LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
FJKM Analakely (26.03.2023) – Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana
Ny Valosoa
Tontosa tetsy FJKM Analakely ny alahady 26 martsa lasa teo ny fotoam-pivavahana iraisampinoana hanamarihana ny faha-76 taona ho fahatsiarovana ny tolom-pahafahana tamin’ny taona 1947.
Ny lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity dia “Tolo-pahafahana, firaisankina ho an’ny Tanindrazana”.
Raha nandray fitenenana ny filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa dia izao no hafatra nampitainy:
“L’histoire nous apprend que nous n’avons rien appris de l’histoire”. Mba tsy ho marina re izany fa ny tantara tsarovintsika anie hanova ny tantara ankehitriny".
Nanamafy ny FFKM fa handray anjara mavitrika amin’ny fananganana ny andrimason’ny FFKM indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
www.youtube.com/live/ejMJG7-N2yM?t=378
www.gvalosoa.net/2023/03/28/fjkm-analakely-26-03-2023-fotoam-pivavahana-iraisam-pinoana-notarihin... ... TohinyFintinina
52 minitra lasa
- Likes: 3
- Shares: 1
- Comments: 0
Fifidianana 2023 – Vata fandatsahambato « volomboasary » – Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ‘nareo ?
Ny Valosoa
Nandritra ny fivoriana nanasan’ny CENI ireo mpanao politika, fiarahamonimpirenena, masoivoho, fikambanana, governemanta teny Alarobia (Novotel) ny alakamisy 24 martsa dia nisy zavatra nanintona manokana ny mason’ny avy amin’ny mpanohitra. Nitatitra izany ny filoha lefitry ny RMDM, Edouard Tsarahame, nandritra ny fifampiharahabana tratry ny taona teny Ambatolampy Ambohimanarina ny ampitsony.
Nahatsikaritra izy ireo fa misy famantarana manokana na “logo” ampiasain’ny CENI amin’ny vata fandatsahambato na ny “urne”, sarina voninkazo miloko volomboasary. Tsy vitan’izay ihany fa ny valopy izay alatsaka anaty vata fandatsahambato dia miloko volomboasary koa. Kanefa tsy tokony hisy mihitsy izany endrika hahitana taratra lokon’antoko izany amin’ny fananam-panjakana, ary indrindra moa amin’izany fitaovam-pifidianana izany.
“Ô ry CENI ô, handeha ho aiza ity ’nareo ary atao inona ity firenena ity?”, hoy izy.
Ary rehefa nanontaniana ry ’zareo CENI izay milaza fa mahaleo tena sy tsy mitanila, hoe inona no mahatonga ity loko volomboasary ity dia izao no navaliny: « doré » hono no nampidirina tao amin’ny ordinateur dia « orange » no nivoaka!
Hafahafa ihany an! Dia azo saintsainina sahady izany fa rehefa ho avy ny fifidianana dia ho hafa ny voka-pifidiana ampidirina anaty “ordinateur” ary rehefa mivaoka avy ao ny tarehimarika dia mivadika biby.
Hoy i Edouard Tsarahame: “Dieny izao izahay dia mampitandrina, ny vato no azonareo aodinkodina fa ny safidinay dia tsy azon’na iza na iza aodinkodina!”
(Rohy FB)
m.facebook.com/story.php?story_fbid=1433585117405638&id=100022624896995
www.gvalosoa.net/2023/03/27/fifidianana-2023-vata-fandatsahambato-volomboasary-o-ry-ceni-o-handeh... ... TohinyFintinina
12 ora lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_682343523891316
De Gaga enao am zany zavatra hita zany!inona no tokony hatao maika?
Ankazobe (27.03.2023) - Marc Ravalomanana miaraka amin’ny mpanentana
Na dia tsy lavitra azy ireo bebaoty dia mitohy ihany ny fanentanana ny olompirenena hisoratra sy hanamarina ny anarana eny amin’ny fokontany.
Faly ny olona mahita an’i Dada, miandrandra fiovana. ... TohinyFintinina
12 ora lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_682323000560035
alefa dada courage e!
Isaorana zany ny bebaoty maromaro n'y otrany zany alefa dada a
Merci! Dada
Mahitsy (27.03.2023) - Marc Ravalomanana - Mitohy ny fanentanana ny olompirenena hisoratra sy hanamarina ny anarana eny amin’ny fokontany. ... TohinyFintinina
14 ora lasa
FJKM Katedraly Analakely- Alahady 26 Martsa 2023
Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Hahatsiarovana ny maherifon'ny firenena sy ny tolom-panafahana 1947.
"... Fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina." Jak5:16b ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_681875550604780
Mankasitraka indrindra tompoko
Raharaha Lola Rasoamaharo (tohiny). ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Comment on Facebook 681773563948312
Angaha tsy misy hoe verdict izay vao hita eo izay manana ny marina fa maninona no tonga dia hoe MD? Tsy azoko ny lalàna Malagasy
Bé sosy ne nareo zany e , mafatifaty ery manonona le cheffres , Zay nefa manonona arizato efa mroleeeeeeerrrrrr mitsy
Blablabla be ny anao ramatoa fa aza fahanana lainga eto izahay!
