Zafilahy Stanilas – Miseho masoandro ny mpamitaka sy ny mafia politika

Momba ny raharaham-pirenena, maneho ny heviny ny depiote teo aloha tany Vavatenina, Zafilahy Stanislas. Miseho masoandro ankehitriny ny mpamitaka sy ny mpivarotra tanindrazana ary ny mafia politika. Mahavita mamorona taratasy fifanarahana sandoka hoentina hamitaham- bahoaka toy ny fanao hatrizay, ny sasany indray hafa no notenenina fony teny an-kianja, ankehitriny zavatra mifanohitra tanteraka amin ‘ izany indray no tenenina hitetezana haino aman- jery isan – karazany . Tsy adala akory ny malagasy ka ho voafitakareo matetika eto hoy izy. Soa ihany fa nasehon’ Andriamanitra mialohan’ ny fifidianana ny teti- dratsy tianareo hapetraka sy hitantanana ity firenena ity . Hijoro sy tsy hanaiky intsony isika mianakavy ka ho tonga masiaka eny amin ‘ ny kianja 13 mey rahampitso sabotsy 23 jona mba hampisehoantsika miaraka fa samy tompon ‘ ity firenena ity sy ny harena ato aminy fa tsy ianareo izay mpamita- bahoaka ireto foana no higoka an ‘ izany hoy ihany ity mpanao politika ity. Hanetsika ny namana mpiara – mitolona rehetra ihany koa isika mpomba an ‘ i Dada hoy izy ka ho tonga maro eny amin ‘ ny Magro Behoririka rahampitso sabotsy amin ‘ ny 11h antoandro mba ho mariky ny firaisankina sy fandraisana andraikitra mavesatra ho fanavotam-pirenena. Hametraka firenena vanona ho an’ny taranaka faramandimby isika tena tia tanindrazana, hoy hatrany izy.
Isambilo