TSARA HO ANAREO NY MIALA

(sary Tia Tanindrazana)

Tsy misy zavatra mamiratra ny tontolo izay jerena,
Nefa hifarana ny taona, avy ny krismasy.
Toa tontolo tsy mitsiky, toa tontolo mahonena.
Taratry ny fijalian’ireo vahoaka malagasy!

Raha nandalo ny filoha, nafonja be ny kortezy.
Hatramin’ireo izay tany an-trano, raha nandre dia ‘ndreo nivoaka.
Saingy indrisy siotsioka no nahazo an-draprezy,
F’efa tofoka sy leo ny ankamaroan’ireo vahoaka!

Mahatezitra ny maro ireo rehetra izay nataony,
Indrindra irony hoerahoera sy karazam-pikafikany.
Be no efa nahamarika fa ny tena kilalaony
Dia ny mieboebo hatrany ny amin-java-tsisy dikany!

…Ka raha mbola handalo indray ingahy filoham-pirenena,
Na koa mbola hikabary noho ny taona vaovao,
Dia tena mainka koa hitombo iretsy olona ho sorena,
Ny amin’ny fihetsika amam-pombany izay tsy misy kalitao!

Indrindra indrindra ireo ekipany ao anaty fitondrana:
Be no mampivonto fo sy mankaleo ireo mpitazana,
K’aoka mba handini-tena ny mpitondra fanjakana,
Fa toa ‘zay rehetra ataony tsy mitera-pahombiazana.

…Hany tena vahaolana iombonan’ny rehetra
Dia ny handaozan’ny filoha izatsy toeram-boninahiny,
Ary koa ireo ekipa zatra tsindry sy amboletra,
F’efa tofoka sy leo ireo vahoaka nofitahiny!

TSIMIMALO (21-12-22)