25/03/2023- Raharaha Rasoamaharo Lola. Miandry ny tohiny isika. ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook 📌 Rasoamaharo ...
Tokony mba sahy miseho sy miteny ilay olona mpitory,fa tsy ny prevenu foana no aseho sary,na TV,na FB.merci!
Courage.
Zara aza misy Lelo ..ahisina KO!!
Matoa i Lola mikitika dia misy raha ao izany. Inona izany ilay RAHA ? vao manomboka ny film e !
ilay manompa kosa aloha mba tsy mety e
Mifanena any Maputo izany Rabebonga sy Malama
Ny an ity kosa aloha tena efa tadiavina e
Ianareo miady an-trano fa mihinana foana fa izahay vahoaka noana tsy misy hohanina sady tsy misy fotoana iadivana an-trano!
Alarobia (Novotel, 24.03.2023) – Roland Ratsiraka – Nandrivorivo ny “tehamaina” nahazo ny ministra Lalatiana
Ny Valosoa
Teo anatrehan’ny ray aman-dreny am-piangonana (FFKM), ny masoivoho vahiny, ny fiarahamonimpirenena, ny antoko politika maro samihafa sy olona maro hafa koa, raha nandray fitenenana ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka nandritra ny fivoriana lehibe mikasika ny fizotran’ny fifidianana, nokarakarain’ny CENI tetsy Alarobia ny 24 martsa 2023, dia nahitsy ny teniny ary naneho ny hatezerany mahakasika ny fanakatsankanana sy antsonjay maro ataon’ny fahefana mpitondra amin’ireo mpanao politika mpanohitra. Samy nahazo ny anjarany na ny ministry ny atitany teo aloha, Pierre Holder Ramaholimasy, na ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Hoy indrindra izy:
“Monsieur le ministre, ianao ministry ny atitany taloha, avelao ny olona mamory vahoaka a!… avelao!… Io ihany no efa notsikeraina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay nianjera, dia mbola ataonareo ihany indray izy ankehitriny. NON!
Maninona no mahazo mamory vahoaka madama Lalatiana?… pourquoi?… et moi, Roland Ratsiraka, 25 ans de vie politique, je n’ai pas le droit de réunir QUI QUE CE SOIT??!!… NON! NON!…
Fa maninona ianao, olona tsy voafidy hatramin’izay, JAMAIS, fa maninona ianao mahazo mamory vahoaka ary izahay tsy mahazo? Mba hazavao ahy kely hoe inona no antony!”.
Dia ho hita eo raha ho fay sy hahay hihaino izay hafatra izay ity fitondrana Rajoelina ity sa hanao be marenina sy hanohy ny didin’ny be sandry.
www.youtube.com/live/qctMJvN6hl0?t=2933
fb.watch/juS53Iuz1Y
www.gvalosoa.net/2023/03/25/alarobia-novotel-24-03-2023-roland-ratsiraka-nandrivorivo-ny-tehamain... ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook Alarobia (Novotel, ...
Tiako bé ilay frappe...
Ampy azy aloha iny fa mbola mila mafimafy kokoa. Ary atao imason'olona ohatr'ireny dia afabaraka tsara.
Merci tonton
IO OA MILA MIARA_MIHETSIKA MANOHITRA NY DIDY JADONA DAHOLO ERAK'I MADAGASIKARA DIA RAVA IREO HERI_PAMORETANA SY MPIARO JIOLAHY IREO , TSY HO MARO AN'ISA NOHO ISIKA VAHOAKA IZANY IREO !
Tena mety a
😂😂😂 … dia inona hono no navalin’i BM?… tsy mahay mibebaka io e… efa entin’ny hadalany dia roso foana toy… mahereza ry BM
Io mihitsy no tena mila felaka mafy b. Misokelaka sady miseo azy ho milay
Mp
"Monsieur le ministre, ianao ministry ny atitany taloha, avelao ny olona mamory vahoaka a!… avelao!… Io ihany no efa notsikeraina tamin’ny fitondrana teo aloha, izay nianjera, dia mbola ataonareo ihany indray izy ankehitriny. NON!
Maninona no mahazo mamory vahoaka madama Lalatiana?… pourquoi?… et moi, Roland Ratsiraka, 25 ans de vie politique, je n’ai pas le droit de réunir QUI QUE CE SOIT??!!… NON! NON!…
Fa maninona ianao, olona tsy voafidy hatramin’izay, JAMAIS, fa maninona ianao mahazo mamory vahoaka ary izahay tsy mahazo? Mba hazavao ahy kely hoe inona no antony!".
www.youtube.com/live/qctMJvN6hl0?t=293 ... TohinyFintinina
2 andro lasa
25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (3/3) ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_680984667360535
Mahafinatitra e milamina sy mihaja oa ny zank dada
Tiako ee tiako an 💞💞💞
Di a nisy korontana ve izao tany tsy hitako izay hanakatsakanana ny mpanohitra no tsy hivory rehefa hoe tanana mifefy sy an'olona manokana
25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (2/3) ... TohinyFintinina
3 andro lasa
25.03.2023 - 11:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Vory lanona daholo hifampiharahaba tratry ny taona (1/3) ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_680983234027345
Milamina sy mifalifaly ery ny olona rehefa any @ caserne ireo bebaoty. Mankasitraka e!
