Fiarovana harena voajanahary – Voararan’ny lalàna ny fihazana, ny fihinanana varika

Aly

Voararan’ny lalàna ny fihazana, ny fihinanana ary ny fivarotana varika.
Araka ny fanomezam-baovao izay voarain’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy amin’ny fisian’ny fihazana varika ao Maroantsetra, faritra Analanjirofo, ny Ministera dia mampahatsiahy fa ny varika dia voasokajy ao anatin’ny biby arovana indrindra eto Madagasikara (Catégorie I, Classe I).

Voararan’ny Lalàna eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fihazana, ny fiompiana, ny fivarotana ary ny fihinanana varika araka ny voalaza ao amin’ny Andalana faha-2 ny Didim-panjakana 2006-400, sy ny Andalana faha-29 ny Lalàna 2005-018 ny CITES – Fifanarahana momba ny varotra iraisam-pirenena amin’ny karazam-biby sy zavamaniry. Ny tsy fanarahana ireo lalàna ireo dia maha-voasazy higadra an-tranomaizina hatramin’ny 2 taona, miampy lamandy 10 tapitrisa ka hatramin’ny 50 tapitrisa Ar.

Mahakasika ny tranga niseho ny 10 martsa lasa teo tao Maroantsetra dia natolotra ny fampanoavana ilay olona iray tratra nihaza varikosy tao Manambolo distrikan’i Maroantsetra, taorian’ny fidinana tampoka nataon’ny DREDD Analanjirofo. Ny 31 martsa izao no hiakatra fitsarana ity olona ity, nogiazana ihany koa ny basy nampiasainy nitifirana varika.

Mamerina hatrany ny fanambarana, fa mitondra tombony ara-tontolo iainana sy ara-toekarena ho antsika ny varika. Ho fiarovana azy ireo tsy ho lany tamingana dia entanina isika rehetra tsy hisalasala hampandre ny rantsamangaikan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Manerana ny Nosy, na ny Mpitandro ny filaminana, raha mahita tranga fihazana, fiompiana, fivarotana varika.