Vondrona Hiffim – Miantso fifampidinihana hanarenana ny fiainam-pirenena

Franck Razakambelo

Ny fanatanterahana ny dinika nasionaly hitadiavam-bahaolana, manoloana ny raharaham-pirenena izay miharatsy andro aman’alina, no antso avo nataon’ny vondrona politika Hiffim (Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara), tetsy Andohatapenaka omaly alatsinainy maraina.

Nanambaran’ Andriamatoa Andriamiseza Alain mpitarika an’ity vondrona Hiffim ity, fa manohintohina ny Demokrasia eto Madagasikara ny fanakanana an’ireo lafin-kery mpanohitra, sy ny firehana hafa tsy haneho hevitra, manoloana ny raharaham-pirenena ary fahadisoana ho an’ny mpitondra firenena ny fanakatonana ny sekoly ambaratonga ambony (Oniversite Polyteknika Votovorona), izay mitaky ny zony, no sady manapoizina ny fiainan’ny tanora izay ho avin’ny firenena.

Nanamafy Andriamatoa Andriamiseza Alain, fa noho ny fahantrana lalina manjo ny mpiray tanindrazana dia mahamenatra ny trangana sambo rendrika tany Ambilobe izay nahafatesana olona marobe, vokatry ny fikasana hitsoa-ponenana any amin’ny Nosy Mayotte. Nanao antso avo ho an’ny mpisehatra rehetra ny Hiffim, mba hanatanteraka fifampidinihina ambony latabatra, hijerena ny laharam-pahamehana amin’ny alalan’ny fanarenana ny rafitra sy ny lalàna (Fanorenana ifotony).

Nampahatsiahy izy fa hihamafy hatrany ny disadisa misy eto amin’ny firenena raha izao trangan-javatra izao no mitohy, ka tsy azo ihodivirana ny fanatanterahana ny dinika nasionaly, mba hahafahana manitsy miaraka ny zavatra tsy mety rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana, avy eo miroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, mba hisian’ny filaminana.