22 Novambra – Taratasin’ny mpamaky

Témoignage kely avy amin’ilay dadako niverina tany Madagasikara tamin’ny Septembre teo.

Rehefa tonga tao Tana izy dia nody haingana tany amin’ny tany niaviany Toamasina dia nalahelo ny zavatra hitany.

Hoy izy : « Anisan’ny Ratsirakiste aho, ary tena tia an’i Ratsiraka, eny hatramin’izao satria tsy afaka nianatra Travaux public tany Dresde (Allemagne) izay RDA fahiny aho raha tsy i Ratsiraka Didier ny filoha nanome bourse. Vao tsy filoha izy ny taona 2002 fa lasan’i Marc Ravalomanana ny fitondrana dia anisan’ny mpanohitra ny TIM ary niteny tamin’ny olona izay mpiresaka amiko aho hoe: « tsy hisy zava-banona intsony ity Firenena ity, indrindra ho an’isika côtier ». Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia gaga sy talanjona aho, fa toa mandeha mihazakazaka ny toekarena Malagasy, ny taona 2003 fotsiny dia tsapako ary hitako teo amin’ny manodidina antsika fahiny teo 67ha, fa niakatra ny pouvoir d’achat ny vahoaka Malagasy.

Ny taona décembre 2004 rehefa nody tany Toamasina aho dia gaga aho toa lasa niha-ngeza ilay lalana RN2, no sady vita goudron tsara be indray. Adiny 7 fotsiny dia Vitako tamin’ny fiarako Clio 2 tamin’izany io lalana Tana-Toamasina io, nisosa tsy nisy lavaka, no tsy nisy Tip Top. Mbola nahita ny engins ny Colas maro aho teo Brickaville tamin’izany dia mba niteny tamin’ireo mpiasa mpanao lalana nipetrapetraka hoe: « arahabaina nahavita asa e » dia namaly ahy izy ireo hoe: « mbola mitohy ny fanamboarana Mr a! mbola misy pitsompitsony ». Nanontaniko ny habehan’ilay couche de liaison sy ny couche de roulement izy ireo dia namaly hoe « manodidina ny 15 cm ny liaison ary 5 cm ny roulement ». Mbola tsy nino aho satria max amin’ny norme internationale izany, no sady mbola tsy tena tia an’i Marc Ravalomanana aho, ka norefesiko ilay épaisseur, nahita 19,7 cm d’épaisseur an’ilay goudron aho.

Tadidiko mantsy ny taona 1981 no nanomboka simba io RN2 io, nisy fanavaozana Tip Top ihany nataon’i Ratsiraka Didier ny taona 1989-1990. Nisy entretien nataon’i Didier Ratsiraka ihany koa ny taona 1998-1999, kanefa mbola Tip Top ihany no betsaka, azo nandehanana ihany anefa io RN2 io tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka, tsy dia nampijaly vahoaka ankoatra an’ilay pont flottant.

Ary ny tena nahagaga ahy dia ilay pont flottant novain’i Marc Ravalomanana ho pont en béton ngeza be.

Tonga tany Toamasina aho dia gaga indray toa maro ireo asa lalana vita, maro ny lalam-pasika lasa goudron. Nanomboka teo aho dia tsy nanana saina intsony hoe : « tsy tia côtier i Marc Ravalomanana ». Maro ihany koa ny namana tamin’ny fahazazana lasa mpiasan’ny Tiko tao Toamasina ary tsy dia nisy Merina ny Mpiasa ny TIKO Toamasina, fa Betsimisaraka no betsaka.

Niverina tany aho teo (Septembre 2022), fa dia nalahelo rehefa nandeha Taxibrousse nankany Tamatave, potika ilay RN2, maro ny lalana tao amin’ny tanànan’i Toamasina efa vita goudron ny taona 2005, tsy nisy nanao entretien intsony, ka lasa niverina lalam-pasika. Nankaiza ny entretien ny RN2 nandritra ny 2009-2022 ? Tadidiko tsara mantsy ny taona 2008 mbola nahita entretien natao tamin’ny RN2 aho, rehefa miverina any Toamasina, norakofana couche de roulement Vaovao io RN2 io nefa tsy simba akory!

Hanao autoroute hono Rajoelina, dia manontany tena aho ankehitriny hoe « entretien ny RN2 tsy vitany ny taona 2009-2013 ary tsy vitany ny nanao réhabilitation ny RN2 amin’izao, RN2 izay tsy mety entretien intsony, fa efa réhabilitation toy nataon’i Marc Ravolomanana! dia ho vitany ve izany autoroute izany ? »

Haritiana Rahenintsoa
Mpamaky gazety Ny Valosoa