20:30 > MBS – Fandaharana manokana – Vahinin’i Joël Ralaivaohita: Jean de la Croix Robson – Alarobia 13 Desambra

MBS – Vahinin’i Joël Ralaivaohita: Robson Jean de la Croix, mpampianatra oniversite mikasika ny sociologie, psychologie, anthropologie ary mpanao politika.

Notsingonina tao amin’ny fanfaharana:
– Taorian’ny 72 dia olona iray na roa no mametraka ny fitondrana
– “Raha mbola tianao ny ho tompon’ity Madagasikara ity, dia Ravalomanana no fidio”
– Tamin’ny 73, nofafàna ny décentralisation effective, ary Ravalomanana no hamerina izany araka ny voarakitra ao amin’ny Manifesto
– 1976 ka hatramin’ny 2002, nanjaka ny kolikolim-panjakana, ny fanjakana nikarakara ny vahoaka dia tsy nisy
– Taty aoriana dia nisy indray ny mpanao manala sy mametraka; Dada Ratsirahonana, izay tsy mifanaraka amin’ny eritreriny dia esoriny, ary afany
– Ny olona manohana ny n°13 dia olona mpanao kolikoly daholo, ary tarihan’i Dadabe Ratsirahonana izany
– Ny olona rehetra tia tanindrazana, madio fo, dia mitototra aty amin’ny K25, tsisy karama, tsisy volabe fa fitiavan-tanindrazana
– Ny arabo no mifanaraka amin’ny 13, tsy ny silamo fa ireo mipetraka ao Dubai ny ankabeazany, na ny Emirats mikambana, ireo mpaka fahefana amin’ny alalan’ny bizna
– Ravalomanana tsy manaiky fa tanam-bahiny no miditra amin’ny fifehezana ny haren’ny Malagasy
– Ny fanofanan’i Ravalomanana tamin’ny alalan’ny formation en cascade dia nampitombo ny kalitaon’ny fahaizan’ny mpampianatra eran’i Madagasikara; milaza fa tsy mpanavakavaka Ravalomanana
– Nisy fomba amin’ny mpiara-miasa tamin’i Ravalomanana somary nanahirana fa izaho tena nalahelo hoe nesorina teo amin’ny fitondrana izy nefa zavatra tsara be no nataony
– misy senatera izao nankany Belo sur Tsiribihana vao androany, ary nilaza hoe ataonay mahamay nareo raha tsy mifidy anay, fa izay tsy maintsy ho lany; izay ilay kolikoly politika
– asan-dahalo io vita amin’ny fampidirana ny service national io; samy zanaka malagasy daholo ireo; naripaka ny olona amanjatony fa tsy nahafoana azy; fananarana zy no atao miaraka amin’ny fanjakana sy ny ray amandreny
– 12.500 fmg isambolana no karamana miaramila zaza vao; izany ve no entina hanafoanana ny asan-dahalo
– olon-dehibe Ravalomanana, matotra, mivavaka ary manaiky mifandray amin’ny olona rehetra; mangataka ireo tsy nifidy handeha hifidy, ary hidy an’i Ravalomanana