Mankasitraka e
Alefaso mits
Riche Fidèle Razafintsoamana raha mbola teo zay bebe Ramama , efa tsy tana tamty mintsy
25.03.2023 - 10:30 - Ambatolampy Ambohimanarina - Hira faneva
fb.watch/jur__KIYLs ... TohinyFintinina
3 andro lasa
25.03.2023 - 10:15 - Ambatolampy Ambohimanarina - Fahatongavan’i Marc Ravalomanana ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_680968560695479
Mankasitraka e
RY MPAMPIASA KAONTY FAKO
Kaonty fako hatrany hatrany no fitaovana ampiasaina,
Ho an’ireo mpitondra vendrana efa an-dalam-pialana aina.
Ireny no hamafazan-dainga sy entina mirehareha,
Rehefa injay efa tsaroana ho tapi-dalana haleha!
Ry bemolotra no havanana amin-javatra toy ireny.
Maro ireo nokaramainy mba hihiaka sy hiteny.
Saingy zavatra tsy marina, izany hatrany no afafiny,
Hamelezany ny hafa izay atsangany ho rafiny!
Kaonty fako no indreny fa maniry toy ny anana,
Hamotehana ny hafa mialoha ny fifidianana.
Tsy dia zava-mahataitra, tetika mirefarefa.
Ny hany tokana ho voafitany dia ireo « zefa tena zefa »!
Ireo olona efa tonga saina, tsy ho voafitaka intsony,
Fa mahay mikombom-bava, mba tsy haloto ny ao am-pony.
Tsy ny “vavabe” akory no hibatana fandresena,
Mainka ireny no hitsarana ireo tsy manam-pahendrena!
…Ka mahaiza re mandinika ary koa mitsakotsako
Ry mpandainga tia miafina ao anaty kaonty fako,
Fa “ny marina tsy maty” sady vonona handresy,
N’inona n’inom-panenjehana na koa fingana misesy!
TSIMIMALO (24-03-23)
www.gvalosoa.net/2023/03/25/ry-mpampiasa-kaonty-fako/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Antohobe Betafo faritra Vakinankaratra – Misy mangalatra ny karazam-bokatra eny an-tsaha
Ambinintsoa
Mirongatra indray ny halabotry ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antohobe, distrikan’i Betafo faritra Vakinankaratra tato anatin’ny iray volana farany izay, ka mampitaraina ny mponina any an-toerana. Ankoatra ny vaky trano, ka mahavery ireo fitaovana sy kojakoja an-tokantrano isankarazany dia lasibatra ihany koa ny vokatra any an- tsaha, nanomboka tamin’ny voalohandohan’ity volana martsa ity. Otazan’ireo olon-dratsy avokoa rehefa vokatra miakatra, ka taorian’ny fahaverezan’ny tsaramaso sy ny katsaka dia ny vary an- tanety indray no lasibatra, raha araka ny filazan’ny solontenan’ny mponina avy ao amin’ny fokontanin’ny Mahateloana izay nanao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mahakasika ity tsy fandriampahalemana mampitondra faisana ny tantsaha any an-toerana ity.
“Voly nisasarana nandritra ny volana maro, nandaniana vola sy fotoana sy efa mba antenaina hiatrehana ny fiainana andavanandro no afoy ao anatin’ny fotoana fohy,” hoy hatrany ny fitarainany.
Mpamosavy malemy
Manao fiambenana hatrany ireo mponina any an-toerana hatramin’izay nampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana izay, saingy tsy mahasakana ireo mpanao ratsy izany. Vao dify kely fotsiny ny mpiambina na raha vao lasa ny tompon’ny voly dia milatsaka avy hatrany ireo olon-dratsy. Ahiana ho mponina ao an-toerana ihany araka izany no manao mpamosavy malemy ka manao ity asa ratsy mampitondra faisana ny mpiaramonina aminy ity.
“ Miara-mivory sy miara-miambina aminay ao ihany ireo tontakely, ka tsy mahagaga raha mahafantatra amin’ny antsipirihany ny paik’ady sy ny fandaharam- potoanan’ny eto an-tanàna,” hoy hatrany ny loharanom- vaovao izay tsy nisalasala naneho ny hatezerany, ka nampitandrina ireo mpanao ratsy ny amin’ny mety ho vokatry ny hatezeran’ireo mponina.
