IRENY VE NO OLOBE ? IRENY VE NO HOE MINISITRA ?

(Sary Tia Tanindrazana)

Ireny ve no olobe, ireny ve no hoe minisitra?
Nefa olon-tsy mitana irony teny izay nomeny?
Mba ny marina sy hendry no aoka re ho lohalisitra,
F’aza ny olona mpandainga sy tsy mendrika toy ireny!

Ireny ve no olobe, ireny ve no hoe minisitra?
Nefa olona vavana, tena mpiady an-kavoriana?
Raha vao ireny no miteny, maro no mihisitrisitra
Hoe ry “veta” indray aloha dia efa olon-tsy zoviana!

Ireny ve no olobe, ireny ve no hoe minisitra?
Nefa olona mpibizina sy mpanao afera maizina?
Angaha tsy nisy fifantenana, ’ndeha diovy re ny lisitra,
Fa ny mendrika an’ireny dia ny alàna sady faizina!

Ireny ve no olobe, ireny ve no hoe minisitra?
Efa tena tsy mahomby saingy tanana eo hatrany?
Tsy hivoatra i Gasikara fa vao mainka koa ho gisitra,
Ary ho rambony eny foana raha izay mbola ireo ihany!

IRINA HO TAFITA (16-11-22)