Baie de Baly any Soalala – May ny faritra arovana misy ireo Angonoka tsy misy afa tsy eto amintsika

Niaina

Nirehitra efa ho 5 andro izao ny faritra arovana Baie de Baly, na ny Helodranon’i Baly any amin’ny distrikan’i Soalala faritra Boeny, toerana misy ireo sokatra Angonoka izay tsy misy afa tsy eto Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, tsy nisy may aloha hatreto ireo sokatra Angonoka mampalaza an’i Madagasikara eran’izao tontolo izao ireo. Araka ny vaovao avy amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, ny 22 septambra 2022 dia nahazo fampandrenesana avy amin’ny Madagascar National Parks, mpitantana ny Faritra arovana Baie de Baly, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Boeny-Betsiboka, fa misy firehetana nitranga tao amin’ny Faritra arovana Baie de Baly, toeram-ponenan’ireo sokatra Angonoka, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tao amin’ny zone tampon ao Baly no niantombohan’ny afo ary nahakasika ny atiala (noyau dur) ao Ambida.

Ny 23 septambra dia nidina avy hatrany tany an-toerana ny ekipa DIREDD Boeny-Betsiboka sy ny mpamonjy voina (pompier), avy ao Mahajanga, ary nanaraka ihany koa ny ampitso ny Préfet an’i Mahajanga, ny Solombavambahoakan’i Soalala SAID ZAKANIAINA Mahafaly Joseph, ny mpitandro filaminana avy amin’ny miaramila, ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, izay nifarimbona tamin’ny fokonolona avy ao amin’ny fokontany Baly, Ankera, Soalala ary Antanamanintsy tamin’ny famonoana ny afo, izay efa nanomboka voafehy.

Nisy tranga firehetana vaovao miisa 3 indray nitranga nanomboka ny alahady 25 septambra 2022, tao anatin’ity Faritra arovana Baie de Baly ity ihany. Nandray fepetra nidina any an-toerana avy hatrany ny OMC sy ny avy ao anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, nanatevin-daharana ireo efa tonga tany an-toerana hamono ny afo, sy hanao ny fomba rehetra hiarovana ireo sokatra Angonoka izay monina ao anatin’ity Faritra arovana ity tsy ho may.

Sarotra ny fifehezana ny afo noho ny hamafin’ny rivotra sy ny fahasarotana amin’ny fidirana ao anaty ala, na dia efa manao izay ho afany aza ny rehetra amin’ny famonoana ny afo. Efa manao ny fomba rehetra hiarovana ireto sokatra ireto tsy ho tratran’ny afo ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ankehitriny ary maneho sahady ny fisaorana ireo rehetra izay efa nanolo tanana hifehezana ny afo. Ary mbola manao antso avo amintsika rehetra izay afaka manolo-tanana hahafahana mifehy haingana ity afo ao amin’ny Faritra arovana Baly ity. Raha sanatria tsy voafehy fa hitohitohy izao afo any an-toerana izao, ahiana ho lany tamingana ireo sokatra Angonoka mampalaza iny distrikan’i Soalala iny, eto amin’izao tontolo izao.