Ankoatra ny halabotry dia isan’ny tanàna lalovan’ny jiolahy matetika ihany koa ity fokontanin’ny Mahateloana, izay lalovan’ny lalam-pirenena faha 34 ity. Vao herinandro lasa izay no nolalovan’ny andian- jiolahy manodidina ny 30 isa indray tao an- toerana. Vaky nandositra ny mponina raha vao nahita azy ireo, saingy na toa efa nibaboka mialoha sahady aza izy ireo dia mbola nanehoan’ireo jiolahy ny heriny tamin’ny alalan’ny tifitra variraraka ihany. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra.
www.gvalosoa.net/2023/03/25/antohobe-betafo-faritra-vakinankaratra-misy-mangalatra-ny-karazam-bok... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
25 taonan’ny Radio Fahazavana – Misy mpiasa tsy tafiditra anaty jobily
Ny Valosoa
Ny volana Septambra taona 1997 no niorina ny Radio Fahazavana. Eto Antananarivo ny foibeny ary niparitaka tany amin’ny faritany taty aoriana, toy ny ny tany Sambava, Toamasina, Ambatondrazaka ary Mahajanga. Radion’ny Fjkm izy io ary manaraka ny tondrozotran’ny foibe Fjkm dia ny hoe ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.
Maro ireo tale efa nifandimby nitantana ny Radio tao anatin’ny 25 taona, ka ny mpitandrina Tiburce Soavinarivo no mitantana azy ankehitriny, raha Ravoahangiarison Didier no tale teo alohany. Rantsana ao amin’ny AFIFAB na Sampanasa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao ny Radio toy ny sitweb, ny gazety Marturia Vavolombelona ankoatry ny FTV. Momba ireo mpiasa kosa, dia maro no nanao fiofanana ho mpiasan’ny Radio tany am-piandohana saingy vitsy no tafajanona. Santionany tamin’ireo mpiasa nanodina ny Radio Fahazavana tamin’izany i Nkaja Randrianarivo mpanao gazety izay efa ho tapitra ny fanamarihana ny jobily volafotsiny. Nanohy ny diany i Toky Rakotorisoa teknisiana, izay nosokafana teny amin’ny Fjkm Fanavaozana Manjaka Ilafy ny taom-pankalazana noho ny jobilly volafotsiny. Rahampitso Alahady dia mpiasa 6 mianadahy ihany koa no hanamarika izany eny amin’ny Fjkm Ankadifotsy.
Mbola misy mpiasa feno 25 taona niasana fa tsy tafiditra tao anaty fankalazana. Mbola hitohy moa izany fankalazana izany. Fa tsy hadino ny mpanao gazety Lolot Ratsimba izay efa nodimandry ny taona 2020 izay fantatra tamin’ny fandaharana Apenjiky niaraka tamin’i Jaona Raoly izay mbola mpanao gazety ao amin’ny Radio Fahazavana ankehitriny. Vao tamin’ny taona lasa koa moa no nodimandry Harivola Rakotoarison teknisiana, izay 25 taona niasana ihany koa. Ankoatr’izay, dia efa nisy mpiasa tao no lasa mpitandrina, niova taranja, lasa mpandraharaha, ary nisy ny tsy niverina intsony taorian’ny fikatonan’ny Radio Fahazavana, noho ny fanonganam-panjakana teto amintsika.
Raha tsiahivina, niverina nisokatra ny Radio ny taona 2015 raha nikatona nandritry ny dimy taona. Folo mianadahy ihany koa ireo mpiasa nahitana teknisiana sy mpanao gazety ary mpiambina no nogadraina nandritry ny telo volana mahery teny Antanimora. Taorian’ny fivoahana ny fonja, dia nilaza malalaka ny foibe Fjkm, fa afaka mitady fivelomana avokoa ny rehetra ary malalaka amin’izay heveriny fa mety ary tsy misy olana. Tao ireo niasa tamin’ny haino amanjery hafa, tao ireo namokatra fandaharana, tao ireo nanao asa hafa mihitsy. Misy amin’ireo manao jobily ankehitriny no niasa tany amin’ny haino amanjery hafa.
Raha fehezina, dia 25 taona no niorenan’ny Radio Fahazavana niaraka tamin’ireo mpiasa, fa 20 taona no tena niasa satria nikatona 5 taona ny Radio Fahazavana. Zany hoe tsy tokony nisy fanavahana izay rehetra niharitra ny mafy tamin’izany, satria Radion’ ny fiangonana io, ka tokony ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo tokoa satria ahiana ny fitiavan-tena ho an’ny sasany, ka lasa mampialangalana ny hafa, satria tsy mitovy ny tadin-dokanga. Andraikitry ny foibe Fjkm ny fanapahan-kevitra momba izany.
