Voasonia ny maha-mpirahavavy (na ‘jumelage’) Antsirabe sy Taolagnaro

Miezaka mikaroka hatrany ny fampivelarana sy fampandrosoana anatiny ny Kaominina Antsirabe renivohitra. Raha ny mahazatra hatramin’izay dia ny fiaraha-miasan’ny vondrombahoakam-paritra toy ny kaominina eto Madagasikara sy ny kaominina avy amin’ny firenen-kafa no hita. Fa anisan’ny nanomboka fiaraha-miasa anatiny ny kaominina Antsirabe ambonivohitra Taolagnaro. Fiaraha-miasan’ny samy kaominina eto Madagasikara ity nosantarina ity, tamin’ny alalan’ny fifampitsidihana sy fijerena ireo fiaraha-miasa mety hiarahana miara-mandroso.

Nisy araka izany ny fitsidihana nataon’ny ekipan’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe tany Faradofay, nandritra ny herinandro teo, nentina namolavolàna sy nijerena akaiky izany fiaraha-miasa izany. Vokany, dia nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ben’ny tanàna roa tonta nanamarihana izany hetaheta izany, hisian’ny fiaraha-miasan’ny tanàna na kaominina izany ny Zoma lasa teo (ndlr 22 Jiona).

Voarakitr’ity fifanarahana natao sonia ity, hikatsaka ny tombontsoa sy ny fampandrosoan’ny tanàna roa tonta izao fiaraha-miasa izao. Isan’izany ohatra ny hisian’ny fanoloran’ny kaominina Taolagnaro fiara mpamono afo sy mpamonjy voina iray ho an’ny tanànan’Antsirabe, ary hisy koa ny fanampian’ny kaominina Antsirabe ankilany ny tanànan’i Faradofay amin’ny fananganana fotodrafitrasa hanorenana ny sampan-draharaha teknika na voirie any amin’izy ireo.

Ankoatr’izay, hivelatra amin’ny lafiny fifanakalozana traikefa ihany koa ity fiarahamiasa ity, indrindra eo amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny kaominina sy ireo mpiasa na sampandraharaha misy ao aminy.

Eo koa ny vina iray goavana izay hanampian’ny tanànan’Antsirabe an’i Faradofay momba ny fanapariahana any an-teorana ny fomba fambolena an-tanan-dehibe ny legioma.

Notsindrian’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe fa ireo vinam-piarahamiasa ireo dia handalo avokoa ny filankevitry ny tanàna roa tonta.

Lezama