EDITO 3 Janoary – Taom-pandresena sy taonan’ny fihariana hono

Isambilo

Amin’izao Asaramanitra noho ny taom-baovao izao ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary soa, sy fahasalamana ary fahombiazana ho antsika rehetra tsy ankanavaka. Amin’ny fiafaran’ny taona iandrasana ny taona vaovao, misy hatrany ny kabary faran’ny taona ataon’ny filoham-pirenena, nanatanteraka izany ny filoha Rajoelina ny sabotsy alina 31 desambra lasa teo. Hita sy tsapan’ny rehetra nandritra izany, fa toy ny mi-delira indray Ingahy filoha ary toa efa manao propagandy sahady.

Nambarany fa ho taom-pandresena sy ho taonan’ny fihariana hono ity taona ity. Ho resy ve ny fahantrana, satria efa tena lalim-paka amin’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izay fahantrana izay, nefa tsy hitan’izao fitondrana Rajoelina izao izay vahaolana. Taonan’ny fiharina koa hono, nefa ny fiharian’ny maro amin’izao fotoana izao nopotehan’ity fitondrana ity, tsy misy ny fanampiana nataony fa dia saika ny vahiny sy ny mpandraharaha vahiny no omeny vahana. Raha resaka fihariana, ny fambolena sy ny fiompiana no mbola tena fototry ny fiharian’ny tantsaha maro an’isa eto Madagasikara.

Tsy misy ny fitsinjovana ireo tantsaha mpamboly vary, raha tsy hilaza afa tsy io vokatra foto-tsakafon’ny Malagasy io, ny fanafarana vary avy any ivelany mamelona ireo mpamboly any ivelany no ataon’ny fanjakana betsaka amin’izao fotoana, ka very fanahy mbola velona ny mpamboly eto amintsika. Ny zezika sy ny masomboly midangana ny vidiny, ka dia tena famonoana ny tantsaha mpamboly eto amintsika ny zava-misy.

Ny sehatry ny fizahantany koa, no anisan’ny tena voa mafy teto amintsika tamin’ireny valanaretina coronavirus ireny, nefa tsy nisy fanampian’ny fitondrana nandritra izany, ka dia mbola vao miharin-doha samirery indray amin’izao fotoana ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity.

Ny fitondrana hatreto toa nihalangalana fotsiny. Tsy ho fandresena ho an-dRajoelina sy ny forongony ny taona 2023, fa ho faharesena ho an’izy ireo, satria tsy misy tsy miaiky ny famitaham-bahoaka ataon’izy ireo ny maro ary izany dia manerana ny Nosy mihitsy. Ka tsy ny mpitondra mampijaly ny vahoaka, sy manimba ny fiainany tsy akory no ho mbola hofidiany, maharaka ny raharaham-pirenena ny maro amin’izao fotoana, ka tsy ho voafitaky ny lainga tsara lahatry ry Rajoelina sy ny forongony intsony.