INONA NO ATAHORANA ?

(Sary Tia Tanindrazana)

Inona ho ijoroana inona no irotsahana,
Nefa tsy matoky tena tsy araka ny fidedahana?
Vao mihetsika ny hafa mba mitety faritany,
Dia mandeha ny sakantsakana sy ny fomba tena ambany?

Angaha tsy hoe ianao indray ilay raikalahy tena mafoaka,
Ilay miseho fa hoe milay no sady akaikin!ny vahoaka?
Ka nahoana no matahotra ary koa mihorohoro,
Raha vao misy ny miseho, raha vao misy ny mijoro?

Dia tsy maintsy tetidratsy no iatrehana an!izany?
Tsy mba misy fomba tsara fa tsy maintsy fomba ambany?
Tsy mba miezaka hisongadina amin!ny fomba tsara rindra,
Fa dia ny fankahalana, izay no lehibe indrindra?

Moa tsy namana daholo ireo ambony nomen-toerana,
Fa nailika daholo izay avy amin!ny fanoherana?
Ary ireo mpikarakara na ireo hamoaka didy,
Moa tsy efa nofantenana, efa naman!ny voavidy?

…Ka dia inona indray no mbola tena atahorana,
Ary koa tsy mampilamina anareo ry fozaorana?
Aoka hahalala menatra raha dia hoe izao sahady
Dia efa tena mihorohoro toy ny efa ho resy an!ady!

TSIMIMALO (21-11-22)