www.gvalosoa.net/2023/03/25/25-taonanny-radio-fahazavana-misy-mpiasa-tsy-tafiditra-anaty-jobily/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Prefet an’i Toamasina – Tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny asam-pitsarana hoy ny SMM
Nangonin’Isambilo
FANATANTERAHANA DIDIM-PITSARANA RAIKITRA ANATY TAOM-PIFIDIANANA
Manoloana ny fanapahana ara-panjakana noraisin’Andriamatoa Préfet-an’i Toamasina tamin’ny faha-09 martsa 2023 lasa teo, taratasy nalefa tamin’ireo Vadin-tany miasa ao Toamasina,
Ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara dia manao izao fanambarana izao:
-Ny fanapahana izay noraisina, na dia ny vadin-tany aza no hiantefan’izany, dia manohintohina feno ny asam-pitsarana satria mitondra sakana amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarana raikitra. Tsy misy maha-fitsarana ny fitsarana raha toa ka tsy misy ny‚ fanatanterahana didim-pitsarana ;
-Homban’ny SMM manana ny resaka fitandroana ny filaminam-bahoaka indrindra anatin’izao‚ taonam-pifidianana izao, fa tsy ekena kosa ny fanitsakitsahina ny fenitry ny tany tan-dalàna‚ sahala amin’izao fandraisana fanapahana izao ;
-Tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny andraikitra sy asam-pitsarana ny solon-tenam-panjakana ao Toamasina, satria izany fantanterahana didim-pitsarana fandroahana izany dia‚ mbola tandrifin’andraikitry ny fitsarana feno, eo am-pelatanan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna Ambony sy ny Tonia Mpampanoa Lalàna ;
-Ny fanatanterahana an’io fanapahana izay noraisin’ny Préfet-n’i Toamasina io dia toa midika‚ fanomezana vahana ho an’ireo olona izay sady efa tsy manan-jo, no tsy manana titre amina tany, ho an’ireo mpamahatra amin’ny tanin’olona manana taratasy ara-dalàna, ary‚ indrindra indrindra fa fanaovana tsinontsinona ny fotoana lanin’ireo manan-draharaha manoloana ny fitsarana izany. Marihina anefa fa ny Fanjakana dia nanamafy ny ady atao amin’ireo mpangala-tany eto Madagasikara nandritra ny COLLOQUE NATIONAL FONCIER tamin’ny volana jona 2022.
Koa araka izany : Takian’ny SMM tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro ny hisintonan’Andriamatoa Préfet-n’i Toamasina ny fanapahana noraisiny taorian’ny fivorian’ny OMC, izay tsy natrehin’ny Tonia Mpampanoa Lalàna, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM): Mbitanarivo ANDRIANTSIHORISOA.
www.gvalosoa.net/2023/03/25/prefet-ani-toamasina-tsy-manana-fahefana-hitsabaka-aminny-asam-pitsar... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Maratran’ny politika ny kitra Malagasy – Tsy atao hahagaga ny faharesen’ny Barea A ireny
Sôh’son
Ao anaty fitotonganana ankehitriny ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barea A. Niaraha-nahita ireny voka-dalao ratsy tamin’ny alakamisy ireny. Tsy asiana resaka intsony ny amin’iny, fa ny fositra miteraka izao fahavoazana izao, dia hoventesina indray eto, fa noho ny fampidirana ny resaka politika ao anatin’ny sehatry ny baolina kitra malagasy.
Efa niteny ihany izahay, tao anaty lahatsoratra teto amin’ity gazety ity, fa mandratra ny baolina kitra io fihetsika ataon’i Andry Rajoelina io, tamin’izy nivatravatra niteny tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Federasiona (FMF) rehefa nigadona teny Ivato fa avy ivelany. Nanampy izany ny fiarovany ny toeran’i Nicolas Dupuis, nanoloana ny fanesorany ny filohan’ny FMF azy, ity farany izay tsy nitsahatra ny noenjehiny. Vao mainka ihany koa nanampy trotraka izany ny fikotrehan’ireo filohan’ny ligy maromaro nandona ny mpikambana ny FMF, ka nitady izao fomba samihafa hanoloana iry filohan’ny FMF noenjehina satria tany ivelany no nandositra nialokaloka. Tratran’ireo mpanenjika ny tanjona nokendreny tao anatin’izany.
Tsy azo isalasalana ihany koa, fa tafiditra tanteraka ny resaka politika. Maratra ny baolina kitra malagasy na dia niezaka ny tsy hahatongavan’izany aza ireo mpilalaon’ny Barea CHAN, dia izy ireny niaro ny voninahitr’i Madagasikara ireny. Mbola nitadiavan-kevitra indray anefa ny mbola nampidirana resaka politika taorian’izay. Raha tsy voaaro mafy koa izany dia hanara-dia ny nitranga amin’ny Barea A. Ny fanarenana aza izao mbola any an-kibon’ny omby, satria ireo mpampiditra resaka politika tsy mahay manao izany velively.
Mila sarotiny amin’ity taranja iray ity ny Malagasy tsy idiran’ny resaka politika. Io mantsy no azony ijapiana sy araraotina hakàna ny fon’ny vahoaka satria hitany fa misarika ny maro manerana ny Nosy io sehatra io. Niaraha-nahita tsara izany teny amin’ny kianjaben’Imahamasina ireny. Ny fitondrana ankehitriny, dia efa fantatra tsara, fa isarangotany avokoa izay azony isarangotana rehetra ahafahafana miseho amin’ny vahoaka fa miaraka sy mitsinjo ny vahoaka izy ary manao asa ho azy. Efa tara tanteraka mantsy izy amin’ny fampandrosoana ny firenena ary tsy tafavoaka mihitsy dia atao avokoa izay azo araraotina rehetra hanampena-maso ny vahoaka malagasy mba hahazoana ny fony. Tsy fahaizana mitantana firenena avokoa no fototr’izany rehetra izany.
