Avelao mihitsy dia ho avy ny fifidianana hahafantarana ny marina hoy ireo mpomba an’i Dada, manoloana indrindra ny hoe haroso mialoha ny fifidianana izay ho Filohampirenena. Tsy misy matahotra eto satria tsapanay fa mbola ao ampon’ny vahoakan’ Alaotra ny Filoha Marc Ravalomanana hoy izy ireo noho ny zava-bitany izay tsy nisy nahavoasongona hatramin’izao. Tsy nisy nahafantatra Kubota taty Alaotra raha tsy izy no nampianatra izany, ka nahatonga azy io ho fitaovam-pamokarana mahomby nentina nanatsarana ny vokatra rehetra. Hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra any ambanivohitra dia samy miandry io fifidianana izay ho Filohampirenena io ho entina mamerina an’i Dada. Mihetsiketsika fatratra ihany koa ny T.I.M mitety sy manentana ny mponina mba hazoto handray anjara hifidy amin’izay fifidianana ho avy eo. Mazava ny resaka hatreto fa mbola sarotra ny handresena ny Filoha Marc Ravalomanana raha ny aty Alaotra no jerena. Hala-bato no nampihintsana ny kandidan’ny T.I.M tamin’ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna teo fa raha nandeha nazava dia fantatra fa izy ireo no nitàna ny ankamaroan’ny kaominina hoy ny mpanohana azy. Vonona tanteraka araka izany ireo mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana handrombaka ny laharana voalohany amin’izay fifidianana rehetra ho avy: na Solombavambahoaka io, na Ben’ny tanàna. Marihina fa avy amin’ny antoko T.I.M no mitantana ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra amin’izao fotoana izao.
LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Ny Valosoa Vaovao
Tolombahoaka - Serasera sy tranonkala
Olona tsy vanona. Anisan’ny tomponandraikitra amin’izao fijaliana mahazo ny Malagasy izao. « Tsy nanao ny soa, tsy nanao ny tsara, tsy nanao ny marina »Mandefa hafatra kely hanombohana ny herinandro i Jean Eric Rakotoarisoa. Mampianatra lalàna, filohan'ny HCC teo aloha. ... TohinyFintinina
- Likes: 7
- Comments: 5
- Shares: 0
5 CommentsComment on Facebook
Eishy !!! Azo raisina fa tsy mitombona !!!
Angaha MBA nanao n'y marina izato izy 😅😅😅
Fakon'olona sahy mampianatra 👎🏼👎🏼👎🏼👎🏼👎🏼👎🏼👎🏼👎🏼
Izany??????Eny oa!
Azo raisina fa tsy mitombina 🙈
03/05/2024. Ankatso- Sao tsy azonareo mpitondra aza. Mitaky ny zony ny mpianatra fa tsy miantso mpitandro ny filaminana. ... TohinyFintinina
3 CommentsComment on Facebook
Tsara ho azy io
Ka tsy fidiny anireo koa no eo fa baiko
Nihinana aloha ity iraikalahy ity!