatsy hozaraina,
Ka dia niomana aok’izany, velon-kira vao maraina.
Kanjo inona no teo, ny maso foana no nangaina,
Fa tsy tonga ilay nandrasana ka dia tena nody maina!

Tena mafy ny manjo, mavesatra ny tsy fisiana.
Tao anaty fihibohana, be ny ngidim-pahoriana,
Ka tsy dia ny ho eny an-kianja no hampisy fifaliana
Fa ny hahazo vatsy tohana, izay no tena faniriana .

Tsy hihaino izay kabary sy karazan-dahateny,
Izay mitory fidedahana araka ny re ombieny,
Fa ny hahazo vatsy tohana, sy ‘zay mety hoe habeny,
Izay ny anay fa raha kabary, efa mankaleo ireny!

… Izay ny anay no mahamaika raha antsoina ho eny an-kianja,
Fa tsy hoe hijery fiara Cadillac tena manja,
Na hihaino ny mpitondra hanao kabary tsara rindra.
Fa ho anay izao,vatsy tohana, izay no tena maika indrindra!

Tena noana anie ‘zahay fa tsy fitia te hitaraina!
Na ny paosy na ny nongo, ‘ndeha jereo fa tena maina.
Tsy mpitondra mihoerahoera, tsy izany izao no ilaina
Fa izay mety ho vatsy tohana mba ho tena tonin’ aina!

DADAN’i ZINA (17-11-20)

www.gvalosoa.net/2020/11/19/ny-mahamaika-anay-vahoaka/
... TohinyFintinina

6 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2020/11/19/ny-mahamaika-anay-vahoaka/

Filoha Ravalomanana – Tsy hangina ny mpanohitra satria sahirana ny vahoaka

Isambilo

Tsy hangina ny mpanohitra, satria tena sahirana ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sady filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), raha nanokatra ny fivorian’ireo vondron’ny olom-boafidy: ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny kaominina (Collectif des élus Maires et conseillers) amin’ny faritra Analamanga izy omaly, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM etsy Bel’Air Ampandrana.

Sahirana ny rehetra amin’izao fotoana hoy i Dada satria tsy misy filaminana politika eto amin’ny firenena, tsy misy ny firaisankinam-pirenena. Noho ireo antony ireo, miaina ao anaty tebiteby ny rehetra.

Nohazavainy nandritra izany fa ny antoko politika ny tanjony dia ny haka fahefana, hamerenana amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka izay mikorosy fahana ankehitriny. Tsy misy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ho an’ireo olom-boafidy TIM novoriana, nambarany fa mila manaraka fitsipiky ny antoko na discipline izy ireo, mila miray hina koa. Mahakasika ny fiainam-pirenena, jadona no iainana amin’izao fotoana. Ho arofanina ho an’ny mpitondra ny mpanohitra, fa tsy mila hiara-hitondra hiaraka aminy, efa mivonona amin’ny fifandimbiasam-pahefana ny mpanohitra izay tarihany hoy ny filoha Marc Ravalomanana.

Ankoatra izany, ampihàro eto amin’ny firenena hoy izy ny fahaiza-mitantana, atsaharo ny fampitahorana, ny kolikoly mahazo laka amin’izao fotoana. Tsinjarao tsara ny volam-panjakana, satria tokony hisitraka izany avokoa ny vahoaka tsy ankanavaka, fa tsy olona voafidifidy ihany.

Notsindriany fa maro an’isa ny ao amin’ny fanoherana amin’izao fotoana eto amin’ny firenena. Mahakasika ny fifidianana senateran’I Madagasikara kasaina hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao, tsy handray anjara amin’izany ny antoko TIM sy ny fanoherana satria tsy feno ny fepetra rehetra tokony hanatanterahana io fifidianana tsy mivantana io.

Nandray fitenenana tamin’izao fivoriana izao ihany koa ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, fampitam-baovao, fameloma-maso indray ny antoko, ary fampahatsiahivana ny fitsipika mifehy ny antoko ny anton’izao fivorian’ny collectif des élus Maires et conseillers izao hoy izy.

www.gvalosoa.net/2020/11/19/filoha-ravalomanana-tsy-hangina-ny-mpanohitra-satria-sahirana-ny-vaho...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/19/filoha-ravalomanana-tsy-hangina-ny-mpanohitra-satria-sahirana-ny-vahoaka/

Comment on Facebook 1764140243706142_3505211589598990

Misaotra dada a ho ambinina amin izay atao sy kasainao anie

Fiainam-pirenena – Mitady ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànany ny fitondrana