www.gvalosoa.net/2023/03/25/maratranny-politika-ny-kitra-malagasy-tsy-atao-hahagaga-ny-faharesenn... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
EDITO 25 Marsa – Loko politika – Lasa resabe ny fanaovana akanjo volon-daoranjin-dRajoelina
Beharo
Lasa ataon’olona resaka ny fanaovana ny akanjo Rajoelina miloko volon-daoranjy iny, ka na ny mpitatitra rano sy mpamaky vato, mpitaona biriky eny amin’ny carrière Analamahitsy zatra manao ireny akanjo ireny aza nilaza fa: aleo atsahatra ny fampirantiana io akanjo io ho anay efa sahirana, sao hamono rehefa misy sakoroka, sy zava-mitangorona samihafa. TANDREMO ‘TY LOKO E ! Vao nahare ny zava-niseho tany Sambava faritra Sava, momba ilay mpitondra Bajaj iray nanao akanjo Andry Rajoelina ny ankamaroan’ny olona, dia samy nilaza fa efa tokony ho fadiana, indrindra fa ireny olona mpifamezivezy, mpitaona entana sy ny sisa… ireny ny fanaovana ireny akanjo politika ireny, satria efa leo tokoa noho ny zava-mitranga, ny adim-piainana tsy voavaha, ny fahantrana mihoa-pampana ny vahoaka, ka raha mandeha tokana nefa mbola misalotra ireny dia mety tsy ahazo rariny mihitsy rehefa misy ady mafana, fifanolanana mitranga n’aiza n’aiza.
Tsy vitsy amin’ireo mpitarika sarety, posiposy, no mbola mitafy ireny akanjo ireny. Ny olona sahirana ara-asa mivezivezy eny rehetra eny toy ny mpatsaka, mpamafa lalana, mpitaona entana no betsaka manao iny loko “orange ” iny, ka raha vao misy tranga hafahafa miseho, dia mety ho lasibatra ihany izy ireny. Efa tofoka ny vahoaka satria sahirana, ka na fitafiana tsotra aza no fiheverana azy ireny, dia toy ny mahita an-dRajoelina manatrika, mampitaintaina andian’olona lasa mi-PIPI mihitsy: izao ve ilay velirano tena izy, sa vely rano hafakely manara-penitra, toy ny efa nahazo ny mpitandrina Fjkm tamin’ny 2009 ireny?
Tokony hasiana fitandremana ny fanaovana ireny akanjo ireny araka izany, satria ny ambony no mila ny loko, nefa ianao aty ambany, tsy ampy fivelomana no mijinja ny nafafiny rehefa misy grevy, ady politika, sy teny tsy voahevitra ataon’ny mpitondra.
www.gvalosoa.net/2023/03/25/edito-25-marsa-loko-politika-lasa-resabe-ny-fanaovana-akanjo-volon-da... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 25 Marsa 2023.
Ho hitanao anaty tranonkala :
- ny lahatsoratra: www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
-ny serasera FB Valosoa: gvalosoa.net/FB-Valosoa
- ny tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
- ny fikarohana lahatsoratra: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Kianja Todisoa Andriamampandry – Ambatolampy Ambohimanarina – Neken’ny prefektiora ny hetsika sabotsy 25 martsa – Tongava maro
Ny Valosoa
Na dia tsy tokony natao aza ny fangatahana hanao hetsika ao anaty ny kianja Todisoa Andriamampandry, izay fanana manokana an’ny solombavambahoaka Todisoa, dia nametraka fangatahana tamin’ny alatsinainy teo ny tenany teny amin’ny prefektiora ary dia nivaly androany zoma ny valiny.
Ampifaliana no nilazan’ny solombavambahoaka Todisoa fa nahazo halalana ny hetsika manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Ekena izany ny fiarahana. Ho avy mavesatra ny vahoakan’Ambohimanarina, ny sakaiza rehetra, ny mpikambana rehetra ao amin’ny antoko TIM, ary misy TGV koa àry.
Ho totorebika ny fiarahana rahampitso. Ho avy ny filohan’ny antoko TIM. Hisy ny solontena avy amin’ny faritra. Omby efatra no entina hikarakarana ny nofon-kena mitam-pihavanana.
Tongava maro. ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Marc Ravalomanana: "Aza sakatsakànana izahay hanentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, fa izay no asa himasoanay mba hanànana fifidianana madio sy eken'ny rehetra" ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook Aza sakatsakànana ...
Ny mpianantry jesosy,no manelanelana 13sy 25, zany angamba no ataorana, anao?
Ny mpianantry jesosy,no manelanelana 13sy 25, zany angamba no ataorana, anao? Sode androka ny devoliny ry zalay.
DINIKA AMBANY TAFO-TRANO
Nisy ny dinidinika ambany tafo-trano nifanaovan'ireo TIM Zokiny androany zoma 24 Martsa, tonga nanatrika izany fotoana izany ny Filoha Ravalomanana sy ireo Solombavambahoaka TIM. ... TohinyFintinina
3 andro lasa
#13 #Volomboasary #merciPrezida #Rajoelina
Ekena sa tsy ekena aaaaaaaa!!!… ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook #13 #volomboasary ...
