HISY VE NY FIFIDIANANA ?

Mbola tsy navoaka ihany izay ho datim-pifidianana.
Ilay navoakan’ny komity dia tsy hay raha tena hotanana.
Indreo mandeha ny setrasetra sy karazam-paminganana,
Ho an’ireo izay mpifanandrina tsaratsara fiomanana!

Mbola tsy navoaka ihany izay ho datim-pifidianana.
Efa maro ireo manahy ho tena very fihinanana,
Ary dia mampiasa fomba sy karazam-panakanana,
Raha vao misy fofompofon’ny filoha Ravalomanana!

Tena tsotra be ny antony: efa tsy matoky tena
Ny mpitondra ankehitriny ka mamorona hafetsena.
Ny hanalava taom-piasana, izay no tanjona kendrena.
Hala-bato no efa ketrika hibatana fandresena!

Misy koa ny tsirin-kevitra efa tazana any ho any:
Tena atao ny fikafika tsy hampilamina ny tany.
Amin’izay ny fifidianana sy ‘zay mombamomba izany
Dia tsy anaty laha-dinika ka hihemotra hatrany!

Mbola averina eto indray fa mihorohoro ny eny ambony,
Ka izay lalana hodiaviny aza tena tsy hainy intsony.
Hany sisa tetikady izay miloatra avy ao am-pony
Dia ny handrara ireo mpifidy tsy haneho izay tena zony!

DADAN’i ZINA (11-03-23)