Andry Tsiavalona

Anisan’ny vaovao tena mahasarika ny vahoaka gasy tokoa tato anatin’ny roa andro, ny lalao baolina kitra nihaonan’ny Barea Madagasikara sy ny Elefanta avy atsy Côte d’Ivoire. Efa tsara rehefa nanao ady sahala ny roa tonta ary mitovy ny isan’izy ireo ao anatin’ny vondrona K misy azy. Raha ny tombana ataon’ny mpanaraka baolina kitra dia efa any Cameroun ny tongotra ilan’ny Barea. Tombatombana ihany izany fa sarotra ny mahafantatra ny havoaky ny hampitso. Tsy mbola afaka mirehareha araka izany ny gasy, fa ny ho avy no hahafantarana izay ho avy. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia hitondra inona eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny Malagasy eo amin’ny lafiny sy ny sehatra isa-tokony izany?

Raha fintinina dia tsy hampivoatra na inona na inona eto amin’ity Nosy ity ny resaka baolina kitra. Raha ny zava-nisy nandritra iny lalao iny dia tsy voahaja intsony ny fepetra napetraka iarovana amin’ny valanaretina, izay iaraha-mahalala fa nampikorosofahana ny fiainan’ny olona maro sy ny toekarena amin’ny ankapobeny.

Ny tena zava-doza dia ny ao amin’ny fitondrana mihitsy no mampianatra na manome modely ny vahoaka tsy hanaja izany fepetra izany. Nahaentana olona maro ihany koa ny hetsika nataon’ireo parlemantera tany Antsirabe tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tranga hatramin’izay dia tsy azo ekena ny mitarika olona midina eny an-dalàmbe, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga tany Antsirabe. Tsy navela niditra tao amin’ny Magro ny olompirenena liana tamin’ny tatitry ny fivorian’ny Antenimiera sy fampahafantarana ny zavatra iainan’ny firenena eo amin’ny sehatra rehetra. Nifanohitra tamin’ny tany Mahajanga ihany koa iny tranga iny, ka tsy fantatra intsony fa tsy mitovy ny lalàna mihàtra eo amin’ny Faritra samy hafa satria tsy navela namory vahoaka tao amin’ny Magro, satria tsy mifefy, koa ny parlemantera.

Amin’izao fotoana izao dia namoaka fanapahan-kevitra indray ny OMC nivory ny alatsinainy teo fa tsy azon’ny depiote lany tany amin’ny distrika iray ny mamory vahoaka na manao tatitra any amin’ny distrika hafa tsy nahavoafidy azy na dia mitondra ny anarana Solombavambahoakan’i Madagasikara aza izy ireo. Raha ny fijerin’ny fitondrana dia miteraka korontana izany fanaovana tatitra izany, indrindra amin’izao fotoana fanomanana ny fifidianana loholona izao. Iaraha-mahalala anefa fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanatanterahana izany fifidianana izany satria very zo ireo mpifidy vaventy any amin’ireo kaominina mbola tsy tanteraka ny fifidianana. Tsy mbola voafidy koa ny filohan’ny Faritra sy ny mpamolotsainam-paritra sy ny Faritany ary ny filankevitry ny Faritany.

Araka izany dia izay fanapahankevitra raisin’ny fitondrana izany dia mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana avokoa kanefa izao fitondrana izao no niketrika ny Lalàmpanorenana iainana amin’izao Repoblika IV izao.

Tongatonga ho azy teo amin’ny fitondrana izany ireo tomponandraikitra ireo, ka mitady ho kendan’ny vomanga nasesiky ny tànany ihany. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fampielezankeviny, fa ho foanany ny Antenimierandoholona fa mandany vola be. Ireo ao anatin’ny antokony ihany anefa amin’izao fotoana izao no mibosesika ho kandidà amin’ny fifidianana Loholona amin’ny volana desambra ho avy izao. Sahiran-tsaina daholo na ny politisiana na ny olompirenena tsotra satria fanovàna mizotra any amin’ny fikorisana mamotika firenena izao ataon’ny mpitondra izao. Mifanipaka toy ny valala an-karona sy mifanenjika ary mifankahala mihitsy aza anefa izy ireo amin’izao fotoana izao.

www.gvalosoa.net/2020/11/19/fiainam-pirenena-mitady-ho-kendanny-vomanga-nasesiky-ny-tanany-ny-fit...

http://www.gvalosoa.net/2020/11/19/fiainam-pirenena-mitady-ho-kendanny-vomanga-nasesiky-ny-tanany-ny-fitondrana/
Load more