Ça va be Sava tamin’izany
Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza e!… asakasik’izay mora ampiesonina sy mino fampanantenana paokaty. Sa tsy izany r’ilay sady mandainga no tsy mahavita? 😂😂😂
Tadidy faritra sava tsar ngamb io
Efa navoakako teto io fa niakapofona ilay ranamana avy any Sava! Misy hisaintsinany tsara amin'ny ho avy! Mampahery anareo any amin'ny faritra analanjirofo!
Ny Valosoa
Nametraka fitoriana ny solombavambahoaka Feno Ralambomanana manoloana ny herisetra nataon’ny mpitandro filaminana taminy amin’ny fandraisana vozon’akanjo sy ompa ny asabotsy lasa teo. Maneho tsy fanomezana hasina ny solombavambahoaka izany fomba fihetsika izany. Ny lalàna no hitsara ny rariny sy hitsiny amin’izany.
Misy sata manokana mifehy ny solombavambahoaka ary voasoratra anaty ny karatra maha-solombavambahoaka azy fa: "Didina ny manampahefana sivily sy miaramila hamela malalaka ny tompon’ity karatra ity handeha na aiza na aiza ka hanampy sy hifarimbona aminy ka hampiasa hery raha ilaina".
Saingy fampiasan-kery amina solombavambahoaka indray no nataon’ilay raikalahy. Toa efa mirefarefa amin’ny tany ireto herim-pamoretana baikon’ny fitondrana Rajoelina ireto. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Ny Valosoa ...
Dia mijery fotsiny koa ireto vahoaka soloiny vava!!!
Matahotra ny ho very fihinanana atsy ho atsy :(
Fitaka ho an'i vahoaka ireo Tafika ireo, mahatsiravina, tsy tia Marina sy Mazava ireo fa ny vola no mibaiko
To.ga miditra reo fa ts mahay inin
Io zandary io miseho milay hatramzay, fa aleo fa hihinana atsy ho atsy. Raha sahy lery andao 1 sy 1 ary. Hitanla fa ny adva mahazka anla tsara.
Zay miints e
Mety
Ampafantaro AZ zan Député amperin'asa zan e
Isika efa tsssss tsy tohizana
Efa tena tsy izy tsony mitsy ny fihetsik'reo mpitandro filaminana reo.
Ilay mpibaiko no hampihinana e .Zao ilay hoe zaza ratsy taiza ka mahabe vatanorona .Ampianaro @ fahalampomba ny mpianatra o ry Ingahy SEG.Zanak'ireny angamba any antranony Dia tena mihinana isanandro rehefa tsy mifanaraka @ eritreriny. Nefa ny filamatra Tanindrazana sy Lalana sa tsy izany intsony
Tsy hain’ireto bebaoty reto zany solombavambahoaka zany fa solombavam-pozaorana ihany no mibaiko azy. Indrisy f’efa paokaty e!
Tena mba TSIRARINY tsony kosa , fa mba asio na dia henamaso aza , MAMPALAHELO MIHINTSY ILAY TOHETSAINY KA ,🙊🙊🙊🙊🙊
Ampiaro ny lalana
Tony mintsy no tsy ampy fahalalana zany fa amoianaro izy ,
Rah izao mbola afak eo anatrehan fitsaran ihany de tditako tson
Io ve zany tsy hiteny hoe azo raisina fa tsy mitombina
Ka le mpitandro filaminana senegaly nahazo baiko
Ce mercenaire rgv devrait plutôt chasser les dahalo pour voir s'il en a vraiment. Pourriture.
Sariny efa hita mivandravandra be io tonga dia ampinano sy ampirihato any izy e..
HITA IO NY ENDRINY SY NY MOMBA AZY DIA HO HITA EO ,.....TSY HO EO MANDRAKIZAY ELAH , MIODINA NY TANY , ETO TSIKA MAHITA IZY !
mbola misy ihany izao no sahy hilaza fa tsy herim-pamoretana ireo
TSY FANTANY AKORY NY ATAONY , ANGAMBA ISAN'NIREO NANDOA RAKITRA VAO TAFIDITRA FA TSY AFAKA T@ TENA CONCOURS , MANAINGA NY BIANCO HANAO NY ASANY HOE TENA AFAKA T@ CONCOUR VE SA T@ FOMBA HAFA ?
Resaka serasera, misy efa manipy gants ve any ho any … ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Resaka serasera, ...
Fa frantsay foana moa ko!
Na zerara mazimazy aza tsy hampiova ny endriky ny foza ô
Ny Valosoa
Alarobia (Novotel, 24.03.2023)
Tanteraka anio ny dinika sy fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny CENI manodidina ny fifidianana hisian’ny voka-pifidianana madio sy eken’ny rehetra.
Voaasa amin’izany ny antoko politika, ny fiarahamonimpirenena, ny masoivoho eto Madagasikara, ny fikambanan’ny fiangonana FFKM.
Betsaka ny fampanantenana tao anaty ny kabary fanokafana nataon’ny filohan’ny CENI, milaza fa adidiny sy andraikiny ny mandrindra sy miantso amin’ny fikaonandoha sy fifampiresahana, hoy ny filohan’ny mpanohitra Marc Ravalomanana. Raha ny fahitana avy ivelany dia Efa vonona ny CENI hametraka tsara ny fepetra sy lalàna rehetra tokony hilaminan’ny fifidianana.
Kanefa ireny, hoy izy, noenjehina tany Itaosy, ka asa indray na ho enjehina rahampitso. Te-hiteny rehefa avy eo hoe tena marina ve ny teninao sa tsy marina? Fanombohana izao, ilaintsika, ary rehefa miasa miaraka vao ahitantsika azy. Raha mandainga izy dia hitan’ireo ray aman-drenim-piangonana sy ireo vazaha teo. Izay ilay hoe ho hitan’ny havany!
Raha nanontany ny mpanao gazety hoe ampy anetrahana fifidianana mangarahara ve ny hetsiky ataon’ny CENI, dia namaly ny filohan’ny mpanohitra fa matoky izy raha toa ka miditra ao ny FFKM. Noho ny lalana ratsy hoy izy dia ho sarotra ny fanentanana, fa kosa isaky ny fokontany dia misy ny FFKM. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_680202287438773
Mila mafy tsara ny seraseran'tsika anaty reseau rehetra dia mandresy isika fa tsika otran'mbola matory foana ah!
D ireo CENI tgv ireo ve no tompon'ny fanasàna?????....Hafahafa a! 😪
Ambohimanambola (Le Hintsy, 23.03.2023) – Raharaha fitsipaham-pitokisana – Hiroso amin’ny dingana manaraka
Ny Valosoa
[Ny fanambaranana feno nataon’ny solombavambahoaka JOHASY Eleonore tamin’ny teny malagasy sy amin’ny teny frantsay )
www.gvalosoa.net/2023/03/23/ambohimanambola-le-hintsy-23-03-2023-fanambarana-manoloana-ny-tsy-ara...
Nivory teny Le Hintsy Ambohimanambola ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana androany faha-23 martsa 2023, tao aorian’ny famoahan’ny filankevitry ny ministra omaly ny fanafohezana amin’ity volana ity ny fe-potoana fiasan’ny Filan-kevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana Tan-Dalàna na HCDDED, izay tokony mbola ho any amin’ny volana septambra.
Raha tsiahivina dia solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia fitsipaham-pitokisana teny amin’ny Fitsara Avo amin’ny Lalampanorenana na HCC, izay nilaza fa tsy ara-dalàna izany. Ary in-droa nanao fangatahana teny amin’ny HCDDED ireto solombavambahoaka handray andraikitra manoloana ny HCC kanefa dia nolavin’ity farany ity koa izany, ary dia izao hanaovan’ny fitondrana paiko maloto mamarana ny fe-potoana iasan’ny HCDDED izao.
Mifono ambadika politika ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsara Avo amin’ny Lalampanorenana na HCC sy ny filohan’ny Antenimierampirenena izay nanao fanambarana iombonana mikasika ny fitsipaham-pitokisana nosoniavin’ireo solombavambahoaka 105 ny 8 desambra 2022 lasa teo. Samy nandika lalàna izy ireo araka ny famelabelarana sy fanambarana nataon’ireo solontenan’ny solombavambahoaka.
Nanome ny fanazavana teknika araka ny lalàna ny solombavambahoaka Narison Rafidimanana ary notohizin’ny solombavambahoaka Johary Eleonore tamin’ny fanambarana iombonana tamin’ny anaran’ny antoko TIM, ny antoko MMM sy ny vondrona GPR. Maro ireo mpanao politika tonga nanatrika izany fotoana izany, nahitàna ireo filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.
Miantso ireo namany ireo solombavambahoaka mba hifampiaro amin’ny famerenana ny hasin’ny fanjakana eto amintsika, hanatevin-daharana ka hiaraka hitaky ny fahefana feno sy ftokisana ny vahoaka izay nifidy azy ireo. Manasa ireo mpitsara sy mpahay lalàna hijoro hiaro ny fahaleovantenan’ny fitsaràna sy tsy hanaiky ny fanafinafenana ny fahamarinana. Mitaky ireo fepetra mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ho fisorohana ny mety ho fisian’ny krizy izay tsy ho zakan’ny firenena efa latsaka an-katerena. Mitaky ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara satria manjaka loatra ny didy jadona sy ny fanabadoana ary fampahantrana ny vahoaka tompom-pahefana. Miantso ny hery velona sy ny olompirenena rehetra hiaraka hitaky ny rariny sy ny fanajan’ny filoham-pirenena ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona rehetra ka hanjakan’ny ara-dalàna sy ny fahalalahana ho fanarenena ity firenena ity.
www.gvalosoa.net/2023/03/23/ambohimanambola-le-hintsy-23-03-2023-raharaha-fitsipaham-pitokisana-h... ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_679881510804184
Kivorivory dia avy eo lasa